Seminera
Fampahafantarana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky Torolalana ho an’ny mpampianatra seminera


“Fampahafantarana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Fampahafantarana,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Fampahafantarana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky Torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

zatovo mijoro eny aloha ao an-dakilasy

Ny tanjon’ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara dia ny “hanampy ny zatovo sy ny tanora hanao izay hampalalim-paka ny fiovam-pon’izy ireo amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny, sy ho mendrika ny hahazo ireo fitahiana avy amin’ny tempoly, ary hiomana sy hanomana ny fianakaviany ary ny hafa ho amin’ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Rain’izy ireo any An-danitra” (“Ny tanjon’ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara” [2022], ChurchofJesusChrist.org).

Mba hanampiana amin’ny fanatanterahana io tanjona io, ity boky torolalana ity dia manome ireo mpianatra traikefa amin’ny fianarana isan-karazany amin’ny alalan’ny karazana lesona roa samihafa: lesona miompana amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana sy lesona Fiomanana hiatrika ny fiainana. Ny lesona miompana amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia mifanaraka amin’ireo andian-tsoratra masina izay nohamafisina isan-kerinandro ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025. Ireo lesona Fiomanana hiatrika ny fiainana dia manampy ireo mpianatra hianatra hisintona hery avy amin’i Jesoa Kristy sy hampihatra ny fampianarany mba hiomanana amin’ireo olana eo amin’ny fiainana.

Afaka manampy ny mpianatra ianao hanovo amin’ny herin’i Jesoa Kristy amin’ny lafiny maro eo amin’ny fiainan’izy ireo—ka anisan’izany ny ara-panahy, ara-piarahamonina, ara-tsaina, ary ara-batana—amin’ny alalan’ny fampiasanao ireo sosokevitra enti-mampianatra hita ao amin’ireo karazana lesona roa ireo, sy ny fanarahana ny fitarihan’ny Fanahy. Hanampy azy ireo hiomana amin’ny hoaviny amim-pinoana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ihany koa ianao.

Ity boky torolalana ho an’ny mpampianatra ity dia hita an-jotra ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, izay ahafahanao mahita koa ilay boky torolalana amin’ny endrika PDF azo sintonina. Hita ao amin’ny application Médiathèque de l’Évangile ihany koa izany. Raha te hampiasa boky torolalana vita printy ianao dia angataho avy amin’ny mpandrindra na mpitantana ny fandaharan’asa eo an-toerana izany.

Fitaovana hanampiana anao hiomana hampianatra

Na inona na inona karazana lesona ampianarinao dia misy fitaovana vitsivitsy afaka hanampy anao hiomana.

Ny Soratra Masina

Ny fandalinana arahana ireto andian-tsoratra masina ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy ireto dia fomba manan-danja iray hiomanana hampianatra ireo mpianatra. Ireo lesona izay voarakitra ato amin’ity boky torolalana ity dia mitaky mpampianatra entanim-panahy izay mandalina tsy tapaka ny soratra masina sy mikatsaka hatrany ny fananana ny Fanahy Masina ho namany. Rehefa mandalina tsy tapaka ny soratra masina ianao, dia afaka matoky fa ny Ray any An-danitra dia hanome fitaomam-panahy anao amin’ny alalan’ny Fanahiny ny amin’ny fomba hanamboaranao ireto fitaovana ireto mba hifanandrify amin’ny zavatra ilain’ireo mpianatrao.

Topimaso ankapobeny

Misy topimaso ankapobeny omena any amin’ny fiandohan’ny lesona isan-kerinandro ao amin’ny lesona miompana amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana sy any amin’ny fiandohan’ny sokajy tsirairay ao amin’ny lesona Fiomanana hiatrika ny fiainana. Ireo topimaso ankapobeny ireo dia manome fampahalalana manokana momba ny lesona mba hanampiana anao hampianatra, ka isan’izany:

  • Ireo tanjon’ny lesona

  • Ireo hevitra fanomana ny mpianatra

  • Lisitra ahitana ireo lesona ampianarina amin’ny alalana zavatra, taratasy zaraina, sary, horonan-tsary, na fitaovana hafa izay mety ilaina omanina mialoha

Ny famerenana mijery ny topimaso ankapobeny mialoha ny hampianaranao ireo lesona mifanaraka amin’izany dia afaka manampy anao hanapa-kevitra hoe inona avy ireo fitaovana mila omanina mialoha.

