“Lesona 134—Nanorina an’i Nauvoo: Ilay tanàna kanto,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Nanorina an’i Nauvoo,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Taorian’ny nandroahana ireo Olomasina niala an’i Missouri dia nanajary ny heniheny nanamorona ny Renirano Mississippi ho lasa tanàna niroborobo izy ireo. I Nauvoo, Illinois, dia lasa toerana kanto ary natao foiben’ny Fiangonana nanomboka tamin’ny 1839 ka hatramin’ny 1846. Afaka manampy ny mpianatra hampihatra ny soratra masina sy ny tantaran’ny Fiangonana amin’ny tenany ity lesona ity.
Sahanasa fianarana azo atao
Asao ny mpianatra hisaintsaina hoe matetika toy ny ahoana izy ireo no mianatra fahamarinana izay manan-danja aminy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana sy avy amin’ny tantaran’ny Fiangonana.
Mampisehoa tahadikan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana na ny sarin’ny Mpaminany Joseph Smith eo amin’ny ilany iray amin’ny efitrano mba hanehoana ny vaninandron’ireo Olomasina tany am-boalohany. Asao ny mpianatra iray hijoro eny amin’ny lafiny ilany amin’ny efitrano mba hanehoana ny vaninandro iainantsika. Tondroy ny faritra eo anelanelan’ny vaninandron’i Joseph Smith sy ny ankehitriny dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto.
Inona avy ireo zavatra mety hahasarotra ny fampitahana ny zavatra niainan’i Joseph Smith sy ireo Olomasina tany am-boalohany amin’ny zavatra iainantsika ankehitriny?
Rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana sy ny tantaran’ny Fiangonana ianao dia inona avy ireo zavatra sasany ataonao mba hampitahana ny zavatra iainanao amin’ireo zavatra niainan’i Joseph Smith sy ireo Olomasina tany am-boalohany na hampiharana ny zavatra ianaranao amin’ny tenanao?
Soraty eny amin’ny solaitrabe ny valin-tenin’ny mpianatra amin’ilay fanontaniana farany. Raha toa ka tsy manonona ireo fitsipika efatra ireo ny mpianatra dia azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ihany koa izany. Hampiasa izany mandritra ny lesona ny mpianatra.
Tadiavo ireo antsipiriany manan-danja.
Manaova fampitahana amin’ny fiainanao.
Ianaro ireo lesona sarobidy.
Fantaro ny fampiharana amin’ny tenanao manokana.
Asao ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra tena ilan’izy ireo ny fanampian’ny Tompo eo amin’ny fiainany amin’izao fotoana izao.
Amporisiho izy ireo hikatsaka fitarihana sy fanampiana avy amin’ Andriamanitra momba izany rehefa mandalina momba ny Olomasina tao Nauvoo izy ireo. Mijoroa ho vavolombelona fa afaka mamaly azy ireo amin’ny alalan’ny Fanahy Masina Andriamanitra.
Ity fitaovana manaraka ity dia natao hitarihana ny mpianatra amin’ny fahaizana mampihatra sy hanomanana azy ireo hanao izany samirery.
Dingana 1: Tadiavo ireo antsipiriany manan-danja
Mba hampiharana ity dingana ity dia asao ny mpianatra hihaino ireo antsipiriany manan-danja rehefa mamaky mafy izao fampahalalana manaraka izao ianao na ny mpianatra iray:
Raha mbola tao amin’ny Fonjan’i Liberty ny Mpaminany Joseph Smith dia Olomasina an’arivony no noroahina hiala ny tranony tany Missouri. Taorian’ny namotsorana azy dia tafaray indray tamin’ny fianakaviany sy ireo mpitsoa-ponenana efa ho 5000 hafa avy any Missouri i Joseph izay noraisin’ireo olona tsara fanahy tao Quincy, Illinois.
Nanome baiko ny Olomasina ny Tompo hividy sy hiangona teo amin’ny heniheny tsy lafo teo akaikin’ny sisin’ny Renirano Missouri. Nipetraka tao anaty lay sy sarety izy ireo raha nanomboka nanorina tanàna iray izay hantsoiny hoe Nauvoo taty aoriana. Tratry ny tazomoka ny ankamaroan’ireo Olomasina, izay niteraka tazo mahery, hatsiaka ary fahafatesana maro.
Dingana 2: Manaova fampitahana amin’ny fiainanao
Asao ny mpianatra hampihatra ny dingana faharoa amin’ny alalan’ny famaliana ity fanontaniana manaraka ity, ka hitadidy ireo antsipirian-javatra manan-danja ao amin’ny dingana 1.
Na dia mety tsy hitovy aza ny toe-javatra iainantsika dia inona avy ireo fomba azontsika ampifandraisina ny zava-nitranga tamin’ireo Olomasina tamin’izany fotoana izany amin’ny fiainantsika ankehitriny?
