Testamenta Taloha 2022
17-23 janoary. Genesisy 5; Mosesy 6: “Ampianaro malalaka amin’izany zavatra izany ny zanakao”


“17-23 janoary. Genesisy 5; Mosesy 6 -Ampianaro malalaka amin’izany zavatra izany ny zanakao,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“17-23 janoary. Genesisy 5; Mosesy 6,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2022

Sary
I Adama sy i Eva ivelan’ny Saha Edena

Better than Paradise (Tsara kokoa noho ny Paradisa), nataon’i Kendal Ray Johnson

17-23 janoary

Genesisy 5; Mosesy 6

“Ampianaro malalaka amin’izany zavatra izany ny zanakao”

Alohan’ny hamakinao izay mety ho fitaovana hoenti-mandalina fanampiny, dia vakio sy saintsaino ny Genesisy 5 sy ny Mosesy 6, ary raketo ireo zavatra ara-panahy tsapanao. Ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana sy ity rindran-damina ity dia afaka manome hevitra ho anao momba ny fomba hanampiana ireo izay ampianarinao mba hahita fahamarinana mifandray amin’izy ireo.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Ahoana no ahafahanao mamporisika ny mpianatra hizara ireo hevi-baovao sy ireo zavatra niainany rehefa nandalina ny Genesisy 5 sy ny Mosesy 6 izy ireo? Azonao soratana eo amin’ny solaitrabe ireo anarana hoe Adama sy Enoka dia asao ny mpianatra hanoratra zavatra izay natao na nampianarin’ny iray amin’ireo mpaminany ireo ka manan-danja ho azy ireo.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Mosesy 6:26–39

Miantso antsika manao ny asany ny Tompo na dia tsy mahay aza isika.

  • Tena mety efa nisy fotoana nahatsapan’ny olona iray ao amin’ny kilasinao—na mbola ahatsapany—fa tsy mahay ny andraikitra iray any an-tokantrano na any am-piangonana izy. Mba hampitombo ny finoan’ny mpianatra fa afaka manampy azy ireo ny Tompo, dia azonao atao ny manasa azy ireo hamaky ny zavatra niainan’i Enoka hita ao amin’ny Mosesy 6:26–39. Ahoana no fomba nanampian’ Andriamanitra an’i Enoka hanao ny asany na teo aza ireo tahotr’i Enoka? Angataho ny mpianatra hieritreritra momba ireo ohatra hafa amin’ireo olona izay naharesy ny fahalemeny ka nahavita ny asan’ny Tompo, na avy ao amin’ny soratra masina izany na teo amin’ny fiainany manokana. Inona avy ireo ohatra azontsika zaraina? (jereo koa ny Eksodosy 4:10–16; Jeremia 1:4–10; 2 Nefia 33:1–4; Etera 12:23–29).

  • Apôstôly sy mpaminany maro amin’izao andro maoderina izao no naneho ahiahy mitovy amin’ny an’i Enoka rehefa namariparitra izay tsapany rehefa nandray ny antsony izy ireo. Ny zavatra niainan’izy ireo dia afaka manatsara ny fahatakaran’ny mpianatra ny Mosesy 6:26–39. Saintsaino ny hamerina mijery ny lahateny iray nataon’ny mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo nantsoina vao haingana (ohatra: jereo ny fijoarana ho vavolombelon’ny Loholona Ronald A. Rasband, sy ny Loholona Gary E. Stevenson, ary ny Loholona Dale G. Renlund [Liahona, nôv. 2015, 89-94]). Asaivo zarain’ny mpianatra izay nanaitra azy ireo momba ireo ohatra ireo. Inona ny azontsika hianarana avy amin’ireo mpitarika ireo momba ny fahatsapantsika ho tsy mahay? Ilay teny nataon’ny Filoha Thomas S. Monson ao amin’ny “Loharanom-pitaovana Fanampiny” dia mety hanampy amin’ity fifanakalozan-kevitra ity koa.

