Testamenta Taloha 2022
10–16 janoary. Genesisy 3–4; Mosesy 4–5: Ny Fahalavoan’i Adama sy Eva


“10–16 janoary. Genesisy 3–4; Mosesy 4–5: Ny Fahalavoan’i Adama sy Eva,” Avia, hanaraka Ahy–Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“10–16 janoary. Genesisy 3–4; Mosesy 4–5,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2022

Sary
Adama sy Eva miara-mamindra

Adam and Eve (I Adama sy Eva), nataon’i Douglas Fryer

10–16 janoary

Genesisy 3–4; Mosesy 4–5

Ny Fahalavoan’i Adama sy Eva

Eo am-piomananao hampianatra momba ny Genesisy 3–4 sy ny Mosesy 4–5, dia eritrereto ireo fanontaniana na atrikasa izay mety hanampy ny mpianatra hahatakatra kokoa ny Fahalavoan’i Adama sy Eva.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Ny mpianatra dia afaka manao famerenana fohy ny Genesisy 3–4 na ny Mosesy 4–5, dia hisafidy andininy iray izay nanaitra azy, ary hizara izany amin’izay olona mipetraka eo akaikiny. Dia afaka hizara hevitra iray amin’ny iray kilasy ny mpianatra vitsivitsy avy eo.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Mosesy 4:1–13; 5:1–12

Mila fahafahana misafidy sy fifanoherana isika mba ahafahana mitombo.

  • Satria ny fahafahana misafidy—ny zo nomen’ Andriamanitra hanaovana safidy—dia tena ampahany fototra eo amin’ny fiainana eto an-tany, dia hamaivanintsika izany indraindray. Mba hampiorenam-paka ny fankasitrahan’ny mpianatra io fanomezana io, dia afaka mamaky sy mifanakalo hevitra ny Mosesy 4:1–4izy ireo. Inona no ampianarin’ireo andinin-tsoratra masina ireo mikasika ny maha-manan-danja ny fahafahana misafidy? Nahoana no ho rava ny drafitr’ Andriamanitra raha tsy nanana fahafahana misafidy isika? Ireo teny natao hita ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia mety hanolotra hevitra vitsivitsy.

  • Nahoana ny Ray any An-danitra no mamela antsika hiaina “fifanoherana amin’ny zava-drehetra”? (jereo ny 2 Nefia 2:11–16). Azonao atao ny manasa mpianatra iray hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:39–40 ary hifanakalo hevitra ny antony ilana ireo fakam-panahin’i Satana ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra. Ahoana no fomba hanampian’ ny Ray Any an-danitra sy i Jesoa Kristy antsika rehefa miatrika fakam-panahy isika?

    Sary
    Eva mihazona voankazo

    Leaving Eden (Mandao an’i Edena), nataon’i Annie Henrie Nader

Mosesy 4:4–12; 5:13–33

I Satana dia mitady ny “hamitaka sy hanajamba” antsika.

  • Ny Mosesy 4:4–12; 5:13–33 dia afaka manampy ny mpianatrao hahita ireo fomba samihafa izay ampiasain’i Satana hakana fanahy antsika hanao ratsy. Asao ny antsasaky ny kilasy hamaky ny Mosesy 4:4–12 ary ilay antsasany iray hafa hamaky ny Mosesy 5:13, 18–33. Eo am-pamakian’izy ireo dia azony atao ny mitanisa ireo fomba niezahan’i Satana nakana fanahy an’i Adama sy Eva ary ny zanan’izy ireo. Ahoana no hiezahany manao ireo zavatra ireo ankehitriny? Ahoana ny fomba ahafahan’ny Ray any An-danitra manampy antsika hanohitra ireo famitahan’i Satana?

Genesisy 3:1–7; Mosesy 4:22–31; 5:4–15

Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia manome fanantenana sy fanavotana amin’ny Fahalavoana.

  • Arakaraka ny ahatakarantsika ireo vokatry ny Fahalavoana no hankasitrahantsika bebe kokoa ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Ny mpianatra dia afaka mitady ireo vokatry ny Fahalavoana ao amin’ny Genesisy 3:1–7; Mosesy 4:22–31 ary mitanisa izay hitany eo amin’ny solaitrabe. Afaka mamaky ao amin’ny Mosesy 5:4–12, 14–15 koa izy ireo hianarana ny drafitr’ Andriamanitra mba hanavotana antsika amin’ireo vokatra ireo (jereo koa ny 2 Nefia 2:19–25; Almà 12:22–34) ary hitanisa izay hitany eo amin’ny solaitrabe. Azony hatao koa ny mizara momba izay manaitra azy ireo tamin’ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Adama sy i Eva momba an’i Jesoa Kristy izay hita ao amin’ny andininy 10–12. Inona ny zavatra tsapantsika momba ny drafitr’ Andriamanitra rehefa avy namaky an’ireo soratra masina ireo?

  • Ny tantara feno fanantenana sy fanavotana an’i Adama sy i Eva dia afaka mankahery ny mpianatra rehefa sarotra ny fiainana. Eritrereto ny fanasana azy ireo hitady ireo teny sy andian-teny ao amin’ny Mosesy 5:7–12 izay maneho ny fanantenana tsapan’i Adama sy i Eva rehefa fantatr’izy ireo fa afaka manavotra azy ny Tompo. Oviana isika no nahatsapa fanantenana mitovy tamin’ny tsapan’i Adama sy i Eva? Eritrereto ny hanasa ny mpianatra hizara ireo hira tiany indrindra ao amin’ny fihirana izay maneho ny fanantenana azo avy amin’ny sorompanavotan’ny Mpamonjy. Afaka miara-mihira ny vitsivitsy amin’ireo ianareo.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Afaka misafidy ho an’ny tenantsika isika.

Ny Loholona Dale G. Renlund dia nampianatra hoe:

“Ny tanjon’ny Raintsika any An-danitra eo amin’ny fitaizana dia tsy ny hanao izay hahatonga an’ireo Zanany hanao ny marina; fa ny hanao izay hahatonga an’ireo Zanany hisafidy hanao ny marina ary ho tonga tahaka Azy amin’ny farany. Raha izay hahatonga antsika hankatò fotsiny no tiany, dia ho nampiasa valisoa sy sazy mihatra eo no ho eo Izy mba hanovana ny fihetsitsika.

“Saingy tsy mahaliana an’ Andriamanitra ny hoe lasa -biby ompiana- voabaiko sy mpankatò fotsiny ireo Zanany, izay tsy hanaikikaikitra ny kapany ao amin’ny trano fonenany any an-danitra. Tsia, fa tian’ Andriamanitra ireo zanany hivoatra ara-panahy sy hiaraka Aminy hanao ny Asany.” (“Misafidiana ianareo anio,” Liahona, nôv. 2018, 104).

Manatsara ny fampianarantsika

Ampitomboy ny fandraisana anjaran’ny mpianatra. Betsaka ny atikasa azon’ny iray kilasy hatao kilasy na ataon’ny vondrona kely, na atao tsiroaroa. Mampiasà fomba isan-karazany hamelana ny olona handray anjara, izay mety tsy afaka handray anjara amin’ireo fomba sasany. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 33–34.)

Hamoaka printy