Testamenta Taloha 2022
5–11 desambra. Hagay; Zakaria 1–3; 7–14: “Hamasinina ho an’i Jehovah”


“5–11 desambra. Hagay; Zakaria 1–3; 7–14: -Hamasinina ho an’i Jehovah,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“5–11 desambra. Hagay; Zakaria 1–3; 7–14,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2022

Sary
Tempolin’i Laie Hawaï

Tempolin’i Laie Hawaï

5–11 desambra

Hagay; Zakaria 1–3; 7–14

“Hamasinina ho an’i Jehovah”

Eo am-pandalinanao ny Hagay sy ny Zakaria dia saintsaino ny fomba hahafahanao manampy ny olona ao amin’ny kilasy hahita lanjany manokana ao amin’ireo faminaniana ireo.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Azon’ny olona ao amin’ny kilasy atao ny mizara andininy avy amin’ny Hagay sy ny Zakaria izay nosaintsainin’izy ireo na noresadresahan’izy ireo tamin’olon-kafa tamin’ity herinandro ity, dia ifanakalozy hevitra ny fomba nanampian’ireo andininy ireo azy ireo hanakaiky kokoa ny Tompo.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Hagay 1; 2:1–9

“Hevero ny lalanareo.”

  • Ny torohevitra ao amin’ny Hagay 1 dia afaka manampy ny olona ao amin’ny kilasy hieritreritra momba ny laharam-pahamehana eo amin’ny fiainan’izy ireo. Azonao asaina izy ireo hamaky ny Hagay 1:1–7 ary hamantatra ny fomba tsy nanaovan’ireo olona tao Jerosalema ho laharam-pahamehana ny zavatra izay tian’ny Tompo nataon’izy ireo laharam-pahamehana. Inona avy ireo zavatra sasany izay nangatahan’ny Tompo mba hataontsika laharam-pahamehana lehibe eo amin’ny fiainantsika? Inona no mety hanelingelina antsika tsy hifantoka amin’ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy ary ny laharam-pahamehan’ Izy Ireo? Azon’ny olona ao amin’ny kilasy atao tsara ny mizara zavatra niainana izay nanampy azy ireo “[hihevitra] ny lalan[y]” sy ny laharam-pahamehany.

  • Mba hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy hieritreritra momba ny fomba hahafahany mifantoka feno kokoa amin’ireo laharam-pahamehan’ny Tompo dia azonao angatahana izy ireo hamaky ny Hagay 2:1–9. Inona no torohevitra nomen’ny Tompo izay afaka manampy antsika hanao ny asany? Ny olona ao amin’ny kilasy dia afaka mizara ny fomba nahafahany nametraka ho laharana voalohany eo amin’ny fiainany ny laharam-pahamehan’ny Tompo rehefa niatrika ireo andraikitra manan-danja maro hafa izy ireo. Inona no ampianarin’ny Hagay 2:1–9 mikasika ny fomba itahian’ny Tompo antsika rehefa mametraka Azy ho lohalaharana eo amin’ny fiainantsika isika? (jereo ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”). Omeo fotoana ny olona ao amin’ny kilasy hanoratra ny zavatra tsapany fa hanentanan’ny Fanahy azy mba hataony noho ity fifanakalozan-kevitra ity.

Zakaria 1–3; 7–8;14

Afaka mahatonga antsika ho masina ny Tompo.

  • Ho fanombohana fifanakalozan-kevitra momba ny fahamasinana dia azonareo iarahana vakina ny Zakaria 14:20–21. Azon’ny olona ao amin’ny kilasy atao ny mizara ny dikan’ny hoe “Hamasinina ho an’i Jehovah” amin’izy ireo. Inona no mety ho fiantraikan’ny fahitan’ny olona ny andian-teny hoe “Hamasinina ho an’i Jehovah” eo amin’ny zavatra fampiasa andavanandro? Inona no fiantraikan’izany andian-teny izany amintsika rehefa mahita izany any amin’ireo tempoly isika amin’izao vaninandro izao? Azon’ny olona ao amin’ny kilasy atao avy eo ny mamaky ny Zakaria 1:1–6; 3:1–7; 7:8–10; 8:16–17 ary mifanakalo hevitra momba ny zavatra nianarany momba ny hevitry ny hoe masina. Nahoana ny fahamasinantsika manokana no manan-danja amin’ny Tompo? Ahoana no anampiany antsika ho lasa masina?

