Testamenta Taloha 2022
3-9 janoary. Genesisy 1-2; Mosesy 2-3; Abrahama 4-5: “Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany”


“3-9 janoary. Genesisy 1-2; Mosesy 2-3; Abrahama 4-5: “Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“3-9 janoary. Genesisy 1-2; Mosesy 2-3; Abrahama 4-5,” Avia, hanaraka Ahy-Ho an’ny Sekoly Alahady: 2022

Sary
sarin’ny tany sy ny volana

3-9 janoary

Genesisy 1-2; Mosesy 2-3; Abrahama 4-5

“Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany”

Mba hiomananao hampianatra, dia vakio sy saintsaino aloha ny Genesisy 1-2; sy ny Mosesy 2-3; ary ny Abrahama 4-5, dia raketo ireo zavatra tsapanao ara-panahy. Ny Avia, hanaraka Ahy-Ho an’ny Tsirairay sy ny Fianakaviana sy ireo hevitra etsy ambany dia hanampy anao hahatakatra sy hampianatra ny fotopampianarana ao amin’ireo toko ireo.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Andriamanitra dia namerimberina nilaza imbetsaka fa ireo zavatra nataony tamin’ny Fahariana dia “tsara” (jereo ny Mosesy 2:4, 10, 12, 18, 21, 25, 31). Asao ny mpiray kilasy hizara ireo zavatra tsara izay hitany rehefa namaky soratra masina any an-trano izy amin’ity herinandro ity. Inona ny tsara tamin’ny zavatra izay hitany?

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Genesisy 1; Mosesy 2; Abrahama 4

“Andriamanitra dia nahary ny lanitra sy ny tany.”

  • Mety nahatsikaritra fitovizana sy fahasamihafana teo amin’ireo fitantarana momba ny Fahariana ao amin’ny bokin’i Genesisy, Mosesy, ary Abrahama ny mpianatra. Amporisiho ny mpianatra hizara izay ampian’ny dikantenin’i Joseph Smith ao amin’ny Mosesy 2 amin’ny fahatakarantsika ny fitantarana momba ny Fahariana ao amin’ny Genesisy 1. Inona no hevi-baovao fanampiny azotsika avy ao amin’ny Abrahama 4? Hamelana olona maromaro kokoa hizara hevitra, dia azonao atao no mamporisika ny mpianatra hanao io fampitahana io tsiroaroa na ao anatin’ny vondron’olona vitsy. (Ireo andininy sasany izay manana fahasamihafana lehibe dia voatanisa ao amin’ny “Loharanom-pitaovana Fanampiny.”) Inona no tombony azontsika avy amin’ny fananana tantara maro? Inona no zavatra lazain’ireo tantara ireo mikasika izay tian’ Andriamanitra ho fantatsika momba ny Fahariana?

  • Rehefa nahary an’i Adama sy Eva Andriamanitra, dia nomeny fahefana hanjaka teo amin’ny tany sy ireo zavaboariny hafa izy ireo (jereo ny Genesisy 1:28; Mosesy 2:28; Abrahama 4:28). Ahoana no fomba hanampian’ny Fotompampianarana sy Fanekempihavanana 59:16–21 sy ny 104:13-18 antsika hahatakatra bebe kokoa ny dikan’ny manjaka ara-drariny eo amin’ny tany?

  • Andro vitsivitsy alohan’ny kilasy, dia azonao atao ny manasa olona ao amin’ny kilasy hitondra sary nalainy na hitany tao an-tranony izay mampahatsiahy azy ireo ny hatsaran’ny zavaboarin’ Andriamanitra. Ahoana ny fianarana momba ny zavaboarin’ Andriamanitra no hisy fiantraikany eo amin’ny fahatsapantsika momba Azy, sy momba antsika, ary momba ny tontolo? Ny mpianatra koa dia afaka mizara izay hafatra heveriny fa tian’ Andriamanitra holazaina amintsika amin’ireo fitantarana momba ny Fahariana ao amin’ny Genesisy 1; Mosesy 2; sy Abrahama 4. Ny fihirana na fihainoana hira momba ny Fahariana, toy ny “Pour la terre et sa beauté” (Cantiques, no. 43) dia afaka manampy ny mpianatra mahatsapa fankasitrahana noho ireo zavaboarin’ Andriamanitra.

