Testamenta Taloha 2022
9–15 mey. Nomery 11–14; 20–24: “Aza miodina amin’i Jehovah hianareo, ary aza matahotra”


“9–15 mey. Nomery 11–14; 20–24: -Aza miodina amin’i Jehovah hianareo, ary aza matahotra,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“9–15 mey. Nomery 11–14; 20–24,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2022

Sary
lohasaha foana

9–15 mey

Nomery 11–14; 20–24

“Aza miodina amin’i Jehovah hianareo, ary aza matahotra”

Iray amin’ireo fomba tsara indrindra hahalalana izay hifantohana mandritra ny fotoam-pianarana ny manontany ny mpianatra ny zavatra hitany fa manan-danja rehefa mandalina ny soratra masina izy ireo. Izany dia hanambara izay zava-dehibe amin’izy ireo sy izay vonona hianarany.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Indraindray ny hany ilaina mba hamporisihana ny mpianatra hizara ny fahatakarany avy amin’ny fandalinany dia ny fametrahana fanontaniana tsotra toy ny hoe “Inona no nampianarin’ny Fanahy Masina anao rehefa namaky ireo toko voatendry tamin’ity herinandro ity ianao?” Dia omeo fotoana izy ireo hisaintsainana ary hamaliana.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Nomery 12

Manafintohina ny Tompo ny fanoherana ny mpaminanin’ny Tompo.

  • Ny famakiana ny Nomery 12 dia afaka hanampy ny mpianatra hahatakatra ny maha-zava-doza ny fanoherana ny mpaminanin’ny Tompo. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hamaky izany toko izany ary hiresaka momba ny zavatra tsapan’ny Tompo momba ny mpanompony. Araka ny andininy 1–2, inona araka ny eritreritrao ny dikan’ny hoe manohitra ny mpaminanin’ny Tompo? Inona no loza ateraky ny fanaovana izany? Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fihetsik’i Mosesy sy ny Isiraelita ao amin’ny andininy 13 sy 15?

Nomery 12:3

“Ary Mosesy dia lehilahy tena nalemy fanahy”

  • Mety ho gaga ny olona sasany mamaky fa ny mpitarika matanjaka toa an’i Mosesy, izay nijoro teo anatrehan’i Farao ary nanao fahagagana mahatalanjona tamin’ny herin’ny Tompo, dia “nalemy fanahy” ihany koa. Azonao atao ny mampiasa ny Nomery 12:3 hanombohana fifanakalozan-kevitra momba ny atao hoe tena fahalemem-panahy. Azonao atao ny manondro ny famaritana amin’ny “Malemy fanahy, Fahalemem-panahy” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Ny iray kilasy dia afaka mitady izay maneho ny fahalemem-panahin’i Mosesy ao amin’ny Nomery 12.

  • Inona avy ireo porofo hafa amin’ny fahalemem-panahin’i Mosesy azontsika ianarana? (jereo, ohatra, ny Eksodosy 18:13–25; Nomery 11:26–29; Hebreo 11:24–27; Mosesy 1:10–11). Azonareo atao koa ny mamaky sy mifanakalo hevitra momba ny fomba nanehoan’ny Mpamonjy fahalemem-panahy (jereo ny Matio 11:29; 27:11–14; Lioka 22:41–42; Jaona 13:4–5). Inona no ampianarin’ny ohatr’i Mosesy sy ny an’ny Mpamonjy—na ny an’ny olona hafa fantatsika—momba ny fahalemem-panahy? Nahoana no tian’ Andriamanitra halemy fanahy isika?

Nomery 13–14

Raha manana finoana ny Tompo isika dia afaka manana fanantenana amin’ny ho avy.

