Testamenta Taloha 2022
18–24 jolay. Ezra 1; 3–7; Nehemia 2; 4–6; 8: “Asa lehibe no ataoko”


“18–24 jolay. Ezra 1; 3–7; Nehemia 2; 4–6; 8: -Asa lehibe no ataoko,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“18–24 jolay. Ezra 1; 3–7; Nehemia 2; 4–6; 8,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2022

Sary
tempolin’i Zerobabela

Sarin’ny tempolin’i Zerobabela, nataon’i Sam Lawlor

18–24 jolay

Ezra 1; 3–7; Nehemia 2; 4–6; 8

“Asa lehibe no ataoko”

Rehefa manasa ny olona ao amin’ny kilasinao ianao hizara ny zavatra nanaitra azy ireo tao amin’ny bokin’i Ezra sy i Nehemia, dia zarao ihany koa ireo fahatsapana azonao rehefa nandalina ianao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Indraindray ny fanoratana teny na andian-teny manan-danja eny amin’ny solaitrabe dia afaka mampahatsiahy ireo mpianatra ny zavatra nianarany avy tao amin’ny soratra masina sy hanamora ny fizaran’izy ireo. Ohatra, azonao atao ny manoratra eny amin’ny solaitrabe hoe Manorina indray, Manamboatra ary Manangana indray dia asao ny mpianatra hizara andininy avy amin’ny famakiany izay mifandray amin’ny iray na maromaro amin’ireo teny ireo.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Ezra 3:8–13; 6:16–22

Afaka mitondra fifaliana ho antsika ny tempoly.

  • Ny famakiana momba ny fifaliana tsapan’ny Jiosy rehefa namboarina indray ny tempolin’izy ireo dia afaka manampy ny mpianatra hahatsapa fankasitrahana bebe kokoa noho ireo tempoly amin’izao androntsika izao. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hamerina hijery ny Ezra 3:8–13 sy 6:16–22 ary hifanakalo hevitra momba ny fomba sasany nankalazan’ny Jiosy ny fananganana indray sy fitokanana ny tempoly avy eo. Nahoana no antony mendrika hankalazaina ny fananganana tempoly iray? Azonao atao ny manasa ny mpianatra hizara ny fomba hitondran’ny tempoly sy ny asa ataontsika any fifaliana ho azy ireo. Ny teny nambara ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia afaka mandrisika ny mpianatra hiaina ny hafaliana avy amin’ny asan’ny tempoly.

    Sary
    fianakaviana iray mandeha eo an-tokotanin’ny tempoly

    Afaka ny ho loharanom-pifaliana eo amin’ny fiainantsika ny tempoly.

Ezra 4–5; Nehemia 2; 4; 6

Afaka hanampy ny asan’ Andriamanitra handroso isika na eo aza ny fanoherana.

  • Ny bokin’i Ezra sy i Nehemia dia mamariparitra olona manatanteraka asa lehibe na eo aza ny fanoheran’ny fahavalony. Hanombohana fifanakalozan-kevitra dia azonao atao ny manontany ny mpianatra hoe inona no azo ampitahaina amin’ny “asa lehibe” nataon’i Nehemia (Nehemia 6:3) eo amin’ny fiainantsika. Inona no asa lehibe nomen’ Andriamanitra antsika? Avy eo dia azonareo atao ny mamaky ny Ezra 4:4 ary mifanakalo hevitra momba ny fiezahan’i Satana hampalemy ny tanantsika sy hanelingelina antsika amin’ny fanaovana ny asan’ Andriamanitra. Inona no ianarantsika avy amin’i Nehemia sy ireo mpiara-miasa taminy ao amin’ny Nehemia 2:18–20; 4:6-9; ary 6:1–3? Inona no dikan’ny hoe manana “saina hiasa” amin’ny fanompoana ny Mpamonjy? (Nehemia 4:6). Azonao atao ny mizara ampahany avy amin’ny hafatry ny Filoha Dieter F. Uchtdorf hoe “Nous avons un grand ouvrage à exécuter et nous ne pouvons descendre” (Liahona, Mai 2009, 59–62), indrindra fa ny fizarana roa farany.

