Seminera
Sahanasa Tombano ny fianaranao ho an’ny lesona Fiomanana hiatrika ny fiainana


“Sahanasa Tombano ny fianaranao ho an’ny lesona Fiomanana hiatrika ny fiainana,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Sahanasa Tombano ny fianaranao,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Tovana

Sahanasa Tombano ny fianaranao ho an’ny lesona Fiomanana hiatrika ny fiainana

Rehefa avy nampianatra ny iray amin’ireo sokajy ao amin’ny lesona Fanomanana hiatrika ny fiainana ianao dia hevero ny hanampy ny mpianatra hisaintsaina ny fianarany sy ny fivoarany amin’ny alalan’ny fampidirana sahanasa fitsapam-pahaizana avy amin’izany sokajy izany ao anatin’ny lesona Tombano ny fianaranao iray ho avy. Azo ovaina ireo sahanasa ireo mba hifanaraka amin’ny zavatra ilain’ny mpianatrao.

Fampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana

Ampiharo eo amin’ny fiainanao ny fampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana

Nandritra ny fandaharam-pianarana dia nanana fahafahana maro ireo mpianatra handalinana sy hampiharana ireo fampianarana avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Ho an’ity sahanasa ity dia azonao atao ny mampahatsiahy ny mpianatra ireo lahateny manokana nohalalinina tao an-dakilasy. Raha azo atao dia asao izy ireo hisafidy iray amin’ireo lahateny nohalalinin’izy ireo sy hamerina hijery izany sy izay zavatra mety ho noraisin’izy ireo an-tsoratra. Amporisiho ny mpianatra hisaintsaina ny fomba nanampian’ireo fampianarana tao amin’ilay lahateny azy ireo hiezaka ny ho mpianatr’i Jesoa Kristy.

Hevero ny hizara ny mpianatra ho tsiroaroa amin’ity fampiharana manaraka ity. Afaka mifandimby manao tafa sy dinika izy ireo. Aorian’izay dia azonao atao ny manasa mpianatra iray na maromaro mba hitarika ny tafa sy dinika ataon’izy ireo eo anoloan’ny iray kilasy.

Alaivo sary an-tsaina hoe manao tafa sy dinika havoaka ao amin’ny gazetiboky Ho zatovo mahery! ianao momba ny fandalinana ireo fampianarana avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Hametraka ireto fanontaniana manaraka ireto aminao ilay mpanao tafa sy dinika:

  • Inona no nianaranao momba ny fandalinana ireo fampianarana avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana?

  • Amin’ireo lahateny sy lahatsoratra nohalalininao tao amin’ny seminera, inona no tena nanan-danja indrindra taminao ary nahoana?

  • Inona avy ireo fampianarana manokana nomen’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay nampiharinao teo amin’ny fiainanao vao haingana?

Ho zatovo mahery!: Manao safidy

Mandray hery avy amin’ny Tompo mba hanaovana safidy nentanim-panahy

Ity sahanasa ity dia hanampy ireo mpianatra hanombantombana ny zavatra nianarany tao amin’ireo lesona mifandray amin’ilay sokajy mitondra ny lohateny hoe “Ho zatovo mahery!: Manao safidy.” Mety hanampy ny mamerina mijery miaraka amin’ny mpianatra ny sasany amin’ny votoatin-kevitr’ireo lesona ireo.

Fomba iray hanampiana ny mpianatra hanombantombana ny zavatra nianarany sy tsapany tao amin’ireo lesona ireo ny manasa azy ireo hanoratra taratasy ho an’ny tenany. Azo ampiasaina ity famporisihana manaraka ity na ampifanarahana amin’ny zava-misy.

Alaivo sary an-tsaina hoe ho toy ny ahoana ny fiainanao amin’ny herintaona toy izao. Eritrereto ny zavatra antenainao hotratrarina amin’izany fotoana izany sy izay mety ho olana efa hainao mialoha. Manorata taratasy fampaherezana ho an’ny tenanao rehefa any aoriana any. Mety hanampy anao ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona no nianaranao sy tsapanao momba ny fahazoana hery avy amin’ny Tompo mba hanaovana safidy nentanim-panahy?

