Lesona 138: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127–128, Tapany 2: “Batisa ho an’ny maty eo aminareo”
“Lesona 138: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127–128, Tapany 2: -Batisa ho an’ny maty eo aminareo,-” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127–128, Tapany 2,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Lesona 138: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 125–128
Nanoratra taratasy ho an’ny Olomasina momba ny fotopampianaran’ny batisa ho an’ny maty i Joseph Smith. Nanazava ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly izy mba hanampiana ny Olomasina hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fanaovana batisa amin’ny anaran’ireo havany izay efa nodimandry. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahita fampahalalana momba ireo razambeny nodimandry sy hiomana amin’ny fanatanterahana ireo ôrdônansy ho azy ireo any amin’ny tempoly.
Sahanasa fianarana azo atao
Ny razambenao
Manao ahoana ny fatokisanao tena amin’ny fahaizanao manao tantaram-pianakaviana sy ny asa any amin’ny tempoly ho an’ny razambenao?
Niampanga an’i Joseph Smith ho nanampy tamin’ny fikasana hanafika an’i Lilburn W. Boggs, izay governora teo aloha, ny manam-pahefana tao Missouri. Niahiahy i Joseph fa raha miverina any Missouri izy dia hovonoina. Rehefa niafina tao an-tranon’i Edward Hunter i Joseph dia nanana eritreritra sy fahatsapana maro momba ny batisa ho an’ny maty (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:1). Nanoratra taratasy ho an’ny Olomasina i Joseph Smith mba hampianarana azy ireo fotopampianarana manan-danja mikasika ny ôrdônansin’ny batisa ho an’ny maty (jereo ny Saints: The Story of the Church of Jesus Christ in the Latter Days, vol. 1, The Standard of Truth, 1815–1846 [2018], 466–77).
Batisa ho an’ny maty eo aminareo
Nampianatra ny Loholona Quentin L. Cook ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa manana andraikitra manokana hanatanteraka ôrdônansin’ny tempoly ho an’ny olona voafaritra manokana isika:
Mazava tsara ny fotopampianarana momba ny fianakaviana izay mifandray amin’ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly. Ny Tompo tao amin’ny torolalana fanambarana voalohany dia niresaka momba ny “batisa ho an’ny maty eo ami nareo” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127:5; nampiana fanamafisana]. Ny andraikitsika araka ny fotopampianarana dia miompana amin’ireo razambentsika manokana. Ny anton’izany dia satria ny rafitra selestialy any an-danitra dia mifototra amin’ny fianakaviana. (Quentin L. Cook, “Faka sy sampana,” Liahona, mey 2014, 45)
Araka ny hevitrao, dia hanao ahoana izany fihaonana amin’ireo razambenao efa nodimandry izany? Inona no mety ho fihetsik’izy ireo manoloana ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana izay nataonao?
Tena ilaina amin’ny famonjena antsika ny famonjena azy ireo
Inona no nampianarin’ny mpaminany tsirairay momba ny famonjena ny razambentsika?
Amin’ny fomba ahoana no hanatanterahan’i Jesoa Kristy ny famonjena ireo razambentsika izay efa nodimandry?
Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ny fandraisana anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana manampy anao hanaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy?
Nijoro ho vavolombelona momba ny andraikitsika manan-danja ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:
Maro amin’ireo razambenao no tsy nandray ireo ôrdônansy ireo. Saingy nanome fomba ahafahanao manatanteraka izany Andriamanitra. Ary fantatr’ Andriamanitra fa hanana fahatsapana ho lasa manam-pitiavana ireo razambenao ianao ary hanana ny teknôlôjia ilaina mba hitadiavana azy ireo. Fantany ihany koa fa ianao dia hiaina ao anatin’ny fotoana iray hampitombo bebe kokoa noho ny hatramin’izay teo amin’ny tantara, ny fahafahana mandeha any amin’ny tempoly, izay toerana ahafahana manatanteraka ôrdônansy. Ary fantany fa afaka matoky anao Izy amin’ny fanatanterahana ity asa ity ho an’ny razambenao. …
… Tanora maro no nahita fa ny fanolorana ny fotoanany hanaovana fikarohana momba ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly dia nampitombo ny fijoroany ho vavolombelona momba ny drafitry ny famonjena. Nampitombo ny fitaoman’ny Fanahy teo amin’ny fiainan’izy ireo izany ary nampihena ny fitaoman’ny fahavalo. Nanampy azy ireo hahatsapa ho akaiky kokoa ny fianakaviany sy hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy Tompo izany. Nianatra izy ireo fa ity asa ity dia tsy mamonjy ny maty fotsiny ihany; mamonjy antsika rehetra izany [jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:18]. (Henry B. Eyring, “Manangona ny fianakavian’ Andriamanitra,” Liahona, mey 2017, 21, 22)
Inona ireo efa nataonao mba handraisana anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana? Inona no fitahiana nomen’ny Tompo anao noho ny ezaka nataonao?
Nanampy anao hahatsapa ho akaiky kokoa an’i Jesoa Kristy tamin’ny fomba ahoana ny fandraisana anjara tamin’ity asa ity?
Mandray anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy nyny tantaram-pianakaviana
Ataovy ireo sahanasa isan-karazany ao amin’ilay kiboky Ny Fianakaviako: Tantara Mampiray Antsika.
Fantaro ny hazon’ny tetiaram-pianakavianao ao amin’ny FamilySearch.
Ampiasao ilay endri-javatra “Ôrdônansy vonona” ao amin’ny FamilySearch mba hahitana anarana hoentina any amin’ny tempoly.
Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no maha-fanatitra marina ho an’ny Tompo ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana izay ataontsika?
Inona no fanatitra amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana izay tsapanao fa azonao omena ny Tompo?