Ny valiny sasany dia mety ahitana fahatsapana toy ny hoe nahavita fitsapana iray fotsiny isika dia miditra amin’ny iray hafa indray, nifindra monina tany amin’ny toerana vaovao na miainga amin’ny tsy misy indray, niaina tao anatin’ny toe-javatra sarotra, na narary mafy.
Inona no ataonao mba hanehoana finoana ny Tompo rehefa tojo toe-javatra toy izany?
Dingana 3: Ianaro ireo lesona sarobidy
Asao ny mpianatra hitady lesona manan-danja rehefa manao izao manaraka izao izy ireo: Jereo ny “Joseph Smith: Prophet of the Restoration (tamin’ny 2002) ” manomboka amin’ny kaodim-potoana 47:39 ka hatramin’ny 50:54, na hazavao fa tamin’ny 22 jolay 1839 dia nitety trano sy lay nanasitrana ny marary i Joseph Smith sy ny olona hafa. Hazavao avy eo fa iray amin’ireo olona izay notsidihin’izy ireo i Elijah Fordham. Narary mafy izy, ka sady nitomany no nanomana ny lamba handevenana azy i Anna vadiny. Asao ny mpianatra iray hamaky izao manaraka izao:
69:35
Nanatona an’i Elijah i Josefa ka nandray ny tanany. “Ry Rahalahy Fordham,” hoy izy nanontany, “tsy mba manam-pinoana ho sitrana ve ianao?”
“Matahotra aho fa efa tara loatra izao,” hoy izy.
“Tsy mba mino ve ianao fa i Jesoa no Kristy?”
“Mino izany aho, ry Rahalahy Joseph.”
“Elijah,” hoy ny mpaminany nanambara, “Izaho dia mandidy anao, amin’ny anaran’i Jesoa avy any Nazareta, mitsangàna ary aoka ianao ho sitrana.”
Toa nanozongozona ny trano ireo teny ireo. Nitsangana avy teo am-pandriany i Elijah sady efa nivara-mena ny endriny. Niakanjo izy, nangataka zavatra hohanina, ary nanaraka an’i Joseph tany ivelany mba hanampy amin’ny fanompoana olona maro hafa. (Olomasina: Ny tantaran’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany , boky 1, Ny fanevan’ny fahamarinana, 1815–1846 [2018], 402–3 )
Vakio ny roa amin’ireto andalan-tsoratra masina ireto farafahakeliny, ka tadiavo ny fitoviana misy eo amin’ny zavatra nataon’ny Mpamonjy na nambarany sy ilay tantara etsy ambony: Matio 4:23 ; 1 Nefia 11:31 ; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:44 ; 66:9 ; 84:68 .
Tanisao eny amin’ny solaitrabe ny valiny avy amin’ny mpianatra. Ohatra iray ny hoe amin’ny alalan’ny finoantsika an’i Jesoa Kristy sy ny herin’ny fisoronany, dia afaka mitahy sy mampahery antsika Andriamanitra .
Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra io fitsipika io dia azonao atao ny mametraka fanontaniana fanampiny toy ny hoe “Inona no ampianarin’io fahamarinana io antsika momba ny Tompo?” “Inona no zavatra niainanao teo amin’ny fiainanao izay nanamafy io fitsipika io?” ary “Ankoatra ny fanasitranana antsika dia inona no fomba hafa ahafahan’ny Tompo mampahery sy mitahy antsika?” Anontanio ny mpianatra raha manana fanontaniana momba ireo fitsipika ireo izy ireo. Raha izany no izy dia ifanakalozy hevitra miaraka amin’ny iray kilasy izany.
Hazavao izao manaraka izao:
Na dia teo aza ny fanasitranana dia mbola tsy nitsahatra teo anivon’ireo Olomasina nandritra ireo volana maromaro nanaraka ny aretina. Kanefa mbola nanohy nifampikarakara sy naneho finoana ny Tompo izy ireo. Nandavaka tatatra hanariana ny rano tao amin’ireo heniheny hivarina hankany amin’ny renirano izy ireo ka nahatonga an’ilay tany ho azo ampiasaina kokoa ary nampihena ny olana tamin’ny moka. Nanangana fiarahamonina niroborobo izy ireo, ary ny Tempolin’i Nauvoo nony farany.
Dingana 4: Fantaro ny fampiharana amin’ny tenanao manokana
Ho an’ity dingana ity, dia asao ny mpianatra hizara fomba sasantsasany ahafahan’izy ireo mampihatra ireo fahamarinana nianarany. Ny valiny avy amin’izy ireo dia mety hahitana fomba ahafahan’izy ireo mampihatra finoana ny Tompo, ao anatin’izany ny fangatahana tsodranon’ny fisoronana.