Tadiavo ny topimaso ankapobeny isan-kerinandro ho an’ny lesona hampianarinao amin’ny herinandro manaraka.

  • Inona avy ireo fampahalalana hitanao izay tsara raha fantarinao mialoha?

  • Ahoana ny fomba ahafahanao mampiasa izany fampahalalana izany raha miomana hampianatra ianao?

Torohevitra momba ny fampianarana

Ny topimaso ankapobeny tsirairay izay mialoha ny lesona miompana amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia ahitana torohevitra enti-mampianatra izay manazava ireo fomba amam-panao na fitsipika naroso izay avy amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy: Ho an’ireo rehetra izay mampianatra ao an-tokantrano sy ao am-piangonana. Ity sary famantarana ity no maneho ireo torohevitra ireo: sary famantarana ny fanofanana. Rehefa mahatsapa ho vonona ianao dia andramo ampiharina ireo fomba amam-panao sy fitsipika ireo mandritra ny fotoana ampianaranao. Ho tsikaritrao fa ny fampidirana ireo sosokevitra ireo dia afaka manampy amin’ny fanatsarana ny fahaizanao mampianatra.

Ny torohevitra enti-mampianatra isaky ny topimaso ankapobeny tsirairay dia mampitodika anao any amin’ny lesona iray izay nanehoana ilay fomba fanao na fitsipika naroso. Tadiavo ao amin’io lesona io ilay sary famantarana ny fanofanana sary famantarana ny fanofananamba hahitana ohatra iray amin’ilay torohevitra aseho. Manampy anao ihany koa ireo mba hijery ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra izay afaka manampy anao hianatra bebe kokoa momba ireo fomba fampianarana na fitsipika izay hamafisina. Ampiasao ireo fanofanana ireo ho ampahany amin’ny fanomananao lesona raha mamela ny hanaovana izany ny fotoana sy ny fahaiza-manaonao.

Avereno jerena ny torohevitra enti-mampianatra ao amin’ny topimaso ankapobeny ho an’ny votoatin-desona hampianarinao amin’ny herinandro ho avy. Ahoana no mety hanandramanao mampihatra io sosokevitra io ao amin’ny lesona iray hatao manaraka?

Sosokevitra momba ny fandrindram-potoana

Ny topimaso ankapobeny ho an’ireo lesona Fiomanana hiatrika ny fiainana tsirairay dia ahitana sosokevitra momba ny fandrindram-potoana. Ireo sosokevitra ireo dia manome hevitra momba ny toerana hampidirana ireo lesona ireo ao amin’ny torolalana fandrindram-potoana iray. Ireo mpandrindra sy mpitantana ny fandaharan’asa dia afaka mampiasa ireo sosokevitra ireo rehefa mamorona torolalana fandrindram-potoana.

Fanomanana ny mpianatra

Ny topimaso ankapobeny tsirairay ihany koa dia ahitana sosokevitra amin’ny fanampiana ny mpianatra hanomana ny sainy sy ny fony ho an’ny lesona tsirairay. Azonao atao ny mandinika ireo hevitra ireo eo am-piandohan’ny herinandro ary manapa-kevitra ombam-bavaka hoe inona amin’ireo hevitra ireo no tsapanao fa mety tena hanampy ireo mpianatrao. Tsy voatery mampiasa ny sosokevitra rehetra amin’ny fanomanana ny mpianatra ianao. Azonao atao ny mampifanaraka azy ireo na mamorona ny sosokevitrao manokana. Maro amin’ireo sosokevitra ireo no natao mba homena ny mpianatra iray andro mialoha ny traikefa amin’ny fianarana.

Avereno jerena ireo hevitra aroso ho an’ny fanomanana ny mpianatra ao amin’ny topimaso ankapobeny ho an’ny herinandro ho avy izay mahakasika ireo lesona izay hampianarinao. Eritrereto hoe inona avy ireo hevitra hampiasainao, na hampifanarahanao amin’ny toe-java-misy, na tsy hampiasainao. Raha manapa-kevitra ny hanasa ireo mpianatrao hiomana ianao, dia ahoana no fomba hizaranao izany hevitra fanomanana izany amin’izy ireo? Azonao atao ny mizara izany am-bava na mampiseho izany any amin’ny faran’ny fotoam-pianarana teo aloha. Na, raha mety dia alefaso amin’ny alalan’ny email izany na amin’ny alalan’ny application fandefasana hafatra.