  • Mety hahatsapa ho taomim-panahy ianao hitarika fifanakalozan-kevitra mampitaha ny ezaka nataon’i Zerobabela tamin’ny fananganana indray ny tempoly amin’ny ezaka ataontsika hanatrehana ny tempoly sy hanaovana asa famonjena any. Ohatra, azonao atao ny manoratra lohateny roa eo amin’ny solaitrabe: Zerobabela sy Isika. Eo ambanin’i Zerobabela, ny mpianatra dia afaka manoratra izay nataon’ny “fahavalon’ny Jodà sy ny Benjamina” (Ezra 4:1) mba hanakanana an’i Zerobabela sy ny vahoaka jiosy tsy hanangana indray ny tempoly (jereo ny Ezra 4). Eo ambanin’ny Isika, dia azon’ireo mpianatra atao ny mitanisa ireo fomba hiezahan’ny fahavalo manakana antsika tsy handeha any amin’ny tempoly. Afaka nifampizara hevitra izy ireo avy eo momba ny fomba ahafahantsika mitady ny fanampian’ny Tompo amin’ny fandresena izany fanoherana izany.

Nehemia 8:1–12

Mahazo fitahiana isika rehefa mandalina ny soratra masina.

  • Angamba azon’ny mpianatra atao ny miara-mamaky ny Nehemia 8:1–12 ary mifanakalo hevitra momba ny zavatra tsapan’i Ezra sy ny vahoakany momba an’ Andriamanitra sy ny teniny. Amporisiho ny mpianatra hitady andininy manokana izay mampiseho ny zavatra tsapan’izy ireo. Asao ny mpianatra hilaza ny zavatra tsapany momba ny tenin’ Andriamanitra. Ahoana no fomba hanatsarantsika ny ezaka ataontsika amin’ny fandalinana ny tenin’ Andriamanitra?

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Iaino ny fifaliana avy amin’ny tempoly.

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

“Afaka ny hitaona ny fanahintsika mandritra ny tontolo andro ireo zavatra niainan’ny hafa momba ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana. Saingy tsy maintsy manao zavatra isika mba hahatsapantsika mivantana marina ilay fifaliana. Tiako ny hanolotra fanamby amin’ny tsirairay avy amintsika mba hahafahan’ny fahatsapana mahafinaritra avy amin’ity asa ity hitohy ary hitombo mihitsy aza. Manasa anareo aho mba hieritreritra ombam-bavaka ny karazana fahafoizantena, tsara kokoa raha fahafoizana fotoana, azonareo atao mba hanaovana asa atao any amin’ny tempoly sy tantaram-pianakaviana bebe kokoa amin’ity taona ity.

“Mandray anjara amin’ny asan’Ilay Andriamanitra Tsitoha isika. Velona Izy. I Jesoa no Kristy. Fiangonany ity. Zanany amin’ny alalan’ny fanekempihavana isika. Matoky antsika izy” (Russell M. Nelson sy Wendy W. Nelson, “Open the Heavens through Temple and Family History Work,” Ensign, Oct. 2017, 39).

Manatsara ny fampianarantsika

Ampandraiso anjara ny ray aman-drenin’ny zatovo. Raha mampianatra zatovo ianao dia zarao amin’ny ray aman-drenin’izy ireo ny zavatra ampianarinao. Afaka manampy anao hahatakatra ny filan’ny zatovo sy ny fomba hanampiana azy ireo izy ireo. Izany koa dia mety ho fomba tsara handrisihana ny fifanakalozan-kevitra ao amin’ny fianakaviana momba izay ianaran’ny zatovo ao an-dakilasy. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 27.)

Hamoaka printy