  • Rehefa mifanakalo hevitra momba ny tantaran’ireo Isiraelita 12 nikaroka fampahalalana momba ny tany nampanantenaina sy nanome tatitra ianao, dia eritrereto ny hanontany ny mpianatrao ny fomba heverin’izy ireo fa azo ampiharana ity tantara ity amin’ny toe-javatra atrehan’izy ireo. Mba hanampiana dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hanao lisitra ireo zavatra ao amin’ny Nomery 13:23–33 izay azo ampitahaina amin’ny zavatra iray amin’ny fiainantsika. Ohatra, ny tany nampanantenaina dia mety maneho zavatra tian’ny Tompo hotontosaintsika, ny sampam-boaloboka dia mety ho fitahiana, ireo goavambe dia mety ho fanamby hatrehintsika, sns. Amporisiho ny mpianatra hizara ny zavatra tsapany fa mety tian’ny Tompo ianaran’izy ireo avy amin’ity tantara ity.

    Sary
    lehilahy mampiseho voankazo amin’i Mosesy

    Natahotra ny folo tamin’ireo mpitsikilo Isiraelita; Nanam-pinoana i Josoa sy i Kaleba. © Lifeway Collection/nahazoana lalana avy tamin’ny goodsalt.com

Nomery 21:4–9

Raha mijery an’i Jesoa Kristy amin’ny finoana isika dia afaka manasitrana antsika ara-panahy Izy.

  • Mba hanampiana ny mpianatra hiresaka momba ny tantara ao amin’ny Nomery 21:4–9 sy hampiorina ny finoan’izy ireo ny Mpamonjy dia azonao atao ny manoratra fanontaniana toy izao eny amin’ny solaitrabe: Maneho inona ilay menarana varahina? Mety haneho inona ny kaikitry ny menarana? Fa maninona ny olona sasany no tsy nety nijery ilay menarana varahina? Ahoana no fomba ahafahantsika “mijery” izany ankehitriny? Afaka mizara ny valiny hitany ny mpianatra rehefa namaky ny Nomery 21:4–9; 1 Nefia 17:40–41; Almà 33:18–22; ary Helamàna 8:13–15. Inona avy ireo zavatra tsotra sasany asain’ny Mpamonjy ataontsika mba handraisana ny fanasitranany? Nahoana no sarotra indraindray ny manao zavatra tsotra toy izany? (jereo ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” raha te hahita hevitra momba izany). Angamba afaka mizara ny fomba nahatonga ny herin’ny Mpamonjy teo amin’ny fiainan’izy ireo ny olona ao amin’ny kilasy.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

“Zava-madinika sy tsotra.”

Ny Loholona L. Whitney Clayton dia nitantara momba ny eveka iray izay nanoro hevitra ireo mpikamban’ny paroasy miatrika karazana fanamby sarotra teo amin’ny fiainan’izy ireo:

“Matetika ny toroheviny ho an’ny mpikamban’ny paroasy dia ny fifantohana amin’ireo asa tsotra fampiharana ny finoana tahaka ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna[,] … ny fandoavana fahafolon-karena, ary ny fanompoana amim-pahazotoana ao amin’ny Fiangonana. Matetika anefa dia valin-teny feno tsy fahatokiana no avalin’izy ireo azy: -… Inona no ifandraisan’ny iray amin’ireo zavatra ireo amin’ireo olana atrehako?-

“… Ireo izay manao ireo -zava-madinika sy tsotra- [Almà 37:6], amin’ny nahim-pony sy manatanteraka torak’izany koa ireo asa madinika, no homena finoana sy tanjaka izay mihoatra lavitra ny asa maneho fankatoavana vitany ary raha ny marina dia mety ho tena tsy misy ifandraisany amin’ireny mihitsy” (“Ataovy izay asainy ataonareo,” Liahona, mey 2017, 98).

Manatsara ny fampianarantsika

Mifantoha amin’ny manan-danja indrindra. Tsy ho vita ny miresaka momba ny tantara sy ny fitsipika rehetra. Araho ny Fanahy ary diniho ny zavatra ilain’ny olona ao am-pianarana rehefa manapa-kevitra ny amin’ny fomba handaniana ny fotoana ianao. Tadidio fa ny tokantrano fa tsy ny efitrano fianarana no ivon’ny fianarana ny filazantsara.

Hamoaka printy