  • Moa ve misy tanjona napetrakao ka tianao hotohizana ny asa momba izany?

  • Inona no nianaranao momba ny fomba ahafahan’ny Tompo manampy anao hanao safidy nentanim-panahy amim-pahombiazana?

Manorina fizakan-tena

Manorena fizakan-tena araka ny fomban’ny Tompo

Asao ny mpianatra iray hanao sarin’olona tsotsotra maneho zatovo iray eo aminʼny solaitrabe. Asao ny iray kilasy hanome anarana an’io zatovo io ary hamorona antsipirian-javatra vitsivitsy momba ny toe-javatra iainan’izy ireo sy ny fianakaviany.

Avy eo dia angataho ny mpianatra mba hamorona toe-javatra toy ny tena zava-misy izay iatrehan’ny zatovo olana eo amin’ny fiainana.

Asao ny mpianatra hizarazara ho vondrona kely maromaro sy hifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no ahafahan’ny fianteherana amin’ny Mpamonjy sy ny fampianarany manampy io zatovo io hiatrika olana?

  • Inona no azon’io zatovo io atao mba hanorenana fizakan-tena eo amin’ny toe-javatra iainan’izy ireo?

    Azonao atao ihany koa ny manasa ireo mpianatra hizara fahamarinana momba ny fizakan-tena izay nianaran’izy ireo avy ao amin’ny soratra masina.

    Ny andinin-tsoratra masina sasany mety ho nohalalinin’ny mpianatra tao amin’ny lesona “Manorina fizakan-tena araka ny fomban’ny Tompo” dia ahitana ny:

    Asehoy ireto fanontaniana manaraka ireto. Asao ny mpianatra hisaintsaina azy ireo sy hanoratra ny eritreriny ao amin’ny diary fandalinany.

  • Inona avy ireo fahaiza-manao sy toetra nianaranao ka afaka manampy anao hizaka tena bebe kokoa amin’ny lafiny samihafa eo amin’ny fiainanao (toy ny fianarana, fahasalamana, asa, na tanjaka ara-panahy)?

  • Amin’ny fomba ahoana no ahatongavanao ho mizaka tena bebe kokoa?

  • Ahoana no hanasanao an’ Andriamanitra hanampy anao hanohy hanorina fizakan-tena?

Fahasalamana ara-batana sy ara-pihetseham-po

Mampihatra ireo fitsipika sy fahaiza-manao mba ho salama ara-batana sy ara-pihetseham-po kokoa

Hevero ny hanao sarina montagnes russes na lalana iray ahitana havoana sy lohasaha.

  • Nahoana ny olona sasany no mety hampitaha ny fiainany amin’ny montagnes russes iray na lalana ahitana havoana sy lohasaha?

  • Inona avy ireo “ambony” sy “ambany” izay mety ho tsapantsika eo amin’ny fiainantsika?

    Ampahatsiahivo ny mpianatra fa nandritra ity fandaharam-pianarana ity izy ireo dia nandalina lesona isan-karazany izay afaka manampy azy ireo hitodika amin’ny Tompo mba hahay hiaritra ara-pihetseham-po kokoa mandritra ny fotoana rehetra eo amin’ny fiainana.

    Hevero ny hanasa ny mpianatra hitanisa ny sasany amin’ireo fitsipika na fahaiza-manao nianaran’izy ireo mba hanana herin-tsaina hiaretan-javatra ara-pihetseham-po kokoa. Raha azo atao dia afaka manonona ny soratra masina na teny nambaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay mampianatra ireo fitsipika sy fahaiza-manao ireo izy ireo. Ny valintenin’ireo mpianatra dia mety hahitana fomba hanatsarana ny fomba fieritreretana sy hiatrehana ny adin-tsaina, ny tebiteby, ny alahelo, ny fahaketrahana ary ny fikatsahana ny lavorary. Afaka miresaka momba ny fanatsarana ny fahasalamany ara-batana ihany koa izy ireo.