Torolalana enti-mampianatra

Mandritra ny lesona tsirairay dia hahatsikaritra efajoro izay ahitana torolalana ho an’ny mpampianatra ianao. Ny torolalana enti-mampianatra dia natao mba hanampiana anao hiomana hampianatra. Afaka manampy anao koa izy ireo hahafantatra ny fomba hampiasana ireo sahanasa fianarana izay aroso ao amin’ny lesona. Mety manazava ny tanjona kendrena amin’ireo sahanasa ao amin’ny lesona izy ireo na manolotra soso-kevitra mikasika ny fomba hampifanarahana ny votoatin-desona mba hahatonga izany hifanaraka kokoa amin’ny zavatra tena ilain’ireo mpianatra. Ireo soso-kevitra ireo dia mety ahitana fomba fiasa hafa azo atao, fanontaniana, na sahanasa izay manampy anao hampifanaraka ny votoatin-desona sy ireo sahanasa raha ilaina izany.

Avereno jerena ireo torolalana enti-mampianatra sasany ao amin’ny lesona izay hampianarinao atsy ho atsy. Inona avy ireo fanovana izay mety hataonao mifototra avy amin’ny torolalana enti-mampianatra hitanao?

Sahanasa fianarana azo atao

Ny lesona tsirairay dia ahitana hevitra amin’izay mety ho fomba ahafahanao mitondra ny traikefa amin’ny fianarana. Tsy voatery hampiasa ireo sahanasa fianarana rehetra ao amin’ny lesona ampianarinao ianao.

Mba hahafahan’ireo mpianatrao mahazo ny traikefa tsara indrindra, dia tokony hampiasa ilay votoatin-kevitra ato amin’ity fizarana ity ianao hatao tari-dalana fa tsy lahatsoratra vakiana fotsiny ihany. Raha toa ka mpampianatra seminera vao herotrerony ianao, dia mety ho tsara kokoa raha manomboka amin’ny fanarahana ireo sahanasa fianarana naroso. Rehefa mitombo ny traikefa anananao dia hihatsara ny fahafahanao mampifanaraka amin’ny toe-java-misy ny votoatin’ity boky torolalana ity mba hitondrana tsara kokoa ny zavatra ilain’ireo mpianatrao.

Maro amin’ireo sahanasa fianarana atolotra no hanasa ny mpianatra hameno azy ireo ao anatin’ny diary fandalinana. Misy diary fandalinana amin’ny endrika PDF azon’ny mpianatra ampiasaina ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org/si/seminary/manuals. Mifandraisa amin’ny mpandrindra na ny mpitantana ny fandaharam-pianarana mba hahazoana tahadikan’io diary io ho an’ny kilasinao, raha tianao.

kisary fanofanana Mba hahazoana fanampiana hahafantarana ny fomba hampidirana amin’ny fomba voalanjalanja ireo sahanasa fianarana atolotra momba ny fampifanarahana ireo boky fampianarana amin’ny toe-java-misy mba hifanaraka tsara kokoa amin’ny zavatra ilain’ny mpianatra dia jereo ny “Fiofanana momba ny fanarahana sy fampifanarahana amin’ny toe-java-misy ny fandaharam-pampianaran’ny seminera” ao amin’ny Fiofanana momba ny fandaharam-pampianarana seminera seminera (2025). Mety hahomby kokoa ny famitana io fiofanana io ao anatin’ireo herinandro vitsivitsy voalohany ao anatin’ny taona.

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ny ankamaroan’ny lesona dia misy fizarana “Loharanom-pitaovana fanampiny” any amin’ny faran’ny lesona. Ity fizarana ity dia ahitana fampahalalana izay afaka manampy hahatonga ny fianarana ho lalim-paka. Ho hitanao ato ireo mety ho valin’ireo fanontaniana mety hapetrak’ireo mpianatra na teny nambaran’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana izay tsara raha hampidirinao ao amin’ny lesona. Io fizarana io dia tsy hita raha tsy rehefa mijery ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra ao amin’ny application Médiathèque de l’Évangile na ny Médiathèque de l’Évangile an-jotra ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org ihany ianao. Ilay fizarana “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia tsy tafiditra ao amin’ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra amin’ny endrika PDF.

