Testamenta Taloha 2022
2–8 mey. Eksodosy 35–40; Levitikosy 1; 16; 19: “Fahamasinana ho an’ny Tompo”


“2–8 mey. Eksodosy 35–40; Levitikosy 1; 16; 19: -Fahamasinana ho an’ny Tompo,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“2–8 mey. Eksodosy 35–40; Levitikosy 1; 16; 19,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2022

Sary
Tempolin’i São Paulo Brésil

2–8 mey

Eksodosy 35–40; Levitikosy 1; 16; 19

“Fahamasinana ho an’ny Tompo”

Rehefa manana traikefa manan-danja amin’ny fandalinana ny soratra masina ianao dia ho afaka hampianatra sy hijoro ho vavolombelona rehefa mihaona amin’ny mpianatra mandritra ny alahady. Inona no azontsika atao mba hamporisihana ny hafa hanao tahaka izany koa?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Ireo toko amin’ny vakinteny amin’ity herinandro ity dia mampiasa tandindona hampianarana momba an’i Jesoa Kristy sy ny sorompanavotana nataony. Azonao atao ny manomboka ny fotoam-pianarana amin’ny fanasana ny mpianatra hanoratra na hanao sary eny amin’ny solaitrabe ny zavatra hitany tao amin’ny Eksodosy 35–40 na Levitikosy 1; 16; 19 izay nampianatra azy ireo momba ny Mpamonjy. Asao hiresaka ny zavatra nianarany izy ireo.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Eksodosy 35–40

Tian’ny Tompo ho tonga masina toa Azy isika.

  • Rehefa nandalina ny Eksodosy 35–40 ny mpianatra tamin’ity herinandro ity dia mety ho nisaintsaina ny fomba nampitodihan’ny olona tao amin’ny tabernakely fahiny ny sain’izy ireo tany amin’i Jesoa Kristy izy ireo. Raha toa nanao izany izy ireo dia ankaherezo hizara ny eritreriny. Ilay tabilao ao anatin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia afaka manampy. Azonao atao koa ny miresaka momba ny zavatra ampianarin’ireo tandindona mifandray amin’ny tabernakely ireo momba ny hoe lasa masina kokoa. Ahoana no anampian’i Jesoa Kristy antsika ho lasa masina kokoa?

  • Ho an’ny maro, ny hevitra hoe lasa masina kokoa dia toa tsy takatry ny saina. Ahoana no hanampianao ny mpianatra hahatakatra fa ny fahatongavana ho masina dia ao anatin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ho antsika? Azonareo atao ny miara-mamaky ny teny nataon’ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.” Inona no dikan’ny hoe lasa masina? Ahoana no hanampian’ny tempolintsika amin’ny andro farany sy ny asa ataontsika any mba hahatonga antsika ho masina kokoa? (jereo ihany koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:19–24; 109:6–26; 128:15–18). Azonao atao ny mangataka ny mpianatra hizara ny fomba nanampian’ireo zavatra ireo azy ireo—na ny olon-kafa fantany—ho lasa masina kokoa.

  • Ny tabernakelin’ny Isiraelita tany an’efitra dia misy fitoviana betsaka amin’ny tempolintsika amin’ny andro farany. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanao lisitra ireo zavatra nianarany momba ny tabernakely ao amin’ny Eksodosy 35–40 izay mampahatsiahy azy ireo ny zavatra iainantsika any amin’ny tempoly. Raha mila fanampiana izy ireo, dia azonao atao ny manondro azy ireo ny andininy ao amin’ny Eksodosy 40 izay milaza ny voaly, alitara, fitafiana masina, fanasana, ary fanosorana. Ahoana no anampian’ny tempoly antsika mba hanatona an’i Kristy? Inona no azontsika atao mba hampifantohana ny fotoantsika any amin’ny tempoly Aminy?

Levitikosy 1:1–9; 16

Amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia afaka ny ho voavela heloka isika.