    Sary
    lamba bemiray mampiseho ireo dingana samihafa eo amin’ny fahariana

    Creation (Fahariana), nataon’i Joan Hibbert Durtschi

Genesisy 1:26–28; Mosesy 2:26–28; Abrahama 4:26–28

Nohariana araka ny endrik’ Andriamanitra isika.

  • Nahoana no zava-dehibe ho antsika ny mahatakatra fa nohariana araka ny endrik’ Andriamanitra isika? Ahoana no fomba ahafahanao manampy ny mpianatra hisaintsaina io fahamarinana io? Afaka mamaky ny Genesisy 1:26–28; Mosesy 2:26–28; Abrahama 4:26–28 izy ireo; na ny andiam-pehezan-teny faharoa ao amin’ny ’Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” (ChurchofJesusChrist.org). Inona no fiantraikan’io fahamarinana io eo amin’ny fomba fahitantsika ny tenantsika, sy ny hafa, ary an’ Andriamanitra? Afaka mahita hevitra fanampiny ny mpianatra ao amin’ireo fihirana toy ny “O Ry Ray” na “Zanaky ny Ray aho” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 84, 113).

  • Nijoro ho vavolombelona ny Filoha Russell M. Nelson momba ny vatan’olombelona mahagaga (jereo ny “Isaorana anie Andriamanitra,” Liahona, mey 2012, 77–80). Iaraho mamaky ny Genesisy 1:26–28; Mosesy 2:26–28; na Abrahama 4:26–28. Mampiorim-paka ny fankasitrahantsika noho ireo fahamarinana ao amin’ireo andininy ireo amin’ny fomba ahoana ny fijoroana ho vavolombelona nataon’ny Filoha Nelson?

Genesisy 1:27–28; Mosesy 3:18, 21–25; Abrahama 5:14–19

Ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia tendrin’ Andriamanitra.

  • Fijery maro momba ny fanambadiana eto amin’izao tontolo ankehitriny izao no tsy mitovy amin’ny fahamarinana mandrakizay. Hanampiana ny kilasinao hianatra momba ny fijerin’ Andriamanitra ny fanambadiana, dia azonao hatao ny manasa azy ireo hamaky ny Genesisy 1:27–28; Mosesy 3:18, 21–25; na ny Abrahama 5:14–19 ary hitanisa ireo fahamarinana izay hitany eo amin’ny solaitrabe. Azony atao koa ny manampy eo amin’ny lisitra hananay nataony ireo fahamarinana hitany ao amin’ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” (ChurchofJesusChrist.org). Nahoana no manan-danja amintsika ireo fahamarinana ireo?

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Mampitaha ireo tantara momba ny Fahariana.

Genesisy

Mosesy

Abrahama

Genesisy

Genesisy 1:1

Mosesy

Mosesy 2:1

Abrahama

Abrahama 4:1

Genesisy

Genesisy 1:16

Mosesy

Mosesy 2:16

Abrahama

Abrahama 4:16

Genesisy

Genesisy 1:26–27

Mosesy

Mosesy 2:26–27

Abrahama

Abrahama 4:26–27

Genesisy

Genesisy 1:30

Mosesy

Mosesy 2:30

Abrahama

Abrahama 4:30

Genesisy

Genesisy 2:5

Mosesy

Mosesy 3:5

Abrahama

Abrahama 4:30

Genesisy

Genesisy 2:5

Mosesy

Mosesy 3:5

Abrahama

Abrahama 5:5

Genesisy

Genesisy 2:7

Mosesy

Mosesy 3:7

Abrahama

Abrahama 5:7

Genesisy

Genesisy 2:9

Mosesy

Mosesy 3:9

Abrahama

Abrahama 5:9

Genesisy

Genesisy 2:17–19

Mosesy

Mosesy 3:17–19

Abrahama

Abrahama 5:13–14

Manatsara ny fampianarantsika

Ampio ny mpianatra mba hampitaha ny soratra masina amin’ny tenan’izy ireo. “Afaka manampy an’ireo izay ampianarinao hiatrika ireo olana amin’izao fotoana izao ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara ireo, izay nanentana ny fanahin’i Abrahama, i Estera, i Lehia, ary i Joseph Smith” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 21). Amporisiho ny mpianatra ampihatra ny fitsipika izay hitany ao amin’ny soratra masina amin’ny toe-javatra iainany manokana.

Hamoaka printy