Jereo ny lesona izay hampianarinao manaraka raha toa ka ahitana “Loharanom-pitaovana fanampiny.” Moa ve misy fanontaniana, valim-panontaniana, na teny nataon’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana ao izay mety ahitana tombontsoa ny fizarana izany amin’ireo mpianatrao?

Sahanasa fianarana fanampiny

Ity fizarana ity, izay hita any amin’ny faran’ny lesona ihany koa, dia manolotra hevitra fanampiny amin’ny fitondrana ny traikefa amin’ny fianarana. Ireo sahanasa fianarana ireo dia ahitana fomba hampifanarahana amin’ny toe-java-misy ireo sahanasa amin’izao fotoana izao ao amin’ny lesona, na fomba hampianarana ireo fitaovana tsy tafiditra ao amin’ny lesona. Ny sahanasa fianarana fanampiny dia tsy misy ao amin’ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra raha tsy miditra ao amin’izany amin’ny alalan’ny application Médiathèque de l’Évangile na ny Médiathèque de l’Évangile an-jotraChurchofJesusChrist.org ianao. Ity fizarana ity dia tsy tafiditra ao anatin’ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra amin’ny endrika PDF.

Raha toa ka misy fizarana “Sahanasa fianarana fanampiny” ny lesona izay hataonao manaraka, dia avereno jerena ireo sahanasa ireo. Moa ve misy zavatra heverinao fa mety hahasoa raha ampiasaina miaraka amin’ny mpianatrao ankoatra ireo sahanasa fianarana hita ao amin’ny fizarana fototra ao amin’ny lesona?

Lesona miompana amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana sy lesona Fiomanana hiatrika ny fiainana

Tokony samy hampianarina ny mpianatra mandritry ny taona daholo ireo lesona miompana amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana sy ireo lesona Fiomanana hiatrika ny fiainana. Amin’ny ankapobeny dia lesona telo isan-kerinandro no ho lesona miompana amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, raha lesona Fiomanana hiatrika ny fiainana kosa no tokony ho ireo lesona roa hafa isan-kerinandro. Mety misy herinandro maromaro izay mitaky anao hanitsy ireo zavatra andrasana amin’ny ankapobeny ireo.

Ity fampahalalana manaraka ity dia afaka manampy anao hahatakatra ny tanjon’ireo fomba hanatanterahana ireo karazana lesona roa ireo.

Lesona miompana amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Ny lesona miompana amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia mifanaraka amin’ireo andian-tsoratra masina antitranterina isan-kerinandro ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy. Ireo lesona ireo dia manome fahafahana ny mpianatra hanana traikefa lalindalina kokoa amin’ny fandalinana ny fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Ireo lesona momba ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia ahitana ihany koa lesona momba ny Fampiharana ny fifehezana fotopampianarana sy ny lesona Tombano ny fianaranao.

Fifehezana fotopampianarana

Laharam-pahamehana lehibe iray ho anao amin’ny maha-mpampianatra anao ny manampy ireo mpianatra hanatontosa ireo vokatra andrasana avy amin’ny fifehezana fotopampianarana. Tafiditra ao anatin’ireo vokatra ireo ny fanampiana ireo mpianatra:

  • Hianatra sy hampihatra ireo fitsipika avy amin’ Andriamanitra mba hahazoana fahalalana ara-panahy.

  • Hahafehy ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo fotopampianaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izay ampianarin’izy ireo.

Ny fifehezana ireo andalan-tsoratra masina voafantina sy ny fotopampianaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izay ampianarin’ireo andalan-tsoratra masina ireo dia midika fa ireo mpianatra dia:

  • Hahafantatra sy hahatakatra ny fotopampianarana izay ampianarina ao amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana.

  • Hamelabelatra amin’ny fomba mazava tsara ny fotopampianarana amin’ny alalan’ny fampiasana ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana.

  • Hampihatra ny fotopampianaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy eo amin’ny safidy izay ataon’izy ireo isan’andro sy eo amin’ny fihetsika izay asetrin’izy ireo amin’ireo olana sy fanontaniana ara-potopampianarana, an’ny tena manokana, ara-piarahamonina ary ara-tantara.

