“Lesona 203: Fahazotoana amin’ny asa fitoriana: Miomana mba ho lasa misiônera mazoto,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Fahazotoana amin’ny asa fitoriana,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
I Jesoa Kristy dia nanome antsika ohatra tonga lafatra amin’ny fahazotoana izay tokony hiezahantsika halaina tahaka rehefa manompo ny hafa isika. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hikatsaka ny fanampian’ny Tompo mba ho lasa hazoto kokoa eo amin’ny fiainan’izy ireo sy amin’ny fiomanan’izy ireo ho lasa misiônerany.
Ireo sahanasa fianarana azo atao
Rihana fahatelo, varavarana farany
Hevero ny hanomboka ny lesona amin’ny alalan’ny fanampiana ny mpianatra hisaintsaina ny maha-zava-dehibe ny fahazotoana amin’ny asa fitoriana. Azonao atao ny mampiseho ity sary manaraka ity ary mizara ny tantara etsy ambany. Na azonao atao ny mampiseho ny horonan-tsary “Rihana fahatelo, varavarana farany ,” izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org , manomboka eo amin’ny mari-potoana 14:17 hatramin’ny 17:27. Azonao atao ny mampiato ilay horonan-tsary eo amin’ny mari-potoana 16:03 mba hijeren’ny mpianatra ny mety ho nataon’izy ireo tamin’io fotoana io. Asehoy avy eo ny ambin’ilay horonan-tsary.
21:33
Ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara ity zavatra manaraka izay niainan’ireo misiônera tany Eorôpa ity izay nahatsapa ho notaomim-panahy hizara ny filazantsara tamin’ireo mponina tao amin’ny trano iray misy rihana telo.
Nanomboka tao ambany rihana izy ireo ary nandondona ny varavarana tsirairay, namelabelatra ny hafatry ny famonjena momba an’i Jesoa Kristy sy ny Famerenana ny Fiangonany tamin’ny laoniny.
Tsy nisy nihaino azy ireo tao ambany rihana. …
… Nandondòna ny varavarana rehetra teo amin’ny rihana voalohany izy ireo.
Tsy nisy olona nihaino indray tao.
Toy izany koa ny tao amin’ny rihana faharoa. (Dieter F. Uchtdorf, “Rihana fahatelo, varavarana farany ,” Liahona , nôv. 2016, 17)
Notohizan’ny Loholona Uchtdorf hoe:
[Dia toy izany koa] ny rihana fahatelo, mandra-pandondonan’izy ireo ilay varavarana farany tao amin’ny rihana fahatelo.
Rehefa nisokatra izany varavarana izany dia nisy zatovovavy iray nitsiky tamin’izy ireo ary nangataka azy ireo mba hiandry fa hiresaka amin’ny reniny izy. …
… Natolotr’ireo misiônera ny hafatr’izy ireo ary nanolotra boky iray ho an’ilay reny izy ireo mba ho vakina, dia ny Bokin’i Môrmôna izany.
Rehefa lasa izy ireo dia nanapa-kevitra ilay reny fa hamaky na dia pejy vitsivitsy fotsiny aza farafahakeliny.
Vitany tao anatin’ny andro vitsivitsy ilay boky manontolo.
Tsy ela taorian’izay dia niditra tao amin’ny ranon’ny batisa ity fianakaviana mahafinaritra maty ray ity. (Dieter F. Uchtdorf, “Rihana fahatelo, varavarana farany ,” Liahona , nôv. 2016, 17–18)
Toetra tahaka ny an’i Kristy ao amin’ny misiônera
Hevero ny hanasa ny antsasaky ny mpianatra hamaky ireo andininy etsy ambany ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana fizarana 4 ary ny antsasany hamaky ireo andininy ao amin’ny fizarana 75 . Aorian’ny famakiana dia azon’ny mpianatra atao ny mizara ny valinteniny amin’ireo fanontaniana etsy ambany amin’ny olona iray izay mamaky ilay toko sy andininy hafa.
Raha tsy izany dia azonao atao ny manendry mpianatra hiara-hiasa handalina ny fizarana “Fahazotoana ”, anisan’izany ireo hevitra hoe “Fandalinana soratra masina” ao amin’ny pejy 132–33 ao amin’ny Torio ny filazantsarako: Torolalana ho an’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy (2023).
