“Asa famerenana ho an’ireo lesona Tombano ny fianaranao,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Lesona Tombano ny fianaranao,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Tovana
Asa famerenana ho an’ireo lesona Tombano ny fianaranao
Mba hahazoan’ny mpianatra ny isa tratrarina ho an’ny taranja dia tsy maintsy mandray anjara izy amin’ny lesona Tomba ny fianaranao iray farafahakeliny, mandritra ny tapany voalohany na faharoa amin’ny fandaharam-pianarana. Raha toa misy mpianatra tsy nahatratra ny lesona Tombano ny fianaranao na iray aza nandritra ny tapany iray amin’ny fandaharam-pianarana dia mbola afaka mahazo isa tratrarina izy ireo amin’ny alalan’ny famenoana ny iray amin’ireto taratasy zaraina Tombano ny fianaranao manaraka ireto. (Azon’izy ireo atao ny manatanteraka azy roa raha ilaina.) Tsy mila manao izany ireo mpianatra izay nandray anjara tamin’ny lesona Tombano fianaranao iray farafahakeliny mandritra ny tapany tsirairay avy amin’ny fandaharam-pianarana.
Raha mila mamita fanombantombanana iray ho an’ny tapany voalohany amin’ny fandaharam-pianarana ny mpianatra dia omeo azy ireo ilay taratasy zaraina mitondra ny lohateny hoe “Tombano ny fianaranao, Tapany 1.” Raha mila mamita fanombantombanana iray ho an’ny tapany faharoa amin’ny fandaharam-pianarana ny mpianatra dia omeo ilay taratasy zaraina mitondra ny lohateny hoe “Tombano ny fianaranao, Tapany 2.” Amporisiho ny mpianatra hamita ireo vakiteny takina mialoha ny hanatanterahana ilay fanombantombanana. Tokony hanao tatitra aminao izy ireo rehefa nahavita io fanombantombanana io. Rehefa vitan’izy ireo izany dia angataho izy ireo hizara ny zavatra nianarany avy amin’ilay zavatra niainany.