Testamenta Taloha 2022
12–18 desambra. Malakia: “Efa tia anareo Aho, hoy Jehovah”


“12–18 desambra. Malakia: -Efa tia anareo Aho, hoy Jehovah,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“12–18 desambra. Malakia,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2022

Sary
Ilay sarivongana Christus

12–18 desambra

Malakia

“Efa tia anareo Aho, hoy Jehovah”

Mety ho tena manan-danja manokana ny hianaran’ny kilasinao ireo hafatra sasany ao amin’ny Malakia. Rehefa mandalina ianao dia mivavaha mba hahafantarana hoe inona ireo hafatra ireo. Ny fanaovana izany dia hanampy anao hahatsapa ny fitiavana ananan’ny Tompo ho an’ireo izay ampianarinao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Azonao atao ny manomboka ny fifanakalozan-kevitra momba ny bokin’i Malakia amin’ny fanoratana ny teny hoe Hafatra eny amin’ny solaitrabe. Amporisiho ny mpianatra hizara hafatra manan-danja izay hitany isaky ny toko ao amin’ny Malakia. Mba hanampiana ny mpianatra hahatsiaro sy hisaintsaina ny zavatra nozaraina dia azonao atao ny manoratra ireo hafatra ireo eny amin’ny solaitrabe.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Malakia 1:6–14

Mangataka “fanatitra madio” ny Tompo.

  • Mba hamporisihana ny mpianatra hizara ny zavatra nianarany tao amin’ny Malakia 1:6–14 dia azonao asaina izy ireo hamerina hijery mangina ireo andininy ireo ary hifanakalo hevitra amin’ny mpianatra hafa momba ny zavatra tsy takatr’ireo mpisorona Isiraelita mikasika ny fanatitra. Nahoana ny Tompo no mangataka ny tsara indrindra amintsika? Ny mpianatra dia afaka manao ny lisitr’ireo fanatitra, na fahafoizan-tena izay ataontsika ho an’ny Tompo ankehitriny. Ho an’ny singa tsirairay ao amin’ilay lisitra, dia azon’izy ireo atao ny mifanakalo hevitra momba izay mety hahatonga azy io ho “maloto” na “madio” (Malakia 1:7,11).

Malakia 3-4

Ireo faminanian’i Malakia dia ho tanteraka amin’ny andro farany.

  • Azonao atao ny manomboka ny fifanakalozan-kevitra momba ny Malakia 3–4 amin’ny fanasongadinana fa nizara andininy avy tamin’ireo toko ireo i Môrônia rehefa niseho tamin’i Joseph Smith izy (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:36–39). Inona avy ireo fahamarinana ao amin’ireo toko ireo izay tsapan’ny mpianatra fa mety ho manan-danja tokoa ny hahafantaran’i Joseph, sy hahafantarantsika, izany? Afaka miditra anaty vondrona kely ny mpianatra ary mitanisa fahamarinana betsaka araka izay tratran’izy ireo. Amporisiho ireo vondrona hizara ny lisitra nataon’izy ireo ary hiresaka ny antony maha-zava-dehibe ireo fahamarinana ireo amin’ny andro farany.

Malakia 3:8–12

Manokatra ny varavaran’ny lanitra ny Tompo rehefa mandoa ny fahafolonkarenantsika isika.

  • Mba hamporisihana ny mpianatra hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny lalàn’ny fahafolonkarena dia azonao atao ny manasa azy ireo hitady fitsipika ao amin’ny Malakia 3:8–12 ary hizara ny fomba nahafantaran’izy ireo fa marina ireo fitsipika ireo. Afaka miresaka momba ny fomba nitahian’ny Tompo azy ireo—ara-panahy sy ara-batana—tamin’ny fandoavana fahafolonkarena izy ireo. Na azon’izy ireo atao ny mifanakalo hevitra ny amin’ireo lesona momba ny fahafolonkarena izay nozarain’ny Loholona David A . Bednar tao amin’ilay hafany hoe “Ny varavaran’ny lanitra” (Liahona, nôv. 2013, 17–20) ary mizara ny zavatra nianarany rehefa niezaka ny hiaina izany lalàna izany izy ireo.

