Testamenta Taloha 2022
4–10 jolay. 2 Mpanjaka 2–7: “Misy mpaminany tokoa ao amin’ny Isiraely”


“4–10 jolay. 2 Mpanjaka 2–7: -Misy mpaminany tokoa ao amin’ny Isiraely,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“4–10 jolay. 2 Mpanjaka 2–7,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2022

Sary
I Elisa mampiseho ireo kalesy afo amin’ny mpanompony

Sarin’i Elisa mampiseho ireo kalesy afo amin’ny mpanompony, © Review & Herald Publishing/licensed from goodsalt.com

4–10 jolay

2 Mpanjaka 2–7

“Misy mpaminany tokoa ao amin’ny Isiraely”

Eo am-piomananao hampianatra dia vakio ny 2 Mpanjaka 2–7, ka mikatsaha fitaomam-panahy ho an’ny fiainanao manokana. Rehefa izany dia mihainoa fanentanam-panahy momba ireo hafatra izay hitahy ireo mpianatrao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Omeo minitra vitsy ireo mpianatra hamerenana mijery ny soratra masina novakian’izy ireo tany an-trano mialoha ny hizarany ny fahatakarany avy tamin’ny fandalinany manokana ny soratra masina. Ezaho ny manome minitra vitsivitsy ho an’izany amin’ny fanombohan’ny kilasy; dia asao ny mpianatra avy eo hizara ny zavatra nianarany.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

2 Mpanjaka 2–6

Andriamanitra dia afaka manao fahagagana eo amin’ny fiainantsika.

  • Rehefa mifanakalo hevitra momba ireo fahagagana ao amin’ny 2 Mpanjaka 2–6 ianareo dia mety hanampy ny mangataka ny mpianatra hamaritra ilay teny hoe fahagagana. Azonao atao ny mizara ity fomba fijery avy tamin’ny Filoha Howard W. Hunter ity: “[Ny fahagagana] dia fisehoan’ny herin’ [Andriamanitra] izay tsy haintsika hazavaina na azontsika tanteraka. … Ireo famantarana sy fahagagana ireo dia niharihary indrindra tamin’ny fiainana sy ny asa fanompoan’i Jesoa Kristy, ilay Zanak’ Andriamanitra mihitsy. Fa na manaitra sy mahatalanjona aza izy ireny , ny fahagagana maro nataon’i Kristy dia taratry ny fahagagana lehibe kokoa izay nataon’ny Rainy talohany ary tohizany atao manodidina antsika rehetra. … Hisy fahagagana be dia be hatrany raha manana maso hahita sy sofina handrenesana isika” (“The God That Doest Wonders,” Ensign, May 1989, 15–16). Ahoana no anampian’ireo hevi-baovao ireo antsika hahita ny tanan’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika?

  • Azonao atao ny mangataka ny mpianatra hanao lisitra ny sasany amin’ireo fahagagana voalaza ao amin’ny 2 Mpanjaka 2–6. Inona no ianarantsika momba ny Tompo avy amin’ireo fahagagana ireo? Mety ho vonona hiresaka fahagagana—lehibe na kely—izay efa niainany na niainan’ny fianakaviany ihany koa ireo mpianatra. Ahoana no hamantarantsika tsara kokoa ny fahagagana ataon’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika—ao anatin’izany ireo izay tsy mitovy amin’izay nantenaintsika?

  • Mety ho hitan’ny mpianatra fa mitaona fanahy ny fampitahana ny sasany amin’ireo fahagagana nataon’i Elisa tamin’ny sasany izay nataon’i Jesoa Kristy (jereo ny 2 Mpanjaka 4:8–37 sy Lioka 7:11–16; 2 Mpanjaka 4:42–44 sy Jaona 6:1–13; 2 Mpanjaka 5:1–15 sy Lioka 17:11–19). Inona no ampianarin’ireo fahagagana ireo antsika momba ny Mpamonjy sy ireo mpaminaniny?

2 Mpanjaka 5:1–19

Raha manetry tena sy mankatò isika dia afaka manasitrana antsika i Jesoa Kristy.

