Seminera
Lesona 55—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41:1—12: Finaritra ny mitahy antsika ny Tompo


“Lesona 55—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41:1—12, Finaritra ny mitahy antsika ny Tompo,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41:1—12,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Lesona 55: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41–44

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41

Finaritra ny mitahy antsika ny Tompo

Jesoa Kristy miarahaba lehilahy jamba

Rehefa niray hina tamin’ireo Olomasina sahirana tany Ohio ny Mpaminany dia nijoro ho vavolombelona ny Tompo fa finaritra Izy mitahy ireo izay mihaino Azy. Ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hatoky fa hitahy azy ireo ny Tompo rehefa mihaino sy mankatò Azy izy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Hatraiza ny halehiben’ny fatokinao fa … ?

Manaova sary tahaka ity manaraka ity eny amin’ny solaitrabe:

mari-drefin’ny fatokian-tena

Tondroy ny ilany havanana amin’ilay maridrefy. Asao ny mpianatra hizara zavatra iray izay atokisany sy ny antony.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fanambarana manaraka ity: Hitahy antsika ny Tompo raha mihaino sy mankatò Azy isika. Angataho ny mpianatra hampiasa ilay maridrefy mba handaharany ny fatokisany io fehezan-teny io amin’ny fampiasana ny maridrefy 1 ka hatramin’ny 5 (1 = tsy matoky, ary 5 = tena matoky). Asao ny mpianatra hieritreritra ny antony nandaharany ny fatokisany toy ny nataony.

  • Nahoana no tsara kokoa ilay hoe tena matoky fa hitahy anao ny Tompo?

Asao ny mpianatra hitady fanampiana avy amin’ny Tompo mba hampitombo ny fatokisan’izy ireo fa hitahy azy ireo Izy rehefa miezaka mihaino sy mankatò Azy izy ireo.

Ny toe-tsain’ny Tompo amin’ny fitahiany antsika

Tamin’ny volana desambra 1830 dia nandidy ny Olomasina hifindra tao Ohio ny Tompo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 37:3). Fotoana fohy taty aoriana, tamin’ny janoary sy febroary 1831, dia nandeha an-jatony kilaometatra nankany Kirtland, Ohio, ny Mpaminany Joseph Smith sy Emma vadiny. Nahazo fanambarana nifono toromarika vitsivitsy ny Mpaminany rehefa nanomboka nanorim-ponenana tao Kirtland ireo Olomasina avy amin’ny faritra hafa.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41:1, ary tadiavo ny toe-tsain’ny Tompo momba ny fitahiana ireo izay mihaino Azy.

sary famantarana ny fanofananaAmpio ny mpianatra hamantatra ny fitaomam-panahy avy amin’ny Tompo: Mba hahazoana fanofanana bebe kokoa hanampiana ireo mpianatra hamantatra ny fitaomam-panahy avy amin’ny Tompo ao amin’ny soratra masina sy eo amin’ny fiainan’izy ireo manokana dia jereo ny fahaiza-manao “Mametraha fanontaniana mifantoka amin’ny fampifandraisana ny herin’ny Tompo sy ny famindrampony ary ny fitarihany amin’ireo fahamarinana ampianarina.,” ao amin’ny fanofanana mitondra ny lohateny hoe, “Ampio ireo mpianatra hamantatra ny fitiavan’ny Tompo sy ny heriny ary ny famindram-pony eo amin’ny fiainan’izy ireo” izay hita ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Mifantoka amin’i Jesoa Kristy. Rehefa mizara ny zavatra hitany ireo mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Finaritra ny mitahy izay mihaino Azy ny Tompo. Azonao atao ny mamporisika ireo mpianatra hanisy marika io fahamarinana io ao amin’ny soratra masin’izy ireo.

  • Inona, araka ny hevitrao, no dikan’ny hoe finaritra amin’ny zavatra iray?

  • Inona, araka ny eritreritrao, ny sasantsasany amin’ireo “fanomezana lehibe indrindra amin’ny fanomezan’ Andriamanitra rehetra”? (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:7).

  • Inona avy ireo fomba ahafahantsika mihaino Azy?

Henoy ny valin-teny izay aroson’ireo mpianatra. Raha ilaina, dia asao ny mpianatra hamaky ity teny manaraka ity ary hitady fomba ahafahantsika mihaino ny Tompo ao anatiny.

Nampianatra toy izao ny Filoha Russell M. Nelson:

Filoha Russell M. Nelson

Mila ezaka an-tsitrapo sy tsy tapaka ny famenoana ny fiainantsika isan’andro amin’ny teniny sy ny fampianarany, ary ireo fahamarinany. …

Afaka mitodika any amin’ny soratra masina isika. Ny soratra masina dia mampianatra antsika momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany, ny halehiben’ny Sorompanavotany, ary ny drafitra lehiben’ny fahasambarana sy ny fanavotan’ny Raintsika. … Rehefa mivoky amin’ny tenin’i Kristy isan’andro isika, dia ny tenin’i Kristy no hanambara amintsika ny fomba hiatrehana ireo zava-tsarotra izay tsy noheverintsika mihitsy ho atrehana.

