Seminera
Tombano ny fianaranao, Tapany 1


“Tombano ny fianaranao, Tapany 1” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Tombano ny fianaranao,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Tovana

Tombano ny fianaranao, Tapany 1

Joseph Smith—Tantara 1; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1–4, 8–10

Ny fisaintsainana sy ny fanombanana ny fianarantsika ara-panahy dia afaka manampy antsika hanakaiky kokoa ny Mpamonjy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatsiaro sy hanombantombanana hoe ahoana no nanampian’ny fandalinanao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1–4, 8–10 ary koa ny Joseph Smith—Tantara anao mba hivoatra ara-panahy sy hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy. Mitadiava fotoana ahafahana mizara ny sasany amin’ireo valinteninao amin’ny mpianatra hafa na amin’ny olona ao amin’ny fianakaviana.

Fanamarihana: Alohan’ny hanaovana ity fanombantombanana ity dia ataovy izay hamitana ireo vakiteny takina raha toa ka tsy mbola nanao izany ianao: Joseph Smith—Tantara 1; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1–4, 8–10.

Inona no zavatra ianaranao? Manao ahoana ny fandrosoanao?

Makà minitra vitsivitsy hanoratana ao amin’ny diary fandalinanao momba ny fivoaranao mba hanakaikezana kokoa ny Mpamonjy rehefa nandalina ny Joseph Smith—Tantara 1 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1–4, 8–10 ianao. Mety tafiditra ao anatin’izany ny fotopampianarana sy fahamarinana ianaranao, ny fomba itomboan’ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy, ny fahazarana vaovao ezahinao hananana, ary ireo fiovana izay ezahinao atao.

Fanombanana ny fandalinana soratra masina

i Joseph Smith eo am-pamakiana ny Baiboly
  • Ahoana no nanampian’ny fandalinana soratra masina ny Mpaminany Joseph Smith?

Saintsaino ny tanjonao manokana amin’ny fandalinana ny soratra masina.

  • Inona no fiantraikan’ny ezaka ataonao eo aminao?

  • Inona no fomba iray ahatsapanao fa nahomby ianao teo amin’ny fandalinana ny soratra masina?

  • Inona no olana iray atrehinao amin’ny fandalinanao ny soratra masina?

Tombano ny zavatra tsapanao momba ny Mpaminany Joseph Smith (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1)

Manorata zavatra betsaka araka izay azo atao izay nianaranao momba ny Mpaminany Joseph Smith nandritra ireo herinandro vitsivitsy farany nanaovana ny seminera.

Tsipiho na ataovy anaty faribolana ny zavatra rehetra ao amin’ny lisitrao izay manondro ny fomba nanampiany anao hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy.

Tombano hoe hatraiza ny finoanao ireo zavatra notanisainao eo amin’ny mari-drefy 1 ka hatramin’ny 5 (1=tsy mino ary 5=mino amim-pahatokiana). Azonao atao ny mirakitra ireo zavatra niainanao izay nampitombo ny finoanao fa niantso an’i Joseph Smith ho mpaminany Andriamanitra mba hanampiana antsika hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy.

  • Raha misy olona manana olana amin’ny finoana fa niantso an’i Joseph Smith ho mpaminany Andriamanitra, inona no mety hasainao ataon’izy ireo mba hahazoany izany finoana izany na hanatanjahana izany?

Mandray fanambarana ho an’ny tena manokana (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8)

saina sy fo

Mifidiana vitsivitsy amin’ireto fanambarana manaraka ireto ary fenoy ao anatin’ny diarinao izy ireo. Ampidiro izay eritreritra hafa sy fahatsapana hafa izay tsapanao fa tokony horaketina.

  • Ny zavatra manan-danja indrindra nianarako vao haingana momba ny fanambarana avy amin’ny Ray any An-danitra dia …

  • ireo zavatra vitsivitsy izay nandramako vao haingana mba handraisana fanambarana ho an’ny tena dia ahitana ny momba ny…

  • Ny zavatra iray izay toa nisy fiantraikany tamin’ny fahafahako nandray fanambarana dia ny …

  • Ny zavatra niainako vao haingana izay tsy tiako hohadinoina dia …

  • Te hanohy hampitombo ny fahafahako mandray fanambarana avy amin’ Andriamanitra aho satria …

  • Mba hampitomboana bebe kokoa ny fahafahako mandray fanambarana avy amin’ Andriamanitra dia manolo-tena aho …

Mizarà zavatra izay noraketinao amin’ny olona iray ao amin’ny fianakavianao, na amin’ny namana iray, na amin’ny olona iray ao amin’ny kilasinao.