“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 125–128: Topimaso ankapobeny,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 125–128,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 125–128
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 125–128
Topimaso ankapobeny
Nanomboka tamin’ny nanaovana batisa azy dia maro ireo asa fitoriana ny filazantsara nataon’i Brigham Young. Tamin’ny jolay 1841 dia niverina avy nanao asa fitoriana tany Angletera izy. Fotoana fohy taorian’ny niverenany dia nandray fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 126 ankehitriny ny Mpaminany Joseph Smith. Tamin’ny 1842 dia nanendrikendrika an’i Joseph ho nanomana fanafihana an’i Lilburn W. Boggs izay governora teo aloha ireo manampahefana tao Missouri. Voatery tsy maintsy niafina i Joseph mba tsy ho voasambotra. Raha mbola tany am-piafenana izy dia nanana eritreritra sy fahatsapana maro momba ny fotopampianaran’ny batisa ho an’ny maty. Nanoratra taratasy ho an’ireo Olomasina izy mba hanomezana torolalana azy ireo mikasika ny maha-zava-dehibe ny firaketana ireo batisa natao ho an’ireo razamben’izy ireo efa nodimandry. Nanambara ihany koa fotopampianarana manan-danja hafa momba ny batisa ho an’ny maty izy.
Miomàna hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety ilainao homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 126
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hampitombo ny fanirian’izy ireo hiasa amim-pahazotoana ho an’ny Tompo tahaka ny nataon’i Brigham Young.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127–128, Tapany 1
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra azy ireo izay miseho amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny tempoly.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hijery ny toerana nasiany ny anarana sy ny tenimiafina amin’ny kaonty FamilySearch an’izy ireo na hamorona kaonty vaovao. Izany dia hanampy azy ireo hampiasa ny FamilySearch mandritra ny lesona manaraka.
-
Sary: Toerana fanaovana batisa ao amin’ny tempoly
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127–128, Tapany 2
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hahita fampahalalana momba ireo razamben’izy ireo efa nodimandry sy hiomana hanao ôrdônansy ho azy ireo any amin’ny tempoly.
Fanamarihana: Maro amin’ireo sahanasa ao anatin’ity lesona ity no ilàna ny fahazoan-dalana miditra amin’ny FamilySearch.org na ny application FamilySearch. Raha tsy manana internet ianao ao amin’ny toeram-pianarana fampiasa mahazatra dia azonao atao ny manome ity lesona ity ao amin’ny trano Fiangonana iray na toerana hafa izay misy internet.
Raha tsy mahafantatra tsara ny FamilySearch.org ianao dia makà fotoana hamantarana tsara ireo sahanasa ao anatin’ny lesona. Azonao atao ihany koa ny manasa mpanorohevitra momba ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana ao amin’ny paroasy na sampana misy anao mba hanampy anao.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hampiasa ny anarana sy ny tenimiafina amin’ny kaontin’izy ireo ao amin’ny Fiangonana mba hidirana amin’ny FamilySearch.org. Raha misy mpianatra tsy manana kaonty ao amin’ny Fiangonana dia asao izy ireo hangataka ray aman-dreny iray na mpitarika ao amin’ny Fiangonana iray mba hanampy azy ireo hamorona kaonty.
-
Zavatra: Tahadikan’ilay kiboky Ny fianakaviako: Ireo tantara izay mampiray anay