Testamenta Taloha 2022
7–13 nôvambra. Hosea 1–6; 10–14; Joela: “Ho tia azy tsy vozonana Aho”


“7–13 nôvambra. Hosea 1–6; 10–14; Joela: -Ho tia azy tsy vozonana Aho,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“7–13 nôvambra. Hosea 1–6; 10–14; Joela,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2022

Sary
mpivady vao eo an-tokotanin’ny tempoly

7–13 nôvambra

Hosea 1–6; 10–14; Joela

“Ho tia aza tsy vozonana Aho”

Eo am-pandalinanao sy eo am-piomananao amin’ity herinandro ity dia diniho hoe inona amin’ireo hafatra kanto sy mankahery avy amin’ny bokin’i Hosea sy Joela no mety hanampy amin’ny fanomezana ny zavatra ilain’ireo izay ampianarinao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mba hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy hizara ny zavatra nianarany tamin’ity herinandro ity dia azonao asaina izy ireo hanoratra eo amin’ny solaitrabe ny teny na andian-teny iray nankahery azy ireo nandritra ny fandalinany. Dia azon’izy ireo zaraina avy eo ny antony maha-manan-danja an’izany teny na andian-teny izany amin’izy ireo. Ireo teny sy andian-teny ireo dia afaka mitarika ny tohin’ny fifanakalozan-kevitra ho ataonareo.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Hosea 1–3; 14

Manasa antsika foana mba hiverina Aminy ny Tompo.

  • Azonao atomboka ny fifanakalozan-kevitra momba ny Hosea 1–3 amin’ny fanoratana ny hoe fanambadiana eny amin’ny solaitrabe dia angataho ny olona ao amin’ny kilasy hanao lisitra ny teny izay ampifanarahany amin’ny hoe fanambadiana. Ahoana no itovian’ny fanaovana fanekempihavanana amin’ny Tompo amin’ny hoe miroso amin’ny fanambadiana? Ahoana no itovian’ny fandikana izany fanekempihavanana izany amin’ny hoe mivadi-pitokisana amin’ny vady? (jereo ny Hosea 2:5–7,13). Dia azon’ny iray kilasy atao avy eo ny miresaka momba ny fomba maha-tandindon’ny fifandraisana eo amin’ny Tompo sy ny olony ny fifandraisana teo amin’i Hosea sy i Gomera. Inona no ampianarin’ny Hosea 2:14–23 sy ny Hosea14 antsika momba ny fitiavana sy famindram-pon’ny Tompo? Ahoana no hanehoantsika amin’ny Tompo ny fitiavantsika sy ny tsy fivadihantsika Aminy?

  • Ny Hosea14 dia milazalaza fampanantenana tena tsara maro nataon’ny Tompo tamin’ny mpianakavin’i Isiraely raha toa ka miverina Aminy izy ireo. Azon’ny olona ao amin’ny kilasy atao tsara ny mamakafaka io toko io mba hahitana ireo fampanantenana ireo. Inona no zavatra notenenin’ny Tompo fa ho ataony? Inona no mety ho dikan’ilay andian-teny hoe “ho tia azy tsy vozonana”? (andininy 5). Inona no ampianarin’ireo fanoharana momba ny zava-maniry ao amin’ny andininy 6–9 antsika momba ny fitahian’ny Tompo ho antsika, ka tafiditra ao anatin’izany ny fitahian’ny fibebahana?

    Sary
    vehivavy mipetraka amin’ny tany miaraka amin’ny lehilahy mametraka ny tanany eo amin’ny lohany

    I Gomera mpanota, izay maneho an’i Isiraely dia nanoloran’ny Tompo fanavotana. Sary nataon’i Deb Minnard, nahazoana fahazoan-dalana avy amin’ny goodsalt.com

Hosea 6:6; Joela 2:12–13

Ny fanolorantena amin’ Andriamanitra dia tsy maintsy tsapa ao anaty, fa tsy aseho amin’ny endrika ivelany fotsiny.