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:2–6 ; 75:2–5, 29, , ka tadiavo ireo teny sy andian-teny nampiasain’ny Tompo mba hamaritana ireo izay maniry ny hanompo Azy, anisan’izany ireo misiônerany.
Inona no andrasan’ny Mpamonjy amin’ireo izay maniry ny hanompo Azy amin’ny maha-misiônera amin’ny fotoana feno? Nahoana?
Ahoana no mety hanampian’ireo toetra sy fihetsika ireo antsika amin’ny toe-javatra sarotra izay mety hatrehintsika?
Ao anatin’ireo fahamarinana zarain’ny mpianatra dia mety hahita izy ireo fa miandrandra ireo misiônerany ny Tompo mba hiasa amim-pahazotoana amin’ny fizarana ny filazantsarany .
Inona no atao hoe fahazotoana?
Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fiantombohana fehezan-teny manaraka ity ary asao ny mpianatra hanoratra ny fomba mety hamaranan’izy ireo izany.
Ny fahazotoana dia …
Raha mila fanampiana amin’ny famaritana ny fahazotoana ny mpianatra dia azonao atao ny mizara fa ny famaritana iray azo heverina dia ny hoe “ezaka tsy tapaka sy matotra” (Torio ny Filazantsarako: Torolalana ho an’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy [2023], 132 ).
Azonao atao ny mitanisa ny valintenin’ny mpianatra eny amin’ny solaitrabe. Rehefa avy nanambatra hevitra vitsivitsy avy amin’ny mpianatra ianao dia omeo fahafahana izy ireo hieritreritra tsara kokoa momba ny fomba hanehoan’izy ireo fahazotoana eo amin’ny fiainan’izy ireo.
Fomba iray hanaovana izany ny fampisehoana ity fanombantombanana ny tena manokana manaraka ity ary omeo fotoana ireo mpianatra hisaintsainana amim-pahanginana ny fomba hamaliany izany. Hevero ny hanazava amin’ny mpianatra fa rehefa mahavita io fanombanan-tena io izy ireo dia afaka manampy azy ireo ny Fanahy Masina hamantatra ny zavatra ataony tsara sy ny fomba ahafahan’izy ireo mivoatra. Mety hahazo tombontsoa avy amin’ny firaketana ny eritreriny ao amin’ny diary fandalinany ny mpianatra. (Fanamarihana: Azonao atao ny misafidy ny hampiseho indray ireo fehezan-teny ireo any amin’ny faran’ny lesona.)
Eritrereto amim-pahanginana ny fomba hamaritan’ny tsirairay amin’ireto fehezan-teny manaraka ireto anao:
Miasa mafy aho mandra-pahavitan’ny asa iray amim-pahombiazana, na dia sarotra aza izany.
Miasa amim-pahombiazana aho na dia amin’ny fotoana tsy misy fanaraha-maso akaiky ataon’ny tompon’andraikitra aza.
Afaka miantehitra amiko sy ny ezaka ataoko hanatanterahana asa iray ny olona.
Mahita fifaliana aho amin’ny fanaovana ny ezaka tsara indrindra vitako.
Hevero ny hampiseho ireto torolalana manaraka ireto ary asao ny mpianatra hiasa ao anaty vondrona kely mba hamitana ilay sahanasa. Rehefa vitan’ny vondrona ilay sahanasa dia asao izy ireo hizara amin’ny vondrona hafa ny zavatra nianarany.
Mitadiava andinin-tsoratra masina na tenin’ny mpaminany izay maneho ny maha-zava-dehibe ny fahazotoana.
Ifanakalozy hevitra ny mahatonga an’i Jesoa Kristy ho ohatra maneho io fahazotoana io.
Mizarà zavatra niainana iray izay nitahiana anao na ny olona iray fantatrao tamin’ny alalan’ny fahazotoana.
Ifanakalozy hevitra ny antony hieritreretanao fa zava-dehibe ho an’ny misiônera ny maneho fahazotoana.
Ifanakalozy hevitra ireo sehatra hafa eo amin’ny fiainanao izay maha-zava-dehibe ny fahazotoana.