  • Hitadidy sy hahita ny toerana misy ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ary hanao tsianjery ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina.

Ny Application Maîtrise de la doctrine dia afaka manampy ny mpianatra hanatanteraka ny sasany amin’ireo zavatra andrasana amin’ny fifehezana fotopampianarana. Natao ilay izy hanampiana ireo mpianatra hanao tsianjery ny toko sy andininy sy ireo andian-teny manan-danja ho an’ny tsirairay avy amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Azonao atao ny mampiasa ilay application ao an-dakilasy ary mamporisika ireo mpianatra hisintona izany amin’ny fitaovana ampiasainy manokana, raha azo atao. Misy ho an’ireo fitaovana mampiasa iOS sy Android izany.

ChurchofJesusChrist.org

4:3
Lesona Fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana

Ireo lesona Fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana dia natao hanampiana ny mpianatra hiasa mba hahazoana ny vokatry ny fifehezana fotopampianarana.

sary famantarana ny fanofanana Mba hahazoana fampahalalana bebe kokoa momba ny fomba hanampiana ireo mpianatra hahazo ireo vokatra andrasana avy amin’ny fifehezana fotopampianarana, dia jereo ny “Fiofanana momba ny fifehezana fotopampianarana” izay hita ao amin’ny Fiofanana momba ny fandaharam-pampianarana seminera. Mety hahomby kokoa ny famitana io fiofanana io ao anatin’ny herinandro vitsivitsy rehefa mahavita ilay fiofanana “Manaraka ary avy eo mampifanaraka ny fandaharam-pampianarana amin’ny toe-java-misy” ianao.

Lesona momba ny Tombano ny fianaranao

Ny fanaovana fanombanana dia ampahany manan-danja iray amin’ny fianarana. Ny fotoana ahafahana miato kely sy misaintsaina ny fianarana dia mety ho traikefa tsara ho an’ireo mpianatra ary mety hamporisika azy ireo amin’ny fitomboany sy fivoarany tsy mitsaha-mitohy mba ho tonga tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Rehefa manao tombana ny fahatakarany ny mpianatra, dia lasa mpandray anjara mavitrika amin’ny fizotry ny fianarana ary mandray andraikitra kokoa amin’ny fianarany izy ireo.

Ireo lesona momba ny Tombano ny fianaranao dia manome fahafahana ireo mpianatra hanazava ny fotopampianarana manan-danja ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, hisaintsaina ny toe-tsaina sy ny fanirian’izy ireo, ary hizara ny fivoaran’izy ireo eo amin’ny fikolokoloana ireo fitondrantena izay afaka manampy azy ireo ho tonga mpianatr’i Jesoa Kristy feno fanoloran-tena kokoa. Ireo lesona ireo dia afaka manampy ireo mpianatra hahatsapa fifaliana rehefa mahita ny fivoaran’izy ireo sy mamantatra ireo zavatra ilana fivoarana fanampiny amin’ny hoavy. Mba hahazoana ny isa tratrarina ho an’ny taranja dia mila mandray anjara farafahakeliny amin’ny lesona momba ny Tombano ny fianaranao amin’ny fisasahan’ny taranja tsirairay avy ny mpianatra.

Ireo mpianatra izay tsy nandray anjara tamin’ny iray amin’ireo lesona ireo nandritra ny antsasaky ny taranja dia mila mamita ny lesona momba ny Tombano ny fianaranao ho an’ny fisasaham-potoana tsirairay araka izay ilaina mba hahazoana ny isa tratrarina. Misy lesona momba ny Tombano ny fianaranao miisa roa ao amin’ny tovana ato amin’ity boky torolalana ity. Ny “Tombano ny fianaranao, Tapany 1” dia azo ampiasaina hanaovana ilay fitsapam-pahaizana izay tsy vita tao anatin’ny tapany voalohany tamin’ilay taranja. Ny “Tombano ny fianaranao, Tapany 2 dia azo ampiasaina hanaovana ilay fitsapam-pahaizana ao amin’ny tapany faharoa amin’ilay taranja. Azonao atao ny manome an’ireo mpianatra ity fitsapam-pahaizana ity sy manasa azy ireo hamita izany miaraka amin’ireo mpiara-mianatra hafa na ireo olona ao amin’ny fianakaviany. Rehefa vitan’izy ireo izany dia amporisiho izy ireo hizara aminao ny zavatra nianarany avy amin’ilay zavatra niainany. Izany dia afaka manome fahafahana anao hanompo ireo mpianatra ireo sy hankalaza ny fivoarany ara-panahy miaraka amin’izy ireo. Omeo isa amin’ny fitsapam-pahaizana ho an’ny fisasahan’ny taranja izy ireo rehefa mahavita ity lesona momba ny Tombano ny fianaranao ity.

