Seminera
Fiomanana ho misiônera: Topimaso ankapobeny


“Fiomanana ho misiônera: Topimaso ankapobeny,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)

“Fiomanana ho misiônera,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Fiomanana ho misiônera

Fiomanana ho misiônera

Topimaso ankapobeny

Afaka manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely isika amin’ny alalan’ny fitiavana ny hafa sy ny fizarana ny hafatr’i Jesoa Kristy ary ny fanasana azy ireo hanatona ny Mpamonjy. Mitahy ireo misiônera Andriamanitra rehefa manompo amim-pahavitrihana sy mampianatra ny olona ao amin’ny fiarahamonina misy azy ireo sy manerana izao tontolo izao izy ireo. Nanome ny Bokin’i Môrmôna Andriamanitra ho an’ny fanangonana amin’ny andro farany.

Sosokevitra amin’ny fandaminana ny fotoana: Misy safidy tsara maro azo eritreretina mba handaminana ny fotoana ho an’ireo lesona ireo. Ohatra:

  1. Ampianaro hatramin’ny fiafaran’ny taom-pianarana ireo lesona sasany na izy rehetra, izay fotoana mety handefasan’ireo mpianatra efa lehibe ny taratasy firotsahan’izy ireo ho misiônera.

  2. Ampianaro ny sasany amin’ireo lesona ireo rehefa mandalina ireo fizarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana izay manampy antsika hahatakatra kokoa ny asa fitoriana ianao. Ny sosokevitra sasany dia voatanisa eo akaikin’ireo lesona manokana hita etsy ambany.

Miomana hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilaina homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Mizara ny filazantsara noho ny fitiavana araka an’i Kristy

Sosokevitra amin’ny fandaminana ny fotoana: Azonao heverina ny hampianatra ity lesona ity mandritra ny fotoana izay ampianaranao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18. Ny andininy 10–16 dia manampy antsika hahatakatra ny fomba itarihan’ny fitiavan’ny Mpamonjy ho any amin’ilay faniriany mba hanatonan’ny rehetra Azy.

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fomba ahafahan’ny fitiavan’izy ireo ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy ary ny olona hafa mandrisika azy ireo hizara ny filazantsara.

  • Fanomanana ny mpianatra: Omeo ny mpianatra ilay teny nambaran’i Joseph Smith avy ao amin’ity lesona ity. Asao izy ireo hiomana hizara ny fomba handrisihan’io teny nambara io ny olona iray hizara ny filazantsara amin’ny hafa sy hiomana handeha hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno.

  • Sary haseho: Zatovo manompo ao anaty toe-javatra maro samihafa; olona iray mizara ny filazantsara

  • Fitaovana: Tapa-taratasy kely tsy misy na inona na inona mba hampiasain’ireo vondrona kely

Mitia, mizara, ary manasa

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hanao drafitra mba hizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fampiasana ireo fitsipiky ny mitia, mizara, ary manasa.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra ho tonga miaraka amin’ny fahavononana hizara ny tantaran’ny fiovam-pon’izy ireo manokana na ny tantaran’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana na ny an’ny namana iray mikasika ny nidiran’izy ireo ho mpikambana ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

  • Sary haseho: Biby iray miafina

  • Taratasy zaraina:Mitia, mizara, ary manasa

Misafidy ny hanao asa fitoriana

Sosokevitra amin’ny fandaminana ny fotoana: Azonao heverina ny hampianatra ity lesona ity rehefa mampianatra ny lesona “Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–36, Tapany 1,” izay mifantoka amin’ireo antony maro hitiavan’ny Tompo ny hizarantsika ny filazantsara.

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ireo mpianatra hahatsapa faniriana bebe kokoa hanompo ny Tompo amin’ny maha-misiônerany azy ireo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hiresaka amin’ny olona iray izay efa misiônera mpampianatra filazantsara na misiônera mpanao asa fanompoana. Azon’ny mpianatra atao ny mangataka ilay olona hizara ireo fomba maro samihafa nitahian’ny Tompo azy ireo sy ny hafa nandritra ny naha-misiônera azy ireo.

  • Fitaovana: Ohatrana taratasy fanendrena handeha hanao asa fitoriana atao anaty taratasy kely ao anaty harona; tahadikan’ny fanambarana voalohany nataon’ny Filoha Russell M. Nelson mba hifanakalozana hevitra

  • Taratasy zaraina:Ireo fitahiana avy amin’ny asa fanompoana eo amin’ny asa fitoriana

Fitaovana enti-manova fo ny Bokin’i Môrmôna

Sosokevitra amin’ny fandaminana ny fotoana: Azonao heverina ny hampianatra ity lesona ity amin’ny fotoana izay ampianaranao ny “Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:49–102.” Ny andininy 54–57 dia manampy antsika hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny tsy tokony hanamaivanana ny Bokin’i Môrmôna.

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny tokony hanatanjahan’izy ireo ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ny Bokin’i Môrmôna eo am-piomanan’izy ireo hizara ny filazantsaran’ny Mpamonjy.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hangataka olona iray ao amin’ny fianakaviany na namana iray azony itokisana momba ny fomba nahazoan’izy ireo fijoroana ho vavolombelona voalohany momba ny Bokin’i Môrmôna. Amporisiho ny mpianatra izay mahazo aina hanao izany mba hizara ihany koa ny zavatra niainan’izy ireo manokana tamin’ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna.

  • Fitaovana: Mampisehoa fitaovana tsotra maro samihafa (na sarin’izany)

Fahazotoana amin’ny asa fitoriana

Sosokevitra amin’ny fandaminana ny fotoana: Azonao heverina ny hampianatra ity lesona ity mandritra ny fotoana ampianaranao ny lesona “Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4.” Ny andininy 6 dia mampiseho fa ny fahazotoana dia toetra tahaka ny an’i Kristy iray izay ananan’ireo izay maniry hanampy amin’ny asan’ny Tompo.

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hikatsaka ny fanampian’ny Tompo mba ho lasa hazoto kokoa eo amin’ny fiainan’izy ireo sy amin’ny fiomanan’izy ireo ho lasa misiônerany.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ny fomba hamariparitan’ity famaritana momba ny zotom-po manaraka ity an’i Jesoa Kristy. Afaka mitadidy tantara teo amin’ny fiainany ihany koa izy ireo izay nanehoany fahazotoana.

Ny fahazotoana dia “ezaka mafy sady tsy miato, indrindra amin’ny fanompoana ny Tompo sy ny fankatoavana ny teniny” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fahazotoana,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

  • Sary haseho: Tranobe; fianakaviana iray ampianarin’ny misiônera

  • Horonan-tsary:Rihana fahatelo, varavarana farany” (21:33; jereo manomboka amin’ny mari-potoana 14:17 ka hatramin’ny 17:27 sy manomboka amin’ny 18:27 ka hatramin’ny 18:57)

  • Fitaovana: Tahadikan’ireo torolalana ho an’ilay sahanasa fanao anaty vondrona