  • Angataho ny mpianatra hamaky mangina ny Malakia 3:8–12 sady hisaintsainana ny fomba mety hampianaran’izy ireo olona iray ny antony angatahan’ny Tompo antsika mba handoa fahafolonkarena. Azonao vakina ihany koa ilay teny nataon’ny Filoha Gordon B. Hinckley ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.” Inona no tiantsika ho takatry ny hafa momba ny fahafolonkarena? Ohatra, inona no dikan’ny hoe mandoa fahafolonkarena? Nahoana no tian’ny Tompo hanao izany isika? Misokatra amin’ny fomba ahoana ny “varavaran’ny lanitra” (andininy 10) rehefa mandoa fahafolonkarena isika? Inona no olana mety hananan’ny olona iray momba ny fandoavana fahafolonkarena, ary ahoana no hamaliantsika izany? Angataho ny mpianatra hizara ny fomba nanamafisan’ny fitandremana io didy io ny finoany ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Sary
I Elia niseho tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery tao amin’ny Tempolin’i Kirtland

Sary maneho an’i Elia niseho tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery tao amin’ny Tempolin’i Kirtland, nataon’i Robert T. Barrett

Malakia 3:23–24

“Izaho haniraka an’i Elia mpaminany ho aminareo.”

  • Afaka mahazo hevi-baovao momba ny Malakia 3:23–24 ny mpianatra amin’ny alalan’ny fampitahana ireo andinina ireo amin’ny fomba nitanisan’i Môrônia izany tamin’i Joseph Smith ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:38–39. (Mety hanampy ny mangataka olona iray hanoratra ny andiany tsirairay mifanila eo amin’ny solaitrabe.) Manampy inona amin’ny fahatakarantsika ireo andininy ao amin’ny Malakia ny tenin’i Môrônia? Azonao atao koa ny mifanakalo hevitra momba ny fanontaniana toy ireto: Iza ireo “ray”? (jereo Deoteronomia 29:13). Ahoana no itodihan’ny fontsika amin’ny raintsika, ary ahoana no hitodihan’ny fon’izy ireo amintsika? Mba hanampiana ny mpianatrao hahatakatra ny fomba nahatanterahan’ny faminanian’i Malakia dia afaka mamaky momba ny fotoana nanoloran’i Elia ireo fanalahidin’ny famehezana tamin’i Joseph Smith izy ireo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:13–16). Nahoana ny mpianatra no feno fankasitrahana fa tafaverina amin’ny laoniny ireo fanalahidy ireo?

  • Ny Malakia 3:23–24 dia manome fahafahana lehibe hiresahana momba ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana. Angamba afaka mizara zavatra niainany ny mpianatra eo am-panaovany io asa io sy ny fomba nanampian’ireny zavatra niainana ireny azy ireo hampitodika ny fony any amin’ireo rainy. Inona no azontsika atao hanampiana ny taranaka ho avy hampitodika ny fony amintsika?

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Resaka finoana ny fahafolonkarena.

Nilaza ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe: “Isika dia afaka mandoa ny fahafolonkarenantsika. Tsy dia resa-bola loatra ny fandoavana fahafolonkarena fa resaka finoana. Mbola tsy nahita mpandoa fahafolonkarena mahatoky aho izay tsy afaka mijoro ho vavolombelona fa amin’ny fomba tena ara-bakiteny sy mahatalanjona no nanokafana ny varavaran’ny lanitra ary nandrotsahana ny fitahiana teo aminy”(“Let Us Move This Work Forward,” Ensign, Nov. 1985,85).

Manatsara ny fampianarantsika

Zarao ireo olanao sy ny finoanao. Indraindray ny olona mandalo fitsapana dia mahatsiaro ho manirery. Mety ho azo atao tsara ny mizara tsindraindray ny zavatra niainana manokana momba ny fotoana iray nanananao olana sy ny fomba nanampian’ny Mpamonjy anao.

Hamoaka printy