    Asao ireo mpianatra mba hanoratra ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinany:

  • Inona no zavatra nianaranao ka nanan-danja taminao sy nanampy anao?

  • Inona avy ireo fahaiza-manao nampiasainao mba hitodihana any amin’ny Tompo mba hananana herin-tsaina hiaretan-javatra ara-pihetseham-po kokoa?

  • Inona avy ireo fahombiazana sy fitahiana avy amin’ny Tompo izay niainanao? Inona avy ireo olana mbola atrehinao?

  • Inona araka ny eritreritrao no mety ho tian’ny Tompo hataonao mba hanohizanao “[ny fibanjinana Azy] amin’ny eritreritra rehetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36) mba hananana herin-tsaina hiaretan-javatra ara-pihetseham-po kokoa?

Asao hizara ny valintenin’izy ireo sy ny zavatra niainany ny mpianatra raha tsy mikasika ny tena manokana loatra izany. Mitadiava fomba hanehoana fankasitrahana ny mpianatra noho ny ezaka ataon’izy ireo sy hijoroana ho vavolombelona fa hanampy sy hitahy azy ireo amin’ny fotoanany sy ny fombany manokana ny Tompo. Ampahatsiahivo ny mpianatra fa raha miatrika olana goavana amin’ny fikorontanan-tsaina, tebiteby, fahaketrahana, na olana ara-tsaina na ara-pihetseham-po hafa izy ireo dia tokony hiresaka amin’ny olon-dehibe azo antoka na amin’ny mpitsabo matihanina eo amin’ny fahasalamana ara-tsaina. Ny fitodihana amin’ny hafa mba hahazoana fanampiana rehefa sahirana isika dia tsy mariky ny fahalemena na tsy fahampian’ny finoana.

Miomana amin’ny fianarana sy ny asa amin’ny hoavy

Takaro ny maha-zava-dehibe ny fianarana ara-nofo sy ara-panahy mandritra ny androm-piainana

Zarao ity rafi-tantara manaraka ity na ny iray tahaka izany mba hanomezana fahafahana ny mpianatra hanazava ny zavatra nianarany momba ny maha-zava-dehibe ny fianarana.

Rehefa nandeha nody avy tany an-tsekoly i Naomy namanao dia nilaza taminao fa tsy tiany ny mianatra. Mahatsapa izy fa sarotra loatra izany ary matetika no tsapany ho toa tsy ilaina akory. Tsy manana faniriana ny hiasa mafy any an-tsekoly izy na hanohy ny fianarany rehefa mahavita ny sekoly ambaratonga faharoa.

Omeo fahafahana hamaly io olana io ny mpianatra. Fomba iray mety ho azonao hanaovana izany ny fizarana ireto torolalalana manaraka ireto. Azon’ny mpianatra atao ny mamita manokana na miaraka amina vondrona kely ilay torolalana.

Mamoròna valinteny ho an’i Naomy izay afaka manampy azy hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fianarana. Hevero ny hampiditra ny sasany amin’ireto manaraka ireto na izy rehetra ao anatin’ny valinteninao:

  1. Soratra masina anankiray na teny nambaran’ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana

  2. Fanazavana momba ny antony hitiavan’ny Ray any An-danitra hikatsahan’ireo zanany mandrakariva ny fianarana ara-nofo sy ara-panahy

  3. Zavatra niainana manokana na fijoroana ho vavolombelona

Rehefa vitan’ny mpianatra ny famoronana ny valinteniny dia omeo fahafahana izy ireo hizara izany amin’ny hafa.

Mamoròna drafitra ho an’ny fianarana sy ny asa any aoriana

Nanana fahafahana ireo mpianatra hanao drafitra mifandray amin’ny fianarany any aoriana sy ireo asa azo atao any aoriana ary ireo anjara asa hafa izay hosahanin’izy ireo rehefa lasa olon-dehibe izy ireo. Asao ny mpianatra hamerina hijery ny drafitra nataon’izy ireo.

Omeo fahafahana izy ireo hanao izay fanovana tsapan’izy ireo fa ilaina. Azon’izy ireo atao ihany koa ny mieritreritra ny fiantraikan’ireo drafitra ireo eo amin’ny safidiny amin’izao fotoana izao. Asao izy ireo avy eo hifanakalo hevitra amina namana iray momba ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona avy ireo drafitrao ho an’ny fianaranao any aoriana?

  • Inona avy ireo drafitra tokony hiomananao eo anatrehan’ireo asa azo atao any aoriana na ireo andraikitra hafa izay hanananao rehefa lasa olon-dehibe ianao?

  • Ahoana no hampandraisanao anjara ny Tompo ao anatin’ny drafitra nataonao?

Fahombiazana any an-tsekoly

Ampiharo ireo fahaiza-manao mba hahombiazana any an-tsekoly

Mba hanampiana ny mpianatra hahatsiaro ny sasany amin’ireo fahamarinana sy fahaiza-manao nianaran’izy ireo izay afaka manampy azy ireo hahomby kokoa any an-tsekoly dia hevero ny hanao sarin’olona tsotsotra izay maneho mpianatra iray. Hazavao fa sahirana amin’ny fanaovana ny tsara any an-tsekoly io mpianatra io.

  • Inona avy ireo fahamarinana sy fahaiza-manao sasantsasany izay nianaranao ka afaka manampy olona iray izay sahirana any an-tsekoly?

Raha ilaina dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hizara ny zavatra tsaroan’izy ireo fa nianarany momba ny fampandraisana anjara ny Tompo amin’ny fianarany, ny fananana fahamarinan-toetra sy fahitsiana eo amin’ny fianarany, ny fiomanana amin’ireo fitsapam-pahaizana sy tetikasa sarotra, ary ny fijerena ny olana amin’ny fomba fisainana tia fivoarana. Avereno jerena ireo hevitra sy soratra masina avy amin’ireo lesona ireo raha ilaina. Ohatra, azonao atao ny manasa ny mpianatra hizara ny zavatra tsaroan’izy ireo mikasika ny fomba nampandraisan’ny Mpaminany Joseph Smith anjara ny Tompo tamin’ny fianarany (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:10–18) na ny fomba fijerin’i Nefia ny olany tamin’ny fomba fisainana tia fivoarana (jereo ny 1 Nefia 16:18–23, 30–32).

Avy eo dia asao ireo mpianatra hisaintsaina ny fomba nampiharan’izy ireo an’ireo hevitra ireo teo amin’ny fiainan’izy ireo. Azonao aseho ireto fanontaniana manaraka ireto ary asao ny mpianatra hirakitra an-tsoratra ny valinteniny ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo.

  • Inona avy ireo fahamarinana na fahaiza-manao sasantsasany izay nampiharinao teo amin’ny fiainanao mba hanampiana anao hahomby kokoa any an-tsekoly?

  • Inona no fiovana nentin’ireo zavatra ireo?

  • Ahoana no nahitanao fa ny fifandraisanao tamin’ny Tompo na ny fahafahanao mahazo ny fanampiany dia niova rehefa nanao ireo zavatra ireo ianao?

Rehefa avy nomena fotoana ampy nanoratana ny valinteniny ny mpianatra dia asao ny vitsivitsy amin’izy ireo hizara ny heviny sy ny zavatra niainany amin’ny iray kilasy. Amporisiho izy ireo hihaino tsara ny mpiara-mianatra aminy ary hanandrana ny sasany amin’ireo fahaiza-manao izay nahombiazan’ireo mpiara-mianatra aminy.

Fiomanana ho misiônera

Miezaha hahatsapa faniriana mitombo ny hizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny hafa

Ao amin’ny lesona “Mitia, mizara, ary manasa” dia mety ho nampiseho sarina biby miafina iray ianao. Hevero ny hampiseho indray ilay sary ary ampahatsiahivo ny mpianatra ity teny nambara manaraka ity izay nampiasaina tamin’io lesona io.

