Testamenta Taloha 2022
14–20 nôvambra. Amosa; Obadia: “Tadiavo ny Tompo, dia ho velona hianareo”


“14–20 nôvambra. Amosa; Obadia: -Tadiavo ny Tompo, dia ho velona hianareo-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta taloha 2022 (2021)

“14–20 nôvambra. Amosa; Obadia,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2022

Sary
endrik’i Jesoa hazavain’ny labozia ao anaty efitra maizina

Mofon’aina, nataon’i Chris Young

14–20 nôvambra

Amosa; Obadia

“Tadiavo ny Tompo, dia ho velona hianareo”

Rehefa mandalina ny Amosa sy Obadia ianao, dia henoy ireo fahatsapana momba izay tokony hampianarinao ny mpianatrao. Raketo an-tsoratra ireo eritreritra ireo ary mitadiava fahafahana hizarana izany ao amin’ny kilasinao mandritra ny alahady.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Tahaka ny nanomezan’i Amosa sy i Obadia fampitandremana ho an’ny vahoaka tamin’ny andron’izy ireo dia manome fampitandremana ho antsika koa ny tenin’izy ireo ankehitriny. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hizara fampianarana avy ao amin’ny Amosa sy Obadia izay azo ampiharina amintsika.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Amosa 3:7–8; 7:10–15

Manambara fahamarinana amin’ny alalan’ireo mpaminaniny ny Tompo.

  • Asao ny mpianatra hizara fahamarinana momba ny mpaminany izay hitany tao amin’ny fandalinany manokana na fandalinan’ny mpianakavy momba ny Amosa 3 sy Amosa 7. Azonao atao ny manao ny lisitr’ireo valin-tenin’izy ireo eny amin’ny solaitrabe. Inona ireo fahamarinana hafa momba ny mpaminany fantatsika? Amporisiho ny mpianatra maromaro hizara ny fomba nahazoany fijoroana ho vavolombelona ny amin’ny anjara asa lehiben’ny mpaminany ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra.

  • Ahoana no fomba ahafahantsika mizara amin’ny namana iray ny antony maha-zava-dehibe ny fananana mpaminany amin’izao androntsika izao? Azonao atao ny mitanisa eny amin’ny solaitrabe ireo fanontaniana momba ny mpaminany mety hapetraky ny olona iray izay tsy mpikamban’ny Fiangonana. Ahoana no fomba hamaliantsika ny sasany amin’ireo fanontaniana ireo amin’ny alalan’ny fampiasana ny Amosa 3:7–8 sy 7:10–15?

  • Ahoana no nanampian’ny mpaminanin’ny andro farany antsika hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy?

Amosa 5; 8:11–12

Ny Apôstazia dia toy ny mosary noho ny hetaheta handre ny tenin’ny Tompo.

  • Mba hanombohana resadresaka iray momba ny mosary nofariparitan’i Amosa ao amin’ny Amosa 8:11–12 dia mety ho hitanao fa manampy ny fandinihana vetivety ny toe-panahin’ny olona nitoriany teny. Ahoana no nialan’ny Isiraelita tamin’ny Tompo? (jereo ohatra ny Amosa 2:6–8; 5:11–12). Nahoana no manampy ny fahalalana mikasika ny fianjeran’izy ireo? Afaka namaky ny Amosa 8:11–12 ny mpianatra avy eo ary miresaka ny antony mahatonga ny “mosary” sy ny “hetaheta” ho teny tsara ilazalazana ny toe-piainan’ireo izay miala amin’ny Tompo. Afaka mikaroka andininy ao amin’ny Amosa 5 izay afaka manampy antsika hisoroka ny apôstazia koa ny mpianatra (jereo ohatra ny andininy 4, 11–12, 14–15, 25–26).