Mba hanohizana ny fianarana fampiharana ny soratra masina sy ny tantaran’ny Fiangonana amin’ny tenany dia afaka manao ireo sahanasa ao amin’ilay taratasy zaraina antsoina hoe “Mampihatra ny tantaran’ny Fiangonana amin’ny tenantsika” ireo mpianatra. Afaka manao ireo sahanasa samirery na anaty vondrona kely ny mpianatra. Asao ny mpianatra hanoratra ny zavatra nataony ho an’ny tsirairay amin’ireo dingana efatra.
Sahanasa A
Mitory ny filazantsara
Nanoratra ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Tsy nanakana ny fandrosoan’ny fahamarinana ny fanenjehana” (History of the Church , 4:540). Efa niantso mpikambana maro tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny Tompo teo aloha mba hanao asa fitoriana any ampitan-dranomasina. Na dia teo aza ny aretina sy ny fahasahiranana dia nandao tamim-pankatoavana an’i Nauvoo mba hanao asa fitoriana ireo rahalahy vonona ireo. Vokatr’izany dia olona an’arivony, avy any Angletera indrindra indrindra, no nahazo fijoroana ho vavolombelona avy tamin’ Andriamanitra, niditra ho mpikamban’ny Fiangonana ary nanao dia nankany Nauvoo. Lasa tanjaka lehibe ho an’ny Fiangonana izy ireo.
Vakio ny 1 Nefia 3:7 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:1 , ary eritrereto ny fomba mety hifandraisan’ireo andininy ireo amin’io ohatra momba ny asa fitoriana io.
Raha teo am-pananganana ny Tempolin’i Nauvoo ny Olomasina dia nisy rahavavy vitsivitsy nahatsikaritra fa maro tamin’ireo lehilahy niasa tao amin’ny tempoly no tsy nanana kiraro sy pataloha ary lobaka ara-dalàna. Noho ny fitaomam-panahy avy amin’ny Tompo no nananganan’izy ireo vondrona vehivavy ary nanomboka niara-niasa mba hanomezana ireo akanjo ireo. Toy ireo vondrona mitovy aminy tamin’izany fotoana izany, dia nandrafitra lalàm-panorenana izy ireo. Natolotr’izy ireo an’i Joseph Smith ilay antontan-taratasy mba hankatoaviny.
[Rehefa nahita izany] i Joseph, dia nilaza izy fa io no lalàm-panorenana tsara indrindra nisy. “Tsy izany anefa no tsara katsahinareo,” hoy izy. “Teneno ireo rahavavy fa eken’ny Tompo ny fanatitr’izy ireo, ary manana zavatra tsara kokoa ho azy ireo Izy. … Handamina ireo vehivavy aho eo ambany fitarihan’ny fisoronana araka ny lamin’ny fisoronana.” (Olomasina , 1:448 )
Tamin’ny 17 martsa 1842, dia nanome torolalana an’i Joseph Smith Andriamanitra hanangana ny Fikambanana Ifanampiana. Andriamanitra dia manohy manentana ireo mpitarika ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana ankehitriny mba hanompo sy hankahery ireo mpikamban’ny Fiangonana sy ireo hafa tsy tambo isaina.
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:26–28 , ka tadiavo ny fomba mety hifandraisan’ireo andinin-tsoratra masina ireo amin’ireo vehivavy nentanim-panahy izay nanao zavatra izay nitarika tamin’ny fanorenana ny Fikambanana Ifanampiana.
Rehefa avy nahavita ny fandalinany ny mpianatra dia asao izy ireo hizara ny fomba nampiharan’izy ireo ny zavatra nianarany tamin’ny fiainany.
Ireto manaraka ireto dia ohatra sasantsasany amin’ny fahamarinana izay mety ho hitan’izy ireo: Manomana lalana ho antsika hahatanterahana izay andidiany antsika ny Tompo. Tsy azo sakanana ny asan’ Andriamanitra. Andriamanitra dia mamaly soa an’ireo izay mikatsaka amim-pahazotoana ny hahatonga fahamarinana fatratra.
Nisy fotoana i Joseph nankeo amin’ny lay izay ana mpikamban’ny Fiangonana nantsoina hoe Henry G. Sherwood, izay efa teo ambavahoan’ny fahafatesana. Rehefa nandidy azy ny Mpaminany hitsangana sy hivoaka an’ilay lay dia nankatò ny Rahalahy Sherwood dia sitrana.