sary famantarana ny fanofanana Ho fampahalalana misimisy kokoa mikasika ny fomba hanatanterahana ireo lesona momba ny Tombano ny fianaranao dia jereo ny “Fiofanana momba ny fitsapam-pahaizana” ao amin’ny Fiofanana momba ny fandaharam-pampianarana seminera. Mety hahomby kokoa ny mamita io fiofanana io ao anatin’ny herinandro vitsivitsy aorian’ny fahavitana ny “Fiofanana momba ny fifehezana fotopampianarana.”

Lesona Fiomanana hiatrika ny fiainana

Ireo lesona Fiomanana hiatrika ny fiainana dia manome fahafahana ny mpianatra hampihatra ny fampianaran’ny Mpamonjy mba:

  • Hiatrika ireo fanontaniana sarotra sy ireo toe-javatra sarotra eo amin’ny fiainana

  • Hanao safidy entanim-panahy amin’ny alalan’ny fampiasana ny fampianaran’i Jesoa Kristy sy ireo mpaminaniny

  • Hanorina fizakan-tena mba hamelomana ny tena manokana sy ny fianakaviana

  • Ho lasa salama kokoa ara-batana sy ara-pihetseham-po

  • Hampitombo fahaiza-manao mba hahombiazana any an-tsekoly

  • Hanao drafitra hiomanana amin’ny fianarana sy ny asa amin’ny ho avy

  • Hiomana amin’ny asa fitoriana sy ny asa fanompoana ao am-piangonana

  • Hiomana hanao fanekempihavanana any amin’ny tempoly sy hitandrina izany

Miezaha mampianatra lesona Fiomanana hiatrika ny fiainana miisa roa isan-kerinandro. Mety hampianatra mihoatra noho izany ianao ao anatin’ny herinandro sasantsasany ary mety hampianatra vitsy noho izany ao anatin’ireo herinandro hafa, saingy tokony hiezaka ny hampianatra lesona roa isan-kerinandro matetika araka izay azo atao ianao raha atao ny salanisa. Hanome fahafahana hampianarana ny mpianatra ireo lesona tsirairay avy ireo mandritra ny taom-pianarana izany. Mazàna dia tsy ilainao ny mampianatra ireo lesona ireo ao anatina filaharana manokana, kanefa misy lesona vitsivitsy mifampitohy avy amin’ireo hevitra nampianarina tany amin’ny lesona teo aloha.

Ny topimaso ankapobeny ho an’ny tsirairay avy amin’ireo sokajy ao amin’ny lesona Fiomanana hiatrika ny fiainana dia afaka ny ho loharanon-kevitra manan-danja amin’ny fanampiana anao handray fanapahan-kevitra mikasika ny fotoana hampianarana ny sasany amin’ireo lesona Fiomanana hiatrika ny fiainana. Ireo topimaso ankapobeny ireo dia hanampy anao hahita haingana ireo tanjon’ny lesona ho an’ireo lesona Fiomanana hiatrika ny fiainana samihafa, ary koa ireo sosokevitra momba ireo fotoana azo heverina ao anatin’ny taona hampianaranao azy ireo.

Ataovy izay hahazoana tahadikan’ny torolalana fandrindram-potoana izay omen’ny mpandrindra na ny mpitantana ny fandaharan’asa any amin’ny toerana misy anao.

sary famantarana ny fanofanana Azonao atao ihany koa ny mijery ny “Fiofanana momba ny famoronana torolalana fandrindram-potoana” ao amin’ny Fiofanana momba ny fandaharam-pampianarana seminera mba hanampiana anao hampifanaraka ny torolalana fandrindram-potoana nataonao amin’ny filan’ny mpianatrao.