Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42, ny Tompo dia nanatanteraka ny fampanantenany tamin’ny Olomasina fa hanome azy ireo ny lalàny Izy rehefa nifindra tany Ohio izy ireo. Nametraka lalàna ankapobeny momba ny fitondran-tena ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana izy. Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra haneho ny fitiavany ny Tompo amin’ny alalan’ny fankatoavana ny didiny.
Sahanasa fianarana azo atao
Fomba fijery roa samy hafa
Raha miainga avy amin’ny zavatra hitanao eto amin’izao tontolo izao ankehitriny, nahoana araka ny eritreritrao no mila didy avy amin’ Andriamanitra isika?
Rehefa mandalina ianao androany, dia katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hanampiana anao hahatakatra kokoa ny antony nanomezan’ny Tompo didy, sy ny fomba ahafahanao manohy ny fankatoavanao, na manatsara izany mihitsy aza.
Ny lalàn’ny Tompo
Nampanantena ny Olomasina ny Tompo fa homeny azy ireo ny lalàny rehefa tafangona ao Ohio izy ireo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:32). Fotoana fohy taorian’ny nahatongavan’izy ireo tao Ohio, ny Mpaminany Joseph Smith sy ireo loholona niisa 12 dia nampiray ny finoan’izy ireo tao anatin’ny vavaka natao tamin-kitsimpo (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41:3) ary nangataka ny Tompo mba hanambara ny lalàny.
Araka ny voalazan’ny andininy 29, nahoana isika no tokony hitandrina ny didin’ny Tompo?
Ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy dia mampianatra hoe:
Mba hanampiana anao hanao safidy tsara dia manome didy Andriamanitra. Manao izany Izy satria tiany ianao. Ary ny antony tsara indrindra hankatoavana ny didin’ Andriamanitra dia satria tia Azy ianao. Ny fitiavana no ampahany manan-danja indrindra ao amin’ireo didin’ Andriamanitra. (Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy [2022], 11)
Ahoana no ilazana fa ny didin’ Andriamanitra dia maneho ny fitiavany?
Ahoana no ilazana fa ny fankatoavantsika ny didin’ Andriamanitra dia maneho Aminy fa tia Azy isika?
Ny didiny
Misafidiana didy iray ao amin’ny fizarana 42 izay tianao hianarana kokoa na hosaintsainina.
Rehefa mandalina ianao, dia miomàna hizara izao manaraka izao momba ny didy nofidinao. Azonao atao ny manoratra ny eritreritrao ao amin’ny diary fandalinanao.
Andinin-tsoratra masina hafa, na teny nambara nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, na andiam-pehezanteny ao amin’ny Ho zatovo mahery! (boky kely) izay mampitombo ny fahatakaranao io didy io
Ny antony heverinao fa mahatonga ny Ray any An-danitra be fitiavana sy mahafantatra ny zava-drehetra hanome antsika io didy io
Ny fomba eritreretinao hoe anampian’ny fitandremana io didy io antsika hanaraka ny Mpamonjy sy haneho ny fitiavana Azy ary ho tonga tahaka Azy kokoa
Ny zavatra niainanao nandritra ny fitandremana io didy io (tsy voatery atao; aza zaraina raha masina loatra na mahakasika loatra ny tena manokana izany)
Ny fankatoavako ny didin’ Andriamanitra
Tadidio ny zavatra nianaranao sy tsapanao nandritra ity lesona ity, ka mifidiana didy iray izay heverinao fa tian’ny Tompo hifantohanao. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:
Ahoana no ahafahan’ny fankatoavana io didy io hitahy ny fiainako?
Ahoana no hanampian’io didy io ahy haneho ny fitiavako ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary hanaraka Azy Ireo?
Inona no zavatra iray manokana tiako hatao mba hanehoana ny fitiavako ny Tompo sy hitandremana io didy io?