  • Ny fahafantarana ny hanoanana ara-panahy miaraka amin’ny apôstazia dia manampy antsika hahatakatra ny fivokisana ara-panahy iainantsika amin’ny alalan’ny Famerenana amin’ny laoniny. Azonao atao ny manoratra fanontaniana vitsivitsy momba ny Apôstazia sy ny Famerenana amin’ny laoniny eny amin’ny solaitrabe, toy ny hoe Nahoana no nisy ny Apôstazia? Inona no fiantraikan’ny Apôstazia teo amin’ny zanak’ Andriamanitra? Inona no fiantraikan’ny Famerenana amin’ny laoniny? Amporisiho ny mpianatra hitady ny valin’ireo fanontaniana ireo sy ireo hafa amin’ny fampiasana loharanom-pahalalana toy izao manaraka izao: “Ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesosy Kristy” ao amin’ny toko faha-3 amin’ny Torio ny Filazantsarako ([2019], 36–39); ny lahatsoratra “Apôstazia” ao amin’ny Sujets de l’Évangile (topics.ChurchofJesusChrist.org); ary ny teny nindramina ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.” Asao ny mpianatra hiresaka momba ireo fahamarinana naverina tamin’ny laoniny tamin’izao androntsika izao izay manan-danja manokana ho azy ireo.

Sary
andian-jatovo mijoro eo anoloan’ny tempoly

Afaka ny ho tonga mpamonjy ao an-tendrombohitra Ziona isika amin’ny alalan’ny fanaovana ny asa atao any amin’ny tempoly sy tantaram-pianakaviana.

Obadia 1:21

“Ary hisy mpamonjy miakatra ho ao an-tendrombohitra Ziona”

  • Nahoana ilay andian-teny hoe “mpamonjy … ao an-tendrombohitra Ziona” (Obadia 1:21) no famaritana tsara ho antsika rehefa manao ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana isika? Ahoana no hanampian’ny asa ataontsika ho an’ireo razambentsika ao amin’ny tempoly antsika mba hahatsapa ho akaiky kokoa an’i Jesoa Kristy Mpamonjy? Ny mpianatra dia afaka mizara ny zavatra niainany vao haingana rehefa nanao asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana izy ireo.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Lesona avy tamin’ny lasa.

Nampianatra ny Filoha M. Russell Ballard hoe:

“Tao anatin’ireo taona vitsy voafaokan’ny Testamenta Vaovao … dia nitodi-damosina tamin’i Kristy sy ny Apôstôliny ny olona. Lehibe tokoa ny fahalavoana ka nahatonga izany ho antsoina hoe Apôstazia Lehibe, izay nitarika tsy fandrosoana sy tsy fahalalana naharitra taon-jato maro nantsoina hoe Vanim-potoan’ny Haizina.

“…Tian’ny Raintsika any An-danitra daholo ny zanany rehetra, ary tiany ny rehetra hahazo ny fitahiana avy amin’ny filazantsara eo amin’ny fiainan’izy ireo. Tsy hoe very ilay fahazavana ara-panahy satria nitodi-damosina an’ireo zanany Andriamanitra. Fa misy kosa ny fahamaizinana ara-panahy rehefa mitodi-damosina Aminy daholo ny zanany. Ny fahamaizinana ara-panahy dia vokatra voajanaharin’ny safidy ratsy ataon’ny tsirairay, sy ny fiaraha-monina, ny firenena ary ny sivilizasiôna iray manontolo. Efa voaporofo hatrany hatrany izany hatrizay. Iray amin’ireo lesona lehibe avy amin’izany fizotry ny tantara izany ny hoe ny safidintsika, na ataon’ny tena manokana io na atao miaraka, dia misy vokany ara-panahy eo amintsika sy ny taranatsika” (“Misintona lesona avy tamin’ny lasa,” Liahona, mey 2009,32).

Manatsara ny fampianarantsika

Ampio ny mpianatra hamantatra ny Fanahy Masina. “Rehefa entanin’ny Fanahy Masina ianao dia anontanio ny mpianatra ny zavatra tsapany sy ny tokony hataony. Ampio izy ireo hampiaraka ny fahatsapany ara-panahy amin’ny fitarihan’ny Fanahy Masina” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 11).

Hamoaka printy