Nankeny ampitan’ny renirano teny amin’ny faritr’i Iowa i Joseph ary nanohy nanome tsodrano ny marary. Teo am-piomanan’i Joseph hiverina tany amin’ny faritr’i Illinois dia nisy lehilahy iray izay tsy mpikamban’ny Fiangonana nangataka ny Mpaminany mba hanome tsodrano ny zanany menavava kambana izay sahabo telo kilaometatra niala teo. Nilaza i Joseph fa tsy afaka ny handeha izy saingy nomeny mosoara mena vita tamin’ny landy i Wilford Woodruff dia nilaza taminy mba hametra-tanana amin’ireo ankizy sady nampanantena fa rehefa fafany amin’ilay izy ny tarehin’izy ireo dia ho sitrana izy ireo. Nanaraka an’io toromarika io i Wilford ka sitrana ireo ankizy. Nantsoin’i Wilford hoe “andron’ny herin’ Andriamanitra” izany andro izany (Wilford Woodruff journals, July 22, 1839, Church History Library, Salt Lake City; jereo koa ny Church History in the Fulness of Times Student Manual , ed. faharoa [2003], 219).
Nampianatra toy izao ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:
Araka ny firaketana ananantsika dia tokony ho teo anelanelan’ny 7500 sy 8000 teo no natao batisa nandritra ireo asa fitoriana roa nataon’ireo Roambinifololahy tany amin’ireo Nosy Britanika. Nametraka ny fototra ho an’ny asa fitoriana any Eorôpa izany. Tany amin’ny fiafaran’ny taon-jato faha-19 dia teo amin’ny 90000 teo no nandeha niangona tany Amerika ka ny ankamaroan’izy ireo dia avy tany amin’ireo Nosy Britanika sy ny Scandinavie. Nanentam-panahy an’i Joseph sy ireo misiônera mahatoky izay nandeha nanatontosa fijinjana izay azo inoana fa nihoatra noho ny herin’izy ireo, tamin’izany fotoana izany, ny Tompo. Kanefa nataon’ny Tompo tanteraka izany niaraka tamin’ny fijeriny lavitra sy ny fanomanany tonga lafatra. (Henry B. Eyring, “Mandeha eo anoloantsika Izy ,” Liahona , mey 2020, 68)
Nampianatra toy izao i Eliza R. Snow, mpitantsoratry ny Fikambanana Ifanampiana tao Nauvoo ary Filoha faharoan’ny Fikambanana Ifanampiana taty aoriana:
Na dia manaraka ny toetr’andro aza ilay anarana [Fikambanana Ifanampiana] dia efa ela no niforonan’ny fikambanana. Nilaza taminay [ny Mpaminany Joseph Smith] fa nisy fikambanana iray nitovy tamin’izany tao amin’ny fiangonana fahiny. (Eliza R. Snow, “Female Relief Society ,” Deseret News , 22 apr. 1868, 1; jereo ihany koa ny Filles dans mon royaume [2011], 7)
7:19
Afaka mianatra misimisy kokoa ianao ao amin’ny Filles dans mon royaume: L’histoire et l’oeuvre de la Société de Secours (2011).
Azonao atao ny mampiasa ny iray amin’ireto loharanom-pitaovana fanampiny manaraka ireto amin’ny lesonao:
Fanehoana an-tsary momba ny andro fanasitranana tao Nauvoo: “From the Life of the Prophet Joseph Smith: A Day of God’s Power ,” Friend , Feb. 2009, 44–45
Horonan-tsary iray ahitana ny sasany tamin’ireo Roambinifololahy nandeha nanao asa fitoriana: “The Heart and a Willing Mind ”, manomboka amin’ny kaodim-potoana 4:00 ka hatramin’ny 7:57
7:53
Tantaran’ny mpikambana iray tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tany Angletera: Olomasina , 1:408–11 ; “From the Lives of the Church Presidents: Wilford Woodruff, Fisherman of the Lord ,” Friend , June 2001, 34–35
Horonan-tsary iray mikasika ny vokatry ny asa fitoriana nataon’ny Apôstôly Roambinifolo: “Joseph Smith: Prophet of the Restoration ”, manomboka amin’ny kaodim-potoana 45:26 ka hatramin’ny 47:55
62:4
Raha mbola tao Nauvoo ireo Olomasina dia nanambara fahamarinana sy ôrdônansy manan-danja tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ny Tompo. Raha tsapanao fa hanampy ny mpianatra ny hanomezana topimaso momba ireo fahamarinana sy ôrdônansy sasany ireo dia asehoy ity fampahalalana manaraka ity. Asao ny mpianatra hisafidy lohahevitra vitsivitsy ary hamaky ny andinin-tsoratra masina eo akaikin’ny tsirairay amin’izany. Afaka misaintsaina izy ireo hoe nahoana ireo lohahevitra ireo no mety hanan-danja amin’izy ireo. (Fanamarihana: Ny ankamaroan’ireo lohahevitra ireo dia hohalalinina kokoa mandritra ireo lesona manaraka.)