Testamenta Taloha 2022
27 Desambra–2 Janoary. Mosesy 1; Abrahama 3: “Izao no Asako sy Voninahitro”


“27 Desambra–2 Janoary. Mosesy 1; Abrahama 3: -Izao no Asako sy Voninahitro,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“27 Desambra–2 Janoary. Mosesy 1; Abrahama 3,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2022

Sary
sarina kintana eny amin’ny habakabaka

27 Desambra–2 Janoary

Mosesy 1; Abrahama 3

“Izao no Asako sy Voninahitro”

Rehefa mamaky ny Mosesy 1 sy Abrahama 3 ianao, dia aoka ny sainao sy ny fonao hisokatra ho amin’ireo bitsika avy amin’ny Fanahy Masina. Izy no hampita eritreritra sy hevitra izay hanampy anao ho vonona hampianatra.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mety niaina zava-mahafinaritra ny mpianatrao raha namaky ny Mosesy 1 sy Abrahama 3 tany an-trano. Ahoana no fomba hanomezanao fahafahana ho an’ny mpianatra mba hizara ireo zavatra niainana ireo? Izany dia mety ho tsotra toy ny fametrahana fanontaniana toy ny hoe: Inona ny zavatra nanaitra anao rehefa namaky ny soratra masina ianao tamin’ity herinandro ity? Inona no nahatalanjona anao? Inona no nampijanona ka nampieritreritra anao? Inona no nanampy anao hahatsiaro ho akaiky kokoa an’ny Rainao any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Mosesy 1:1–10, 37–39; Abrahama 3:22–26

Amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra antsika, dia manana hoavy masina isika.

  • Ireo fahamarinana nambara tao amin’ny fahitan’i Mosesy sy Abrahama dia mety hisy fiantraikany mahery vaika eo amin’ny safidintsika sy ny fahaizantsika mandresy ireo zava-tsarotra eo amin’ny fiainana. Ahoana no ahafahanao manampy ny mpianatrao hahita ireo fahamarinana ireo ao amin’ny Mosesy 1 sy Abrahama 3? Ny hevitra iray amin’izany ny mizara ny mpianatra ho vondrona maromaro ka manome iray amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ho an’ny vondrona tsirairay: Mosesy 1:1–10; Mosesy 1:37–39; Abrahama 3:22–26. Ny vondrona tsirairay dia afaka mitady valinteny amin’ny fanontaniana toy ny hoe “Iza aho?” “Nahoana aho no eto?” sy “Olona toy ny ahoana no ian’ Andriamanitra hahatongavako?” Rehefa nomena fotoana ampy, dia afaka mizara ny valinteniny ny vondrona rehetra avy eo. Ahoana no ahafahan’ireo valinteny ireo mampiova ny zavatra ataontsika isan-andro?

    Sary
    Jesoa Kristy eo anivon’ireo kintana

    Christ and the Creation (I Kristy sy ny Fahariana), nataon’i Robert T. Barrett

Mosesy 1:12–23

Afaka manohitra ny fitaoman’i Satana isika.

  • Ny fifanandrinan’i Mosesy tamin’i Satana, hita ao amin’ny Mosesy 1:12–23, dia mampiseho lesona izay afaka manampy ny mpianatrao raha miatrika fakam-panahy na famitahana avy amin’ny fahavalo izy ireo. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny valintenin’i Mosesy? Mety hisy lanjany lehibe raha mizara hevitra sy fampaherezana hifanampiana eo amin’ny famantarana sy fanoherana ireo ezaka ataon’i Satana ny mpianatra.

  • Lesona iray avy amin’ny traikefan’i Mosesy ny hoe maka fanahy antsika amin’ny fangalahan-tahaka ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra i Satana. Mba hanampiana ny mpianatra hahazo sary an-tsaina izany, dia afaka mitondra zavatra maka tahaka zavatra hafa ianao, ohatra hoe zavamaniry tsy voajanahary na koa saribakoly zazakely. Ahoana ny hilazantsika fa sandoka ireo zavatra ireo? Inona ny zavatra sandoka hafa izay ampiasain’i Satana ankehitriny hakana fanahy antsika? Ahoana no ahafahantsika mamantatra sy mandà an’ireo? (Hoentina mianatra ny fomba nanavaon’i Mosesy an’izany, dia jereo ny Mosesy 1:13–18.) Ahoana ny hanampian’ny Tompo antsika amin’ireo ezaka ataontsika? (jereo Mosesy 1:24–26).

Abrahama 3:22–28

Ity fiainana ity no fotoana ampisehoana fa hanao izay handidian’ Andriamanitra isika.

  • Ahoana no ahafahanao manampy ny mpianatra ahita fa ny fiainany dia fotoana hanaporofoina ny fahatokiany amin’ny didin’ Andriamanitra? Azonao atomboka amin’ny fangatahana azy ireo hiresaka momba ireo zavatra niainany ka nila nampiseho fahaiza-manao iray izy ireo—ohatra: tany am-pianarana, tany am-piasana, na teo anivon’ny ekipa atletika. Afaka miresaka momba izay notakiana tamin’izy ireo mba hanaporofona ny fahaizany izy ireo. Inona no mampitovy ireo traikefa ireo amin’izay voafariparitra ao amin’ny Abrahama 3:24–26? Inona kosa no tsy mampitovy azy ireo? Ahoana no ampidirantsika ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy ao amin’ny ezaka ataontsika “hanaporofoana” fa mendri-pitokisana isika? (Abrahama 3:25). Ahoana ny fahafantarana fa eto isika hanaporofo fa mpankatò no manova ny fomba asetrintsika amin’ireo zava-tsarotra eo amin’ny fiainana?

  • Inona koa no ianarantsika avy amin’ny Abrahama 3:22–28 momba ny fiainana talohan’ny fahaterahana, na ny “toetrantsika voalohany”? (andininy 26). Nahoana no manan-danja amintsika ireo fahamarinana ireo?

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Aza misalasala amin’ny zavatra nambara taminao.

Ny Loholona Jeffrey R. Holland dia nampianatra izao momba ny zavatra niainan’i Mosesy tao amin’ny Mosesy 1: “Ny hafatr’i Mosesy aminao anio dia hoe: Aoka ianao ho mailo lalandava. Aza mihevitra fa fanambarana lehibe iray, na fotoana mampitolagaga sy mampisokatra ny saina, na fisokafan’ny lalana entanim-panahy, no iafarany. … Rehefa nisy fahazavana, dia tandremo ny fakam-panahy hiala amin’ny zavatra tsara. Raha tsara izany tamin’ny fotoana nivavahanao mikasika izany ka natoky sy niaina ho an’izany ianao dia tsara izany amin’izao fotoana izao. Aza kivy rehefa mihamafy ny faneriterena. Indrindra aza milefitra amin’ilay te handrava ny fahasambaranao. Atreho ireo ahiahinao. Fehezo ny tahotrao. -Koa aza manary ny fahasahianareo- [Hebreo 10:35]. Tohizo ny dianao dia jereo ny hakanton’ny fiainana izay haseho anao” (“Cast Not Away Therefore Your Confidence,” Ensign, Mar. 2000, 7, 9).

Manatsara ny fampianarantsika

Ampio ireo mpianatra hahita fahamarinana ao amin’ny soratra masina. Alohan’ny hanasana ny mpianatra hamaky andalan-tsoratra masina iray, dia azonao omena zavatra mazava ho jerena na hosaintsainina izy ireo. Ohatra, azony hatao no mitady zavatra izay nianarany momba ny Mpamonjy na koa zavatra tiany ho zaraina amin’ny fianakaviany. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 21.)

Hamoaka printy