Mosesy 6:48–65

Ny Finoana, ny fibebahana, ny batisa, sy ny fandraisana ny Fanahy Masina dia manomana antsika hiverina amin’ Andriamanitra.

  • Ny rindran-damina ho amin’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny isam-batan’olona sy ny fiankaviana dia manome soso-kevitra hamakiana ny Mosesy 6:48–62 hahitana izay tokon’ny fantatsika sy tokony ataontsika tsirairay mba ho voavotra. Angamba ny mpianatra dia afaka mizara izay mety ho hevi-baovao azony avy tamin’ny fandalinana tany an-tranony. Na koa azonareo atao ny miara-mifanakalo hevitra momba ny Mosesy 6:48–62 ao amin’ny kilazy. Inona no havalintsika ny olona iray izay manontany hoe nahoana ny finoana, ny fibebahana, ny batisa, ary ny fandraisana ny Fanahy Masina no ilaina? Ahoana no hamalian’ny Tompo io fanontaniana io ao amin’ny andininy 53–65, ary inona no hianarantsika avy amin’ny valinteniny?

    Sary
    fianakaviana mandalina ny soratra masina

    Tokony hampianatra ny filazantsara an’ny zanany ny ray aman-dreny.

Mosesy 6:51–63

“Ampianaro malalaka amin’izany zavatra izany ny zanakao.”

  • Ianarantsika ao amin’ny Mosesy 6:51–63 ny momba ireo fahamarinan’ny filazantsara izay nampianarin’ny Tompo an’i Adama ary nasainy nampianarinany taranaka hoavy. Angamba ny mpianatra dia afaka manao lisitra ireo fahamarinana ireo amin’ny alalan’ny fandalinana andiana andinin-tsoratra masina kelikely, toy ny andininy 51–52, 53–57, 58–60, 61–63. Nahaona ireo fahamarinana ireo no manan-danja ho an’ny taranaka vao misondrotra ankehitriny? Inona ny zavatra tianao ho fantatry ny tanora momba ny Mpamonjy avy amin’ireo andininy ireo? Mety ho vonona hizara hevitra na zavatra niainana ny mpianatra hifanampiana amin’ny fampianarana ireo fahamarinana ireo amin’ny fomba mahomby kokoa ho an’ny ankizy sy tanora. Inona koa no azontsika ianarana avy amin’ny toromariky ny Tompo amin’ny ray aman-dreny ao amin’ny Môzià 4:14–15 sy Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:25–28; 93:40–50?

  • Raha mampianatra zatovo ianao, dia azonao asaina izy ireo hizara ny fomba ahafahany manampy ny ray aman-dreniny amin’ny ezaka hataon’izy ireo hampianatra ny filazantsara ao an-tokantrano.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

“Izay antsoin’ny Tompo dia ataon’ny Tompo mendrika.”

Nampianatra ny Filoha Thomas S. Monson hoe: “Mety misy sasany aminareo izay efa saron-kenatra mihitsy na mihevitra ny tenanareo ho tsy sahaza ny antso iray ka tsy afaka manaiky izany. Tsarovy fa ity asa ity dia tsy anao sy ahy irery. Asan’ny Tompo izy ity, ary rehefa irahin’ny Tompo isika, dia tokony hahazo ny fanampian’ny Tompo. Tsarovy fa izay antsoin’ny Tompo, dia ataon’ny Tompo mendrika” (“Duty Calls,” Ensign, Mey 1996, 44).

Manatsara ny fampianarantsika

Ny Fanahy Masina no mpampianatra. Lehibe ny anjara asanao amin’ny maha-mpampianatra anao, tadidio anefa fa ny Fanahy Masina no tena mpampianatra. Ampio ny mpianatra hianatra avy amin’ny Fanahy ary hifampizara ny zavatra ianarany.

Hamoaka printy