Afaka mihaino Azy ao amin’ny tempoly ihany koa isika. Ny tranon’ny Tompo dia tranon’ny fianarana. Mampianatra araka ny fombany manokana ny Tompo any. …

… Ary farany dia mihaino Azy isika rehefa manaraka ny tenin’ireo mpaminany sy mpahita ary mpanambara. Mijoro ho vavolombelona momba Azy foana ireo Apôstôlin’i Jesoa Kristy izay voatendry. Manoro ny lalana izy ireo eo am-pamakivakiantsika ny sangodim-panina maha-valaketraky ny fiainantsika eto an-tany. (Russell M. Nelson, “Henoy Izy,” Liahona, mey 2020, 89–90)

Hevero ny hangataka ny mpianatra hamerina hijery ny andininy 1 mba hahitana ny zava-mitranga amin’ireo izay tsy mety mihaino ny Tompo. Mety hanampy ny manamarika fa ny teny hoe “ozona” izay ampiasaina ao amin’io andininy io dia entina hilazana fitsarana na vokany.

  • Nahoana no zava-dehibe ny mahafantatra fa ny fandavana tsy hihaino ny Tompo dia mety hitondra voka-dratsy?

Ohatra ahitana ny Tompo mitahy ireo izay mihaino Azy

Manasà mpianatra maromaro hizara ny valin-tenin’izy ireo amin’ireto fanontaniana manaraka ireto. Ny fizarana ny fientanentanany sy ny fitiavany dia mety hanampy azy ireo hahatsapa ny fifalian’ny Tompo. Mety ho fotoana tsara hahafantarana kokoa ny mpianatrao koa izany.

  • Inona no tianao na mahafinaritra anao?

Hazavao fa misy ohatra maro mampiseho fa tena finaritra ny Tompo amin’ny fitahiana ireo izay mihaino Azy.

Vakio ireto andininy manaraka ireto mba hitadiavana ny fomba hitahian’ny Tompo ny Olomasiny rehefa mihaino Azy izy ireo.

Zarao ho vondrona ny mpianatra mba hamaky ireo andininy sy hamaly ireo fanontaniana miaraka amin’izany. Avy eo dia afaka mifampizara izay nianarany ireo mpianatra.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41:2–5

  • Nahoana no fitahiana ny fandraisana ny lalàna na ny fitarihan’ny Tompo? (Jereo ny andininy 3.)

  • Mety hanampy antsika ho lasa mpianatr’i Kristy tsara kokoa amin’ny fomba ahoana ny fankatoavana ny lalàn’ny Tompo? (Jereo ny andininy 5.)

Mba hahitana ohatra maoderina dia jereo ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) mizara ny fomba nitahian’ny Tompo olona iray izay nihaino sy nankatò Azy, ao amin’ilay horonan-tsary hoe “Mandeha amin’ny finoana isika,” izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka amin’ny minitra faha-7:30 ka hatramin’ny faha-12:39.

2:3

We Walk by Faith

We reach toward the unknown, but faith lights the way. If we will cultivate that faith, we shall never walk in darkness.

Ohatra fanampiny

Asao ny mpianatra hikaroka na hieritreritra ohatra fanampiny roa farafahakeliny izay manorina ny fatokisany fa hitahy ireo izay mihaino Azy ny Tompo. Amporisiho izy ireo hikatsaka ny fitarihan’ny Tompo mba hitady ohatra izay hitahy azy ireo sy ny iray kilasy.

  1. Mitadiava ohatra iray avy ao amin’ny soratra masina. Mety ho iray amin’ireto izany:

    1. Fitantarana momba ny fotoana nitahian’ny Tompo ireo izay nihaino sy nankatò Azy. (Misy ohatra vitsivitsy ireto manaraka ireto: I Noà nanamboatra ny sambofiara ary voavonjy tamin’ny Safo-drano [jereo ny Genesisy 6–8]; i Debora nankatò ny didin’ny Tompo hanafaka ny Isiraely amin’ny fahababoana [Mpitsara 4:1–8, 13–15]; i Maria nanaiky ny andraikitra ho renin’ny Mpamonjy sy mahatsapa ny fitahian’ny Tompo [Lioka 1:38, 46–49]; i Nefia nahazo ireo takela-barahina [jereo ny 1 Nefia 3–5]; i Joseph Smith nahavita niaro ireo takelaka [jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:46, 60]; i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery nifanao batisa rehefa avy nandray ny Fisoronana Aharôna ary avy eo nandray ny fanehoana ny Fanahy Masina [jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:68–74].)

    2. Andininy iray na andininy maro izay mijoro ho vavolombelona fa hitahy antsika ny Tompo rehefa mihaino sy mankatò Azy isika. (Ohatra vitsivitsy amin’izany ny Malakia 3:10; 1 Jaona 3:22; Jarôma 1:9; Môzià 2:41; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:38; 82:10; 89:1, 18–21; 130:21.)

  2. Mieritrereta ohatra hafa fanampiny. Mety ho iray amin’ireto izany:

    1. Zavatra niainana manokana izay nitahian’ny Tompo anao.

    2. Zavatra niainan’ny namana na olon-tiana iray.

    3. Lahateny iray avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany.

    4. Horonan-tsary iray ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Asao ny mpianatra hanoratra ny ohatr’izy ireo amin’ny taratasy kely misaraka. Ampahafantaro ireo mpianatra fa ny zavatra izay soratan’izy ireo dia mety hozaraina amin’ny iray kilasy ary hotazonina ho tsiambaratelo izay nanoratra izany. Angony ireo taratasy, afