Testamenta Taloha 2022
24-30 janoary. Mosesy 7: “Ary ny Tompo dia niantso ny vahoakany hoe i Ziona”


“24-30 janoary. Mosesy 7: -Ary ny Tompo dia niantso ny vahoakany hoe i Ziona-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta taloha 2022 (2021)

“24-30 janoary. Mosesy 7,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2022

Sary
olona maro mifandray am-pitiavana

Love One Another (Mifankatiava Ianareo), nataon’i Emma Donaldson Taylor

24-30 janoary

Mosesy 7

“Ny Tompo dia niantso ny vahoakany hoe i Ziona”

Rehefa mandalina ny Mosesy 7ianao, eritrereto ireo olona ampianarinao sy ny fomba ahafahanap manampy azy ireo hahatakatra izay ampianarin’ity toko ity momba an’i Ziona ary koa ireo fitsipiky ny filazantsara hafa.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Indraindray fanontaniana tsotra sy minitra vitsivitsy hisaintsainana dia ampy hanampiana ny olona hizara izay nianarany tany an-trano. Angamba azonao omena fotoana fohy ny mpianatra hamerenana mijery ny Mosesy 7, hitady andininy izay mahatonga azy ireo hahatsapa fankasitrahana noho ireo fahamarinana naverina tamin’ny laoniny tao amin’ny bokin’i Mosesy, dia hizara izany avy eo.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Mosesy 7:16–21, 27, 53, 62–69

Afaka manorina an’i Ziona isika amin’ny androntsika.

  • Inona ny fomba tsara indrindra hampahafantarana ny foto-kevitr’i Ziona amin’ny kilasinao? Hevitra iray dia ny miantso mpianatra mandritra ny herinandro alohan’ny fotoam-pianarana ka manasa azy ireo hitondra zavatra avy any an-trano izay tsapany fa mampiseho ny toetoetry ny vahoakan’i Ziona, araka ny voafariparitra ao amin’ny Mosesy 7:18. Eo am-piarahanareo mandinika io andininy io, dia afaka manazava ny maha-manan-danja ilay zavatra noentiny ny mpianatra.

    Sary
    olona mifampiarahaba

    Tokony hiezaka “ho iray fo sy iray saina” isika (Mosesy 7:18).

  • Saintsaino ny hangataka ny mpianatra hieritreritra momba ireo fotoana nahatsapany firaisan-kina teo anivon’ny fianakaviany na nandritry ny fanompoana niaraka tamin’ny hafa tany am-piangonana na teo amin’ny fiarahamonina. Inona no nataon’ireo olona ireo hisian’ny firaisan-kina tao anatin’ireo toe-javatra ireo? Inona no azontsika hianarana momba an’i Ziona sy firaisan-kina avy ao amin’ny Mosesy 7? (jereo indrindra ny andininy 16–21, 27, 53, 62–69). Ireto misy andinin-tsoratra masina hafa vitsivitsy izay mety manampy: Filipiana 2:1–4; 4 Nefia 1:15–18; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:21; 105:5.

Mosesy 7:28–44

Mitomany ho an’ny zanany Andriamanitra.

  • Ny olona sasany dia mety mihevitra an’ Andriamanitra ho lavitra, tsy azo antonina, na koa tsy miraharaha. Ahoana no afahanao mampiasa ny fahitan’i Enoka hanampiana ny kilasinao hahatakatra fa mandray anjara amin’ny fiainantsika sy miahy antsika Andriamanitra. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hamaky ny Mosesy 7:28–44 ka hanao lisitra ireo antony sasany nampitomany an’ Andriamanitra. Inona noampianaran’ireo andininy ireo anao momba ny fahatsapan’ Andriamanitra momba ny zanany? Ireo teny natao ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia afaka manome hevitra fanampiny amin’ity fifanakalozan-kevitra ity.

  • Ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia manoro hevitra ny hisaintsainana izay ampianarin’ ny Mosesy 7:28–31, 35 momba an’ Andriamanitra. Ireo izay nanao an’izany tany an-trano dia mety ho vonona hizara ny eritreriny amin’ny kilasy. Na koa afaka manasa ny mpianatra ianao hisaintsaina ireo andinin-tsoratra masina ireo ka hifanakalo hevitra momba izany ao amin’ny fotoam-pianarana.

Mosesy 7:59–67

Ho avy indray ny Tompo amin’ny andro farany.

  • Ahoana ny ahafahanao manampy ny mpianatrao hahita fa ny Mosesy 7:59–67 dia mampianatra momba ny Fiavian’ny Tompo fanindroany? Angamba ianao afaka mitanisa fahamarinana na zava-nitranga roa na telo avy ao amin’ireo andininy ireo eny amin’ny solaitrabe ary mangataka ny mpianatra hamaky ireo andinin-tsoratra masina ka hanampy ilay lisitra. Nahoana no fitahiana no manana firaketana momba ny fahitan’i Enoka—iray amin’ireo faminaniana voalohany momba ny Fiaviana fanindroany?

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Mitomany ho an’ny zanany Andriamanitra.

Nampianatra ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe:

“Teo anivon’ny fahitana iray lehibe momba ny olombelona izay nisokafan’ny lanitra mba hahitany, raha nandinika ireo fitahiana sy ny zava-tsarotra amin’ny fiainana eto an-tany, i Enoka, dia nitodika tany amin’ny Ray ny fijeriny ary dia gaga nahita Azy nitomany. Hoy izy, sady gaga no talanjona, tamin’ity Olona mahery indrindra eo amin’ny tontolo rehetra ity: -Manao ahoana loatra re no dia afaka mitomany Ianao,?- …

“Raha nijery ny tranga saika ho amin’ny andro rehetra Andriamanitra dia mamaly Izy hoe: -Jereo ireto rahalahinao ireto; asan’ ny atanako ireo. … Ary nomeko … [a] ny didy izy fa tokony hifankatia izy ireo ary hifidy Ahy rainy; nefa indro tsy manam-pitiavana izy ireo ary mankahala ny iray ra aminy ihany. … Koa tsy hitomany va ny lanitra mahita fa hijaly ireo?- [Mosesy 7:29–33, 37].

“Izany tranga tokana sy mahaliana izany, dia mampisehomampianatra bebe kokoa ny tena toetran’ Andriamanitra noho izay mety ho fifanarahana ara-teolojika rehetra azo ambara. … Sary tsy voafafa ao an-tsaintsika momba ny fandraisan’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika tokoa anie izany! Halahelo tokoa ny an’ny ray aman-dreny rehefa tsy misafidy Azy na ny -filazantsaran’ Andriamanitra- nalefany ny zanany! [Romana 1:1]. Tena mora tokoa ny tia olona izay tena tia antsika manokana!” (“The Grandeur of God,” Liahona, Nov. 2003, 72).

Manatsara ny fampianarantsika

Amporisiho ny olona ao amin’ny kilasy handalina ny soratra masina any an-trano. Fomba iray azonao handrisihana ny fandalinana soratra masina any an-trano ny fanomezana fotoana an’ireo olona ao amin’ny kilasy hizara ireo zavatra hitany sy ireo hevi-baovao azony avy amin’ny fandalinany manokana sy ny fandalinan’ny mpianakavy. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 29.)

Hamoaka printy