  • Lesona iray azontsika ianarana avy amin’ny fanasitranana ny habokan’i Namàna ny maha-zava-dehibe ny fanetrentena. Hanombohana fifanakalozan-kevitra dia azonao atao ny manoratra eny amin’ny solaitrabe hoe Ny avonavon’i Namàna sy Ny fanetren-tenan’i Namàna. Afaka mamaky ny 2 Mpanjaka 5:1–19 ireo mpianatra ary manoratra andian-teny eny amin’ny solaitrabe izay maneho ny avonavona na ny fanetrentenan’i Namàna. Ahoana no itovizantsika amin’i Namàna indraindray? Ahoana no itovizantsika amin’ny mpanompony indraindray? Ahoana no nahalalantsika ny zavatra izay lasa fantatr’i Namàna?

  • Lesona iray hafa azontsika ianarana avy amin’io tantara io ihany koa ny lanjan’ny fankatoavana amin’ny zavatra bitika. Azonao atomboka amin’ny famakiana ny 2 Mpanjaka 5:9–12 ary manontany ny eritreritry ny mpianatra momba ny antony nahatonga an’i Namàna “lasa an-katezerana” (andininy 12). Nahoana no aleontsika manao “zavatra lehibe” angatahin’ Andriamanitra amintsika indraindray toy izay manao ireo zavatra tsotra? (andininy 13). Inona no lanjan’ny fanaovana ireo zavatra tsotra ireo?

2 Mpanjaka 6:8–23

“Ny momba antsika dia be noho ny momba azy.”

  • Efa samy nanana fotoana nahatsapantsika ho irery na matahotra isika rehetra. Diniho ny fomba mety hanampian’ny firesahana ilay tantara ao amin’ny 2 Mpanjaka 6:8–23 an’ireo mpianatra izay mahatsapa toy izany. Azonao atao ny manomboka amin’ny fanontanianao tsotra fotsiny ny mpianatra hoe inona no manaitra azy ireo momba ireo andininy ireo. Afaka mizara traikefa ihany koa izy ireo rehefa “nanokatra ny mason[izy ireo] ny Tompo” (andininy 17) ary nanampy azy ireo hahita fa tsy irery izy ireo (jereo ihany koa ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”). Ahoana no ahafahantsika mifanampy mba “tsy hatahotra”? (andininy 16).

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

“Sokafy ny masontsika ara-panahy.”

Raha niresaka momba ilay tantara ao amin’ny 2 Mpanjaka 6:8–23 ny Loholona Ronald A. Rasband dia nilaza hoe:

“Mety hanana na tsy hanana kalesy afo nalefa mba handroahana ireo tahotsika sy handresena ireo demony eo amintsika isika, kanefa mazava ilay lesona. Miaraka amintsika ny Tompo ary mieritreritra momba antsika sy mitahy antsika amin’ireo fomba izay Izy irery ihany no afaka manao izany. Ny vavaka dia afaka mampidina ilay tanjaka sy ilay fanambarana izay ilaintsika mba hampifotorana ny saintsika amin’i Jesoa Kristy sy ny sorona fanavotany. Fantatry ny Tompo fa hisy fotoana isika hatahotra. Efa nianjady tamiko ny fotoana toy izany. … Mety ho vitsy an’isa isika ato amin’ity Fiangonana ity raha amin’ny fomba hanisan’izao tontolo izao ny fitaomana, kanefa rehefa manokatra ny masontsika ara-panahy isika, dia -ny momba antsika dia be noho ny momba azy- [2 Mpanjaka 6:16]” (“Aza matahotra,” Liahona, nôv. 2018, 18–19).

Manatsara ny fampianarantsika

Ampitodiho amin’ny soratra masina ny mpianatra. Isaky ny afaka manao izany ianao dia amporisiho ny mpianatra hitady ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany velona mba hahazoana fitarihana, valiny amin’ny fanontaniana ary fanohanana. Ny tenin’ Andriamanitra no loharano lehibe indrindra hahazoana fahamarinana. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 21.)

Hamoaka printy