Lesona 137: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127–128, Tapany 1: Ny Famonjena ny maty
“Lesona 137: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127–128, Tapany 1: Ny Famonjena ny maty,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127–128, Tapany 1,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Lesona 137: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 125–128
Tamin’ny aogositra 1840 dia nampianatra voalohany ny fotopampianaran’ny batisa ho an’ny maty i Joseph Smith. Nifaly ny mpikamban’ny Fiangonana noho ny fahafahana nanome ôrdônansin’ny famonjena ho an’ireo havany nodimandry. Nanoratra taratasy ho an’ny Olomasina i Joseph Smith mba hampianarana azy ireo mikasika ny ôrdônansin’ny batisa ho an’ny maty. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra azy ireo izay miseho amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny tempoly.
Sahanasa fianarana azo atao
Rafi-tantara iray
Nandritra ny fifanakalozan-kevitra iray niarahana tamin’ireo misiônera dia nianatra momba ny ilàna ny fanarahana ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy sy ny fanaovana batisa i Anna (jereo ny Matio 3:13–17; Jaona 3:5; 2 Nefia 31:4–11). Naniry mafy ny hatao batisa izy, nefa niahiahy ny amin’ny rahavaviny efa maty koa. Nanontany ireo misiônera i Anna hoe: “Ary ahoana ny momba ny rahavaviko izay maty talohan’ny nanaovana batisa azy?”
Rehefa mandinika ireo singa ao amin’ny fotopampianaran’ny Mpamonjy ianao dia inona no fahatsapana anananao izay tianao hozarainao?
Drafitry ny Ray any An-danitra
Nambaran’ny Tompo tsikelikely tamin’i Joseph Smith ny fotopampianaran’ny batisa ho an’ny maty. Tamin’ny aogositra 1840 dia nanao toriteny tamin’ny fandevenana an’i Seymour Brunson i Joseph Smith. Nandritra ilay toriteny dia nijery an’i Jane Neyman izy, izay mananotena maty zanakalahy talohan’ny nanaovana batisa an’ilay zanany. Niresaka momba ny 1 Korintiana 15:29 i Joseph, ary nampianatra fa ny drafitr’ Andriamanitra dia mamela ny olona velona iray hanao batisa isoloana tena olona iray izay efa maty. Tatỳ aoriana, dia natao batisa ho an’i Cyrus zanany lahy i Jane. Izany no batisa ho an’ny maty voalohany notanterahina nandritra ity fotoampitantanana ity (jereo ny Saints: The Story of the Church of Jesus Christ in the Latter Days, vol. 1, The Standard of Truth, 1815–1846 [2018], 421–22).
Nanambara ny Tompo taty aoriana fa ny batisa ho an’ny maty dia tokony hatao any amin’ny tempoly (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:29–32). Tamin’ny nôvambra 1841 dia nanomboka natao batisa ho an’ny razamben’izy ireo tao amin’ny Tempolin’i Nauvoo izay mbola tsy vita ny Olomasina. Tamin’ny septambra 1842, dia nanome toromarika ny Olomasina i Joseph Smith mba hitana rakitsoratra misy ireo ôrdônansy ireo sy ireo antsipirian-javatra manan-danja hafa. Ireo toromarika ireo dia ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127 sy 128 ankehitriny (jereo ny Saints, 1:476–77). Nanazava i Joseph Smith fa mpitana rakisoratra dia tokony ho vavolombelon’ilay ôrdônansy ary tokony hitana rakitsoratra marina izay horaketina ao amin’ny bokim-piangonana maneran-tany. Nampianatra ihany koa izy fa ny hafa dia tokony ho vavolombelon’ilay ôrdônansy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:2–4). Nohazavainy avy eo hoe nahoana io fandaminan-javatra io no tokony ho tena miavaka.
Inona no ampianarin’io andininy io antsika momba ny Ray any An-danitra sy ny drafiny?
Inona no ampianarin’io fahamarinana io anao momba ny toetra tsara ananan’ny Ray any An-danitra na ny toetoetrany na ny tanjony?
Inona no mety ho fiantraikan’izany fahamarinana izany aminao sy ny fianakavianao?
Ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny fanavotana ny maty.
Ny andraikitsika dia miitatra lavitra sy lalina tahaka ny fitiavan’ Andriamanitra mba hahafaoka ny Zanany amin’ny fotoana sy ny toerana rehetra. Ny ezaka ataontsika eo amin’ny toeran’ny maty dia mijoro ho vavolombelona tsara fa i Jesoa Kristy no ilay Andriamanitra Mpanavotra ny olombelona rehetra. Ny fahasoavany sy ireo fampanantenany dia tody hatrany amin’ireo izay tsy mitady Azy akory aza mandritra ny fahaveloman’izy ireo. Noho Izy dia tena ho afaka tokoa ireo mpifatotra. (D. Todd Christofferson, “The Redemption of the Dead and the Testimony of Jesus,” Ensign, nôv. 2000, 11)
Voarakitra eto an-tany sy any an-danitra
Rehefa avy natao batisa i Anna dia nankany amin’ny tempoly ary natao batisa ho an’ny rahavaviny izay maty. Manontany tena izy hoe ahoana no ahafantarany fa manan-kery any an-danitra ilay ôrdônansy.
Inona no teny na andian-teny hozarainao amin’i Anna?
Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ny firaketana ireo ôrdônansy?
Inona no mety ho fiantraikan’ny fahatakarana ireo andininy ireo amin’ny zavatra iainanao any amin’ny tempoly?
“Aoka hiravoravo ny fonareo ary ho faly fatratra tokoa”
Naneho tamin’ny endrika tononkalo ny fomba fijeriny momba ny fotopampianarana be voninahitra momba ny fanavotana ho an’ny maty i Joseph Smith tao amin’ilay taratasy nosoratany. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:22–23, ka tadiavo ireo fihetseham-po momba ny drafitry ny Ray any An-danitra.
Inona avy ireo teny na andian-teny avy amin’ireo andininy ireo izay maneho ny fahatsapanao momba ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny famonjena ny zanany?
Oviana ianao no niaina ny iray amin’ireo fahatsapana ireo rehefa nandray anjara tamin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana?
Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “handeha malalaka ny voafonja”? (andininy 22). Nahoana izany no mety ho antony hifaliana fatratra?