  • Azon’ny olona ao amin’ny kilasy atao ny mamaky indray ny Zakaria 2:10–11; 8:1–8; 14:9–11, 20–21 ary mizara ny fahatsapany momba ny hoe mety hanao ahoana izany hoe miaina miaraka amin’ny Mpamonjy ao amin’ny toetry ny fahamasinana izany. Ahoana no anomanan’ny Tompo antsika hiaina ao amin’ireo toetoetra nofariparitan’i Zakaria? Ahoana no fomba hahazoantsika ny heriny mba hanampiana antsika ho lasa masina kokoa?

Sary
Ilay fidiran’i Jesoa tamim-boninahitra tao Jerosalema

“Indro ny Mpanjakanao avy ho anao; Marina Izy sady manam-pamonjena, malemy fanahy sady mitaingina boriky” (Zakaria 9:9). Triumphal Entry (Fidirana amim-boninahitra), nataon’i Harry Anderson

Zakaria 9:9–11; 11:12–13; 12:10; 13:6–7

I Jesoa Kristy no ilay Mesia nampanantenaina.

  • Mba hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy hahita ny fifandraisana eo amin’ny tenin’i Zakaria sy ny fiainan’ny Mpamonjy, tahaka ny nahitan’ireo olona tamin’ny andron’i Jesoa izany, dia azonao zaraina ho vondrona roa ny kilasy. Ampandraiketo ny olona ao amin’ny vondrona voalohany ny iray amin’ireto andalan-tsoratra masina ireto: Zakaria 9:9–11; 11:12–13; 12:10; 13:6–7. Ampandraiketo ny olona ao amin’ilay vondrona hafa ny iray amin’ireto andalan-tsoratra masina ireto: Matio 21:1–11; 26:14–16; 26:31; Jaona 19:37. Ny olona tsirairay ao amin’ny kilasy dia afaka manandrana mitady ny olona ao amin’ilay vondrona hafa izay manana ny andalan-tsoratra masina mifanojo amin’ny azy. Inona no zavatra ianarantsika momba ny Mpamonjy avy amin’ireo andininy ireo?

  • Mba hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy hisaintsaina ny Zakaria 9:9–11, dia azonao aseho ny sarin’ny fidiran’ny Mpamonjy tamim-boninahitra tao Jerosalema (jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana). Na asehoy ilay horonan-tsary hoe “The Lord’s Triumphal Entry into Jerusalem” (ChurchofJesusChrist.org). Azon’ny olona ao amin’ny kilasy atao ny miresadresaka momba ny hoe mety nanao ahoana izany hoe isan’ny vahoaka nandray an’i Jesoa tao amin’ilay tanàna izany. Ahoana no andraisantsika Azy eo amin’ny fiainantsika, ny tokan-tranontsika, ary ny fiarahamonina misy antsika?

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

“Hevero ny lalanareo.”

Rehefa avy nindrana ny teny ao amin’ny Hagay 1:4–7 ny Loholona Terence M. Vinson, dia nampianatra izy hoe:

“Afaka mahatsapa fifaliana maharitra isika rehefa lasa ny Mpamonjy sy ny filazantsarany no rafitra hanorenantsika ny fiainantsika. Saingy mora foana ny mety hahalasa ireo zavatra araka izao tontolo izao ho rafitra hanorenantsika ny fiainantsika, ka ny filazantsara dia lasa zavatra fanampiny fotsiny, na koa hoe fanatrehana fotoam-bavaka any am-piangonana mandritra ny adiny roa amin’ny andro alahady fotsiny. Rehefa izay no mitranga dia lasa mitovy tanteraka amin’ilay hoe mametraka ny karamantsika -an-kitapo loaka- isika.

“Milaza amintsika i Hagay ny mba hanolorantsika tena.…

“Tsy misy harena, fialam-boly, toerana, tambajotran-tserasera, jeu vidéo, fanatanjahan-tena, fahafantarana olo-malaza, na zavatra hafa eto ambonin’ny tany ka sarobidy kokoa noho ny fiainana mandrakizay. Ny torohevitry ny Tompo ho an’ny olona tsirairay avy araka izany dia ilay hoe -Hevero ny lalanareo-” (“Tena mpianatry ny Mpamonjy,” Liahona, nôv. 2019, 9,11).

Manatsara ny fampianarantsika

Mihainoa. Fihetsika maneho fitiavana ny fihainoana. Fomba iray ahafahana mihaino tsara ny mijery ny olona miresaka. Izany dia hamela anao hahatsikaritra ireo fifandraisana aseho tsy amin’ny alalan’ny teny. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 34.)

Hamoaka printy