Afaka manampy ireo fahamarinana hilentika lalina ao am-pon’ny mpianatra ny Fanahy Masina ary manomana ny mpianatra hampihatra ireo fahamarinana ireo. Fomba iray ahafahanao manampy ny mpianatra hanasa ny Fanahy Masina ny manome fahafahana azy ireo hahita ny fomba nanehoan’ny Mpamonjy sy ny hafa fahazotoana. Mba hahitana ohatra amin’ny fomba nanehoan’ny Mpamonjy fahazotoana dia azon’ny mpianatra atao ny mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:16–19 na ny Lioka 22:39–44 . ChurchofJesusChrist.org
2:3
Fitahiana avy amin’ny fahazotoana
Ampahatsiahivo ny mpianatra ny tantara notantarain’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf momba ireo misiônera roa tany Eorôpa izay nandondona ny varavarana farany tany amin’ny rihana fahatelo. Hazavao fa lasa fitahiana ho an’ny Loholona Uchtdorf ny ezaka tamim-pahazotoana nataon’izy ireo. Hevero ny hampiseho ity sary manaraka ity izay mampiseho ireo misiônera sy ilay fianakaviana nipetraka tao amin’ilay trano tao amin’ilay varavarana farany tao amin’ny rihana fahatelo. Hazavao fa ny iray amin’ireo ankizivavy roa ireo dia i Harriet, vadin’ny Loholona Uchtdorf.
Nizara ny zavatra tsapany momba ireo misiônera roa ireo ny Loholona Dieter F. Uchtdorf:
21:33
Impiry aho no nanandratra ny foko tamim-pankasitrahana noho ireto misiônera anankiroa ireto izay tsy nijanona tao ambany rihana fotsiny! Impiry aho no velom-pankasitrahana noho ny finoana sy ny asan’izy ireo. Impiry aho no nanome fisaorana fa nanohy nandeha izy ireo, na dia hatrany amin’ny rihana fahatelo, varavarana farany aza. (Dieter F. Uchtdorf, “Rihana fahatelo, varavarana farany ,” Liahona , nôv. 2016, 18)
Ny fahazotoana eo amin’ny fiainako
Hevero ny hampiseho ireo fanambarana mikasika ny fahazotoan’ny tena manokana izay nosaintsainin’ireo mpianatra tany am-piandohan’ny lesona. Mety ho nahatsapa ho notaomin’ny Fanahy ny mpianatra mba hifantoka amin’ny fehezan-teny iray mihoatra noho ny hafa. Asao ireo mpianatra hieritreritra izany fanambarana izany rehefa manoratra ny valinteniny amin’ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinany.
Inona avy ireo fanovana azoko atao mba ho lasa mazoto kokoa?
Noho ny fahazotoana dia fomba ahoana no maha voaomana tsara kokoa ahy hizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny maha-misiônera manompo amin’ny fotoana feno sy eo amin’ny fiainako andavanandro?
Ahoana no fomba hanampian’ny fahazotoana ahy ho lasa hitovy kokoa amin’ny Mpamonjy?
Rehefa mirakitra ny valinteniny ny mpianatra dia amporisiho izy ireo tsy hisalasala hanao drafitra mba hanao zavatra izay hampivelatra azy ireo sy hitaky asa mafy sy fahazotoana tsy tapaka.
Nanazava izao ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
Na iza na iza manao karazana asa fitoriana dia hanana fotoana hanontaniana hoe, Nahoana no sarotra be izy ity? Nahoana no tsy mandeha tsara kokoa izy ity? Nahoana no tsy haingana kokoa ny fahombiazantsika? Nahoana no tsy misy olona betsaka kokoa miditra ho mpikamban’ny Fiangonana? … Nahoana ny olona no tsy mandalo fotsiny eo amin’ilay dobo? Nahoana no tsy mba hoe voan’ny pneumonie azo avy amin’ilay kotsa andro aman’alina ao anaty dobo fanaovana batisa no hany loza mety hitranga eo amin’ny asa fitoriana?
Hanana fotoana hametrahana ireo fanontaniana ireo ianao. Nieritreritra izany imbetsaka aho. Atolotro ho toy ny fahatsapako manokana izany. Resy lahatra aho fa tsy mora ny asa fitoriana ny filazantsara satria tsy zavatra ho azo mora foana ny famonjena . Tsy mora velively ny famonjena. Isika no Fiangonan’i Jesoa Kristy, izany no marina, ary Izy no Filohantsika Lehibe sy Mandrakizay. Ahoana no inoantsika fa ho mora amintsika izany nefa tsy mba mora taminy velively? Amiko dia ohatra ny hoe tsy maintsy mandalo farafahakeliny fotoana fohy ao Getsemane ny misiônera sy ireo mpitarika ny misiôna. Tsy maintsy manao dingana iray na roa mankany an-tampon’i Kalvary ireo misiônera sy ireo mpitarika ny misiôna. (Jeffrey R. Holland, “Missionary Work and the Atonement ,” Ensign , Mar. 2001, 14–15)
Nampianatra ny Filoha Ezra Taft Benson (1899–1994) hoe:
Iray amin’ireo tsiambaratelo miafina lehibe indrindra amin’ny asa fitoriana ny asa. Raha miasa ny misiônera iray dia hahazo ny Fanahy izy; raha mahazo ny Fanahy izy dia hampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy; raha mampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy izy dia hanohina ny fon’ny olona, ary ho faly izy. … Asa, asa, asa! Tsy misy solony mahafa-po, indrindra eo amin’ny asa fitoriana. (Teachings of Presidents of the Church: Ezra Taft Benson [2014], 284 )
Rahalahy Craig B. Ballard dia nizara torohevitra izay nomen’ny rainy, ny Filoha M. Russell Ballard tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, fony izy misiônera tanora:
Tohizo ny fanarahana ireo fitsipika ireo, mazotoa ary tohizo ny asa mafy. Raha afaka manao tatitra amin’ny Tompo ianao ao anatin’ny vavaka ataonao isan-kalina alohan’ny handehananao matory fa nanao izay tsara indrindra vitanao ianao mba hankatoavana sy hananana fahazotoana ary hiasana mafy dia hahatsapa ny fitiavany sy ny fanekeny ny ezaka ataonao ianao. Rehefa manao izany ianao isan’andro mandritra ny asa fitorianao manontolo, dia hahafantatra sy hitia ny Mpamonjy anao mihoatra lavitra noho ny hatramin’izay ianao. (M. Russell Ballard, in Craig B. Ballard, “What President M. Russell Ballard Taught His Son about Being a ‘Diligent Missionary ,’” Church News , Apr. 21, 2021, thechurchnews.com )
Mba hanampiana ny mpianatra hahita ny fiantraikan’ny fahazotoana sy ny fikirizana teo amin’ireo misiônera manerana izao tontolo izao, dia azonao atao ny mizara ny sasany amin’ireto tantara manaraka ireto. Azon’ny mpianatra atao ny mamantatra ny fomba nitahian’ireo toetra mifono fahazotoana sy fikirizana nananan’ireo misiônera rehefa nanao ny asan’ny Tompo izy ireo.
Ny fahazotoan’i Elizabeth McCune dia anisan’ny nahatonga ny fanapahan-kevitry ny Fiadidiana Voalohany tamin’ny 11 martsa 1898 mba hiantso rahavavy misiônera. history.ChurchofJesusChrist.org
2:3
Ny Loholona Ulisses Soares ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara ny fomba nijanonan’ny misiônera iray ho mazoto tamin’ny asa fitoriana na dia taorian’ny nahafantarany aza fa nodimandry ny anabaviny (jereo ny Ulisses Soares, “Itokio tsy amim-pisalasalana Andriamanitra ,” Liahona , mey 2017, 35). Hevero ny hampiseho ny sombiny avy amin’ny “Itokio tsy amim-pisalasalana Andriamanitra .”
11:9
Rahalahy M. Joseph Brough, izay nanompo tao amin’ny Fiadidian’ny Zatovolahy maneran-tany, dia nizara ny zavatra nianaran’ny zanany vavy momba ny fahazotoana sy ny zava-tsarotra (jereo ny M. Joseph Brough, “Atrakao ny lohanao ary miravoravoa ,” Liahona , nôv. 2018, 14). Hevero ny hijery ilay sombiny avy ao amin’ny “Atrakao ny lohanao ary miravoravoa .”
2:3