Seminera
Lesona 199: Mizara ny filazantsara noho ny fitiavana tahaka ny an’i Kristy: Fitiavana an’ Andriamanitra sy ny hafa


“Lesona 199: Mizara ny filazantsara noho ny fitiavana tahaka ny an’i Kristy: Fitiavana an’ Andriamanitra sy ny hafa,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Mizara ny filazantsara noho ny fitiavana tahaka ny an’i Kristy,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Lesona 199: Fiomanana ho misiônera

Mizara ny filazantsara noho ny fitiavana tahaka ny an’i Kristy

Fitiavana an’ Andriamanitra sy ny hafa

I Jesoa manompo olona iray

Misy antony maro azontsika hisafidianana mahatonga antsika hizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny hafa. Mitombo ny faniriantsika hizara ny filazantsara rehefa mianatra mitia an’ Andriamanitra sy ireo manodidina antsika isika. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra fa ny fitiavan’izy ireo ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny olona hafa dia afaka manosika azy ireo hizara ny filazantsara.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Antony manosika hanompo

Hevero ny hampiseho sarina zatovo manompo amina sehatra isan-karazany. Asao ny mpianatra hizara antony maro mety mahatonga ireo zatovo ao amin’ny sary tsirairay hanompo. (Mety ho anisan’ny antony ny adidy, ny fitiavana, ny zavatra andrasan’ny ray aman-dreny, ny fahatsapan-tena ho meloka, na ny fifampiresahana amin’ny hafa)

zatovo manompo ny hafa 1
zatovo manompo ny hafa 2
zatovo manompo ny hafa 3
  • Na dia misy antony maro hanompoana ny hafa aza, inona no antony tena mety hanampy antsika ho tonga tahaka ny Mpamonjy? Nahoana?

Azonao atao avy eo ny mampiseho ny sarin’ny olona iray mizara ny filazantsara rehefa manasa ireo mpianatra hiresaka ireto fanontaniana manaraka ireto ianao:

zatovolahy iray mampiseho ny Bokin’i Môrmôna amin’ny olona iray
  • Inona avy ireo antony sasantsasany mety hahatonga ny olona iray hisafidy hizara ny filazantsara amin’ny namana iray na hisafidy mihitsy aza ny hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno?

  • Inona avy ireo antony tena mety hanampy azy ireo hahomby amin’ny fitondrana ny hafa ho eo amin’ Andriamanitra?

Hevero ny hanome fotoana ny mpianatra hisaintsainana sy hiraketany an-tsoratra ny zavatra tsapany momba ireto manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinany:

  • Inona no tsapanao momba ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny hafa? Nahoana no izany no tsapanao?

  • Mikasa ny hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno ve ianao? Raha eny, dia inona no mandrisika anao?

Asao ny mpianatra hikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy Masina mandritra ny lesona rehefa mieritreritra ny fanirian’izy ireo hizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izy ireo.

Ireo antony mandrisika an’ Andriamanitra

Hevero ny hanazava amin’ny mpianatra fa rehefa fantatsika ny zavatra manosika ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy hanompo antsika dia afaka maka tahaka tsara kokoa ny ohatra asehon’ Izy Ireo isika.

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra izany dia azonao atao ny mampiseho ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto. Asao ny mpianatra tsirairay hisafidy andinin-tsoratra masina iray na roa mba hovakina sy hosaintsainina.

Vakio ny iray na roa amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ka tadiavo ny zavatra ampianarin’izy ireo momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy:

Asao ireo mpianatra hivezivezy manerana ny efitrano fianarana ary hizara amin’ireo mpiara-mianatra izay nisafidy andinin-tsoratra masina hafa mikasika ny zavatra nianarany momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Rehefa vitan’ny mpianatra ny mizara izany dia manasà mpilatsaka an-tsitrapo hamintina ny zavatra nianarany momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Ampio ireo mpianatra hahafantatra fa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia vonona ny hanompo amin’ny alalan’ny fitiavana.

Mety hila fotoana hisaintsainana ireto fanontaniana manaraka ireto ny mpianatra alohan’ny hahatsapany ho vonona hamaly amin’ny feo mafy. Azonao omena fotoana izy ireo hanoratana ny valinteniny ao amin’ny diary fandalinany alohan’ny hangatahana mpilatsaka an-tsitrapo hizara.

  • Inona avy ireo traikefa izay nanampy anao hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy anao?

  • Ahoana no ahafahan’ny fahatakarana ny antony anompoan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy antsika hisy fiantraikany eo amin’ny fanirianao hizara ny filazantsara amin’ny hafa?

Afaka manosika antsika hizara ny filazantsara ny fitiavana

Ity fizarana ao amin’ny lesona ity dia mampiasa ny fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny Jaona 21 mba hanampiana ireo mpianatra hahita fa ny fitiavana dia afaka mandrisika antsika hizara ny filazantsara.

Fomba iray hafa hanatanterahana izany ny fanasana ireo mpiara-miasa handalina ny fizarana “Fiantrana sy fitiavana”, anisan’izany ireo hevitra hoe “Fandalinana soratra masina” ao amin’ny pejy 127 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako: Torolalana ho an’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy (2023), ka hitady ny fomba ahafahan’ny fitiavana mandrisika antsika hizara ny filazantsara.

Fotoana fohy taorian’ny nanomboana an’i Jesoa Kristy tamin’ny hazofijaliana dia maro tamin’ireo mpianany no nandeha nanjono. Raha mbola nanjono iny izy ireo dia nanasa azy ireo ny lehilahy iray teo amoron-dranomasina handatsaka ny harato teo amin’ny ilany ankavanan’ny sambo. Rehefa avy nanao izany sy nahazo trondro maro ireo mpianatra dia tonga saina fa ilay lehilahy dia ny Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty. Rehefa tonga nanamorona izy ireo dia nanompo azy ireo i Jesoa tamin’ny alalan’ny famahanana sakafo sy tamin’ny fampianarana azy ireo.

Hevero ny hanasa ny mpianatra hitady ireo fanasana miverimberina nataon’ny Mpamonjy tamin’i Petera amin’ny alalan’ny famakiana miaraka ny Jaona 21:15–17.ChurchofJesusChrist.org (Mety hanampy ny mpianatra ny mahafantatra fa ny teny hoe ireo ao amin’ny andininy 15 dia mety hilazana ny hazandrano rehetra azon’ireo mpianatra.)

5:45
  • Inona no ianaranao avy amin’ny fomba tian’i Jesoa hanehoan’i Petera ny fitiavany?

Vakio ity fanambarana manaraka avy amin’ny Mpaminany Joseph Smith (1805–44) ity, ka tadiavo ny zavatra ampian’izany amin’ny fahatakaranao ny fanasan’i Jesoa ao amin’ny Jaona 21.

ny Mpaminany Joseph Smith

Ny fitiavana dia iray amin’ireo toetoetra lehiben’ny Andriamanitra, ary tokony hasehoan’ireo izay maniry ny ho zanak’ Andriamanitra. Ny lehilahy heniky ny fitiavan’ Andriamanitra dia tsy mifaly fotsiny amin’ny fitondrana fitahiana ho an’ny fianakaviany, fa mitety an’izao tontolo izao, maniry ny hitahy ny zanak’olombelona rehetra. (Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith [2007], 426)

  • Inona no hitanao ho niavaka indrindra tamin’ny teny nataon’i Joseph Smith?

  • Inona no nianaranao avy tamin’ny Jaona 21 sy Joseph Smith izay mety handrisika anao hizara ny filazantsara na koa hanao asa fitoriana ny filazantsara?

  • Inona araka ny eritreritrao no fomba mahomby hampitomboana ny fitiavantsika an’ Andriamanitra? Hampitomboana ny fitiavantsika ny olon-kafa?

Fandresena ny fisalasalana hizara ny filazantsara

Azon’ny mpianatra atao ny mamorona vondrona mba hamitana ity sahanasa manaraka ity. Mety hanampy ny fanomezana taratasy ho an’ny vondrona tsirairay.

  1. Ao anatin’ny vondrona iray dia mamoròna rafi-tantara iray izay ahitana zatovolahy iray misalasala hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno na misalasala hizara ny filazantsara amin’ny namana iray. Misafidiana mpitantsoratra iray mba hanoratra ilay rafi-tantara eo amin’ny taratasy iray. Ataovy izay hampidirana ireo antony mahatonga ilay olona ao amin’ilay rafi-tantara hiahotra.

    Inty dia ohatra iray amin’ireo rafi-tantara mety hoforonin’ireo vondrona: “Vao haingana i Antonio no naheno lahateny tamin’ny fihaonambe izay namporisihana ny hisian’ny zatovo maro kokoa hiomana ho misiônera ho an’ny Tompo. Fantany fa izany no zavatra tokony hataony. Na izany aza anefa dia sarotra aminy ny miresaka amin’ny olona izay tsy fantany, ary mahatsapa izy fa tsy mahafantatra tsara ny soratra masina raha hampianatra olona hafa. Matahotra izy hoe tsy ho lasa misiônera mahomby.”

    Rehefa avy nosoratan’ireo vondrona ireo rafi-tantara noforonin’izy ireo, dia hevero ny hangataka azy ireo hifanakalo rafi-tantara amin’ny vondrona hafa alohan’ny hamitana ny dingana manaraka.

  2. Amin’ny alalan’ny fampiasana ny zavatra nianaranao sy tsapanao androany dia mangataha mpitantsoratra iray hanoratra ny zavatra hozarain’ny vondrona misy anao mba hanampiana ilay olona ao amin’ilay rafi-tantara. Ampidiro ao ireo sosokevitra momba ny zavatra azon’ilay olona atao mba hampitomboana ny fitiavany ny Mpamonjy sy ny hafa. Azonao atao ny mampiditra zavatra iray mikasika ny fomba ahafahan’ny fahatsapana ny fitiavan’ny Mpamonjy manampy amin’ny fitomboan’ny fanirian’io olona io mba handeha hanompo.

Hevero ny hanasa vondrona hizara amin’ny iray kilasy ny fihetsik’izy ireo manoloana ny rafi-tantaran’ilay vondrona iray hafa.

Ho famaranana ny lesona dia omeo fotoana ny mpianatra hiraketany an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinany ny fomba ahafahan’ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny hafa manampy azy ireo handresy izay mety ho fisalasalana mety ho tsapan’izy ireo momba ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.