Rehefa nanorina ny tanànan’i Nauvoo ny Olomasina dia nandidy azy ireo ny Tompo mba hanorina tempoly (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:26–27). Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124 ny Tompo dia nanambara misimisy kokoa momba ny tanjon’ny tempoly amin’ny maha-toerana handraisana ôrdônansy masina izany. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny tempolin’ny Tompo sy ireo ôrdônansy tanterahina ao, ary tafiditra ao anatin’izany ny fanafiana masina.
Sahanasa fianarana azo atao
Ny tanjon’ireo tempoly
Alaovy sary an-tsaina hoe nahita sarina tempoly iray tao amin’ny tambajotran-tserasera ny namanao iray na nitondra fiara nandalo teo amin’ny tempoly iray ary nanontany anao tamin-kitsimpo hoe: “Inona no atao hoe tempoly? Inona no ataon’ny olona ao anatin’izany?”
Misafidiana loko iray izay tena maneho ny valinteny omenao amin’ireto fanontaniana manaraka ireto amin’ny alalan’ny fampiasana ireo loko hita amin’ireny jiro fandrindrana fifamoivoizana ireny (mena = tsy matoky tena; mavo = somary matoky tena; maitso = tena matoky tena):
Hatraiza ny halehiben’ny fatokian-tenanao fa afaka manazava tsara momba ny tempoly sy ny ôrdônansy atao ao amin’ny namanao ianao?
Hatraiza ny halehiben’ny fatokian-tenanao fa afaka manazava izany amin’ny fomba izay mety hanampy ny namanao hahafantatra ny fomba anehoan’ny Tompo ny fitiavany amin’ny alalan’ny tempoly ianao?
Ny Tempolin’i Nauvoo
Rehefa nanorim-ponenana tao Nauvoo, Illinois, ireo Olomasina dia nandidy azy ireo ny Tompo hanorina tempoly (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:31) tahaka ny efa nataony teo aloha tany Kirtland, Ohio; Fivondronan’i Jackson, Missouri; ary Far West, Missouri (jereo ny 88:119; 97:10; 115:7–8). Tamin’ny fotoana nandidian’ny Tompo mba hanorina ny Tempolin’i Nauvoo dia efa nanambara ny fotopampianaran’ny batisa ho an’ny maty tamin’ny Mpaminany Joseph Smith Izy (jereo ny Lohahevitra sy Fanontaniana, “Batisan’ny maty,” topics.ChurchofJesusChrist.org).
Iza amin’ireo tanjona na fampanantenana nataon’ny Tompo momba ny fanorenana tempoly no tena manan-danja aminao? Nahoana?
Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia manampy antsika hahatakatra ny tanjon’ny Tompo amin’ny fanomezana antsika ireo ôrdônansin’ny tempoly.
Tsy ny hananan’ny isam-batan’olona na ny fianakaviana traikefa tsy hay hadinoina ihany no antony hananganantsika tempoly masina na ny hidirantsika ao. Ireo fanekempihavanana voaray sy ireo ôrdônansy tanterahina ao amin’ny tempoly kosa dia ilaina ho an’ny fanamasinana ny fontsika sy ho an’ny fisandratan’ireo zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra amin’ny farany. (David A. Bednar, “Aoka izany trano izany haorina ho an’ny anarako,” Liahona, mey 2020, 85)
Inona no nianaranao avy amin’ny Loholona Bednar?
Inona no nianaranao hatreto ka afaka manampy anao hanazava ny tempoly amin’ny namana iray?
Niseho tao amin’ny Tempolin’i Kirtland ny Mpamonjy sy ireo iraka hafa avy any an-danitra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110). Toerana nahazoana fitaomam-panahy sy fianarana ihany koa ny Tempolin’i Kirtland. Nanambara ôrdônansy fanampiny izay atao any amin’ny tempoly amin’izao fotoana izao ny Tompo tao Nauvoo. Manao batisa ho an’ny maty, mandray ny fanafiana masina (ao anatin’izany ny fanasana sy ny fanosorana), ary mandray anjara amin’ny famehezana any amin’ny tempoly ireo mpikamban’ny Fiangonana mahatoky amin’izao fotoana izao.
Iray amin’ireo ôrdônansy nambaran’ny Tompo tamin’ireo Olomasina tao Nauvoo ny fanafiana masina.
Halalino ny sasany amin’ireto loharanom-pitaovana manaraka ireto ary tadiavo ny fomba hitahian’ny Tompo antsika rehefa mandray ny fanafiana masina any amin’ny tempoly isika.
Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fanafiana masina,,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org