  • Na dia toa hafahafa amintsika ankehitriny aza ny hevitra momba ny fanaovana sorona biby dia misy zavatra betsaka azontsika ianarana avy amin’ity fomba fanao ity momba ny sorom-panavotan’i Jesoa Kristy. Hanombohana fifanakalozan-kevitra dia azonao atao ny mampiseho ny sarin’ny Mpamonjy tao Getsemane sy eo amin’ny hazofijaliana (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 5657). Afaka mizara teny izay tsapany fa mifandraika amin’ny sorom-panavotan’i Jesoa Kristy ny mpianatra. Avy eo dia asao ny mpianatra hamerina hijery ny Levitikosy 1:1–9 na Levitikosy 16, izay mamaritra ny sorona biby, ary hitady ireo teny izay tsapan’izy ireo fa mifandraika amin’ny sorona nataon’ny Mpamonjy ihany koa. Ahoana no ahafahan’ireo sorona taloha ireo hanampy antsika hahatakatra bebe kokoa ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy? Afaka mihira fihirana momba ny Mpamonjy ny mpianatra ary mizara ny zavatra tsapany momba Azy.

    Sary
    olona fahiny mitondra fanomezana hananganana ny tabernakely

    Ny zanak’ Israely dia nanolotra fanatitra ho an’ny tabernakely “namporisihin’ny fony” (Eksodosy 35:5). Sary nataon’i Corbert Gauthier, © Lifeway Collection/nahazoana lalana avy tamin’ny goodsalt.com

  • Mety hanampy ny mpianatra ny mampitaha ny sorona takian’ny Tompo tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha sy ny sorona angatahiny amintsika ankehitriny. Ohatra, izy ireo dia afaka mitanisa ireo fomba fanaovana fahafoizan-tena ho an’ny Tompo sy ny asany, toy ny fanompoana amin’ny antso, fandoavana fanatitra amin’ny fifadian-kanina, fanaovana ny tantaram-pianakaviana, na ny fifanompoana. Avy eo ianareo dia afaka miara-mamaky ny Levitikosy 1:1–9 ary manasa ny mpianatra hitady ireo singa amin’ireo fanatitra voalaza ao amin’ireo andininy ireo izay mety misy ifandraisany amin’ireo fanatitra angatahin’ny Tompo amintsika ankehitriny (jereo ny 3 Nefia 9:19–20; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:34). Inona no azontsika ianarana avy amin’ny Mosesy 5:7 momba ny fomba tokony hiheverantsika ireo sorona ataontsika ho an’ny asan’ny Tompo?

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Afaka manao izay hahatonga antsika ho masina Andriamanitra.

Nampianatra ny Filoha Henry B. Eyring hoe:

“Misy fahasambarana lehibe kokoa tonga amin’ny alalan’ny fahamasinan’ny tena bebe kokoa. … Ny soratra masina dia mampianatra antsika fa ankoatra ireo zavatra hafa dia afaka ny ho hamasinina na ho lasa masina kokoa isika rehefa mampihatra finoana an’i Kristy, mampiseho ny fankatoavantsika, mibebaka, mahafoy tena ho Azy, mandray ireo ôrdônansy masina, ary mitandrina ireo fanekempihavanantsika natao Taminy. …

“Ilay hira ao amin’ny fihirana -Ah, donne-moi, Père- [Cantiques, lah. 70] dia manolotra fomba iray hangatahana ao anatin’ny vavaka fanampiana mba ho lasa masina kokoa. Milaza amim-pahendrena ilay mpanoratra fa ilay fahamasinana katsahintsika dia fanomezana avy amin’ilay Andriamanitra be fitiavana, ka homena izany rehefa mandeha eny ny fotoana, rehefa nanao izay azontsika natao rehetra isika” (“Fahamasinana sy ny drafitry ny fahasambarana,” Liahona, nôv. 2019, 100–101, 103).

Manatsara ny fampianarantsika

Mampiasà hira masina. Afaka manamafy ireo fotopampianarana ao amin’ny soratra masina ireo hafatra ao anaty hira ao amin’ny fihirana. Ohatra, ny fihirana hira toy ny “Ah, donne-moi, Père” na “Endrey, mahagaga ahy” (Cantiques, lah. 70, sy Fihirana sy hiran’ny ankizy lah. 44) dia afaka manamafy ireo hafatra nampianarina tao amin’ny Levitikosy 16 sy 19.

Hamoaka printy