Nampianatra izao ny Loholona Quentin L. Cook ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Loholona Quentin L. Cook

Ny ampahany manan-danja amin’ity ezaka fitoriana ny filazantsara ity dia ny hahatonga ny mpikambana tsirairay ho ohatry ny fahazavan’ny fanilo na aiza na aiza toerana onenantsika. Tsy afaka ny hiafinafina isika. (Quentin L. Cook, “Tafangona soa aman-tsara ao an-tokantrano,” Liahona, mey 2023, 23)

  • Mety ho toy ny ahoana izany hoe ohatry ny fahazavan’ny fanilo izany ny olona iray amin’ny maha-misiônera ho an’i Jesoa Kristy azy? Mety ho toy ny ahoana ny hoe miafinafina amin’ny maha-misiônerany?

Mety efa noraketin’ny mpianatra ny zavatra tsapany momba ny fizarana ny filazantsara ao amin’ny lesona 199, “Mizara ny filazantsara noho ny fitiavana tahaka ny an’i Kristy.” Azonao atao ny manasa azy ireo hijery indray ny zavatra nosoratany. Na azonao atao ny manasa azy ireo hirakitra an-tsoratra ny eritreriny sy ny fahatsapany amin’izao fotoana izao momba ny fizarana ny filazantsara. Rehefa misaintsaina sy manoratra izy ireo dia azonao atao ny manoro hevitra azy ireo handalina indray ny iray na maromaro amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto avy ao amin’ny lesona 201, “Misafidy ny hanao asa fitoriana,” mba hahatsiarovana ny sasany amin’ireo fampanantenan’ny Tompo ho an’ireo izay mizara ny filazantsara.

Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia manasà mpianatra manolo-tena vitsivitsy hizara ny zavatra noraketiny sy ny zavatra nitaona ny fanirian’izy ireo ho misiônera ho an’ny Tompo.

Fiomanana ho any amin’ny tempoly

Miezaha hahatsapa faniriana mitombo hanao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra any amin’ny tempoly

Hevero ny hampiasa ny iray na ny maromaro amin’ireto sahanasa manaraka ireto mba hanampiana ny mpianatra hanombana ny faniriany hanao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra any amin’ny tempoly. Afaka manoratra ao amin’ny diariny na mifanakalo hevitra ao anaty vondrona kelikely ny mpianatra.

  1. Mampisehoa sarina tempoly iray ary zarao ny fomba ampahatsiahivan’ny tempoly anao an’i Jesoa Kristy. Raha ilaina dia afaka mahita sary ianao ao amin’ny galerie de photos ao amin’ny temples.ChurchofJesusChrist.org. Zarao ny eritreritrao sy ny fahatsapanao momba ny fanaovana sy fitandremana fanekempihavanana amin’ny Ray any An-danitra ao amin’ny tempoliny.

  2. Tao anatin’ny iray tamin’ireo lesona fiomanana ho any amin’ny tempoly dia nianatra momba ny maha-zava-dehibe ny fitsaohana any amin’ny tempoly mandritra ny androm-piainanao ianao. Mety ho nanoratra taratasy ho an’ny tenanao regefa any aoriana any ianao momba ny maha-zava-dehibe ny fitsaohana ny Tompo any amin’ny tempoliny. Misy zavatra nianaranao na tsapanao vao haingana ve ka nisy fiantraikany tamin’ny fanirianao hanao sy hitandrina fanekempihavanana amin’ny Ray any An-danitra any amin’ny tempoly? Raha izany no izy dia ampidiro ao amin’ilay taratasy izany na manorata zavatra vaovao ho an’ny tenanao.

  3. Eritrereto ny zavatra nianaranao momba ny fanaovana fanekempihavanana amin’ny Tompo any amin’ny tempoly, anisan’izany ny lalàn’ny fanokanana. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona no nataonao mba hiainana tsaratsara kokoa ireo fitsipiky ny lalàn’ny Tompo momba ny fanokanana?

  • Ahoana no nanampian’izany anao hiomana hanao fanekempihavanana amin’ny Tompo any amin’ny tempoly mba hiaina io lalàna io?