  • Ny Hosea 6:6 sy Joela 2:12–13 dia miresaka fanaovana sorona biby sy fandrovitana akanjo ho mari-pamantarana ny nenina. Na dia tsy dia mahazatra loatra intsony aza ny fomba fanao toy izany ankehitriny dia afaka mitarika amina fifanakalozan-kevitra momba izay tena manan-danja indrindra amin’ny Tompo ireo andininy ireo. Afaka miara-mamaky ny Hosea 6:6 ary mifanakalo hevitra momba ny mety ho hevitr’io andininy io ianareo. Asao ny olona sasany ao amin’ny kilasy hamaky ny Matio 9:10–13 ary ny hafa hamaky ny Matio 12:1–8. Dia azon’ny olona ao amin’ny kilasy atao avy eo ny mifampianatra ny fomba hanampian’ireo zava-nitranga tamin’ny asa fanompoan’ny Mpamonjy ireo antsika mba hahatakatra ny fitsipika ampianarina ao amin’ny Hosea 6:6. Ahoana no ahafahantsika miaina io fitsipika io amin’izao vaninandro misy antsika izao?

    Azonareo atao ihany koa ny miara-mamaky ny Joela 2:12–13 dia mifanakalo hevitra momba ny mety ho hevitry ny hoe manatriatra ny fontsika fa tsy ny fitafiantsika fotsiny. Inona no ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny dikan’ny hoe mpianatr’i Jesoa Kristy tena izy?

Joela 3

“Handatsaka ny Fanahiko amin’ny nofo rehetra Aho.”

  • Ho fanombohana fifanakalozan-kevitra momba ny Joela 3, dia azonao zaraina amin’ny iray kilasy ny zavatra nolazain’i Môrônia momba io faminaniana io rehefa nitsidika an’i Joseph Smith tamin’ny 1823 izy (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:41). Azon’ny olona ao amin’ny kilasy atao ny mizara ny fahatsapany momba ny fahatanterahan’ireo faminaniana ao amin’ny Joela 3:1–5 ireo amin’izao androntsika izao. Azonareo ifanakalozana hevitra ihany koa ny ifandraisan’ny tenin’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” amin’ny faminanian’i Joela. Azon’ny olona ao amin’ny kilasy atao ny mifanakalo hevitra momba ny fahazoan’izy ireo manokana ny dikan’izany hoe mahatsapa fandatsahana ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainany andavanandro izany. Inona no azontsika atao raha toa ka mahatsapa isika fa tsy mahazo izany fandatsahana izany? Ahoana no ahafahantsika manampy ny “zanakalahin[tsika] sy ny zanakavavin[tsika]” handray izany? (andininy 1).

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

“Afaka miantehitra amin’ny Fanahy Masina mba hitarika antsika isika.”

Nampianatra ny Loholona David A. Bednar hoe:

“Matetika dia manao izay hahasarotra ny fahazoana fanambarana ho an’ny tenantsika manokana isika. Ny tiako holazaina amin’izany dia hoe, ilay fampanantenana avy amin’ny fanekempihavanana dia hoe rehefa manaja ny fanekempihavanantsika isika dia ananantsika mandrakariva miaraka amintsika ny Fanahy Masina. Kanefa rehefa miresaka momba izany isika dia raisintsika toy ireny hoe zavatra mahalana ireny ny fandrenesana ny feon’ny Tompo amin’ny alalan’ny Fanahiny. … Natao hiaraka amintsika amin’ny fotoana rehetra [ny Fanahy]. Tsy hoe isa-tsegondra, saingy raha manao ny tsara indrindra vitany ny olona iray—ary tsy voatery hoe tonga lafatra ianao—raha manao izay tsara indrindra vitantsika izaho sy ianao ary tsy nahavita fandikan-dalàna goavana isika dia afaka miantehitra amin’ny Fanahy Masina hitarika antsika isika.…

“… Toa mino isika fa ny Fanahy Masina dia fisehon-javatra lehibe sy tampoka, kanefa izany dia feo tony sy malefaka ary mitombo tsikelikely. Izany hoe tsy mila mamantatra ianao fa amin’ny fotoana andraisanao fanambarana dia mandray fanambarana ianao” (“Resadresaka tamin’ny Loholona David A. Bednar” [takariva hiarahana amin’ny Manampahefana Ambony, 7 feb. 2020], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org).

Manatsara ny fampianarantsika

Aoka handray olona tsara ianao. Ny mpianatra dia mila mahafantatra fa miahy azy ireo sy ny fivoarany ara-panahy ianao. Ny fomba tsara iray hampisehoana izany dia ny fandraisana azy ireo amin-kafanam-po rehefa tonga ao an-dakilasy izy ireo. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 15.)

Hamoaka printy