“Fiomanana ho any amin’ny tempoly: Topimaso ankapobeny,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Fiomanana ho any amin’ny tempoly,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Fiomanana ho any amin’ny tempoly
Fiomanana ho any amin’ny tempoly
Topimaso ankapobeny
Hatramin’izay ny Tompo dia nandidy ny vahoakany hanangana tempoly. Any amin’ny tempoly isika dia mianatra momba an’i Jesoa Kristy sy manao fanekempihavanana masina. Anisan’ny fanekempihavanana ataontsika ny fiainana ny lalàn’ny fanokanana. Afaka manompo sy mitsaoka ny Tompo mandritra ny androm-piainantsika isika amin’ny alalan’ny fandraisana anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy asa mikasika ny tantaram-pianakaviana.
Miomana hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilainao homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
I Jesoa Kristy no ivon’ny fitsaohana rehetra any amin’ny tempoly
Tanjon’ny lesona: Hanampy ireo mpianatra hahatsapa faniriana bebe kokoa hitsaoka an’i Jesoa Kristy ao amin’ny tranony.
-
Fanomanana ny mpianatra: Amporisiho ny mpianatra hieritreritra ny dikan’ireo andian-teny roa izay voasoratra eo amin’ny tempoly tsirairay hoe: “Fahamasinana ho an’ny Tompo” sy “Ny tranon’ny Tompo.”
-
Sary haseho: Zatovo mandray ny fanasan’ny Tompo; zatovo mankao am-piangonana; misiônera manompo amin’ny fotoana feno; ny tabernakely tamin’ny andron’i Mosesy; Tempolin’i Solomona; ny tempolin’ny Nefita tao Soafeno
Fanaovana ny fitsaohana any amin’ny tempoly ho zavatra hatao mandritra ny androm-piainana
Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fitsaohana ny Tompo any amin’ny tempoly mandritra ny androm-piainan’izy ireo.
-
Fanomanana ny mpianatra: Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanontany olona iray ao amin’ny fianakaviana na mpitarika ao amin’ny Fiangonana ny fomba nitahiana azy ireo tamin’ny alalan’ny fandehanana tany amin’ny tempoly.
Manao fanekempihavanana ny hitandrina ny lalàn’ny fanokanana isika ao amin’ny tempoly
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hahatakatra ny lalàna masin’ny fanokanana, izay anaovantsika fanekempihavanana any amin’ny tempoly miaraka amin’ Andriamanitra fa hankatoavintsika.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanoratra ny fomba hampiasany ny fotoanany, ny talentany, na ny fananany mba handraisana anjara ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo sy ny fanjakany.
-
Sary haseho: Mofomamy miaraka amin’ny fangarony
-
Taratasy zaraina: “Ny lalàn’ny Tompo momba ny fanokanana”
Tantaram-pianakaviana sy asa fanompoana any amin’ny tempoly
Tanjon’ny lesona: Mba hanampy ny mpianatra hahita ny anaran’ireo razamben’izy ireo efa nodimandry sy hanao ôrdônansy ho azy ireo any amin’ny tempolin’ny Tompo.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba ho vonona hampiasa ny anarana sy tenimiafin’izy ireo ao amin’ny FamilySearch. Amporisiho izy ireo hanao pirinty sy hitondra karatra fanaovana ôrdônansy ho an’ny fianakaviana avy ao amin’ny FamilySearch.
-
Horonan-tsary: “Mifantoha amin’ny tempoly” (7:18; jereo manomboka eo amin’ny mari-potoana 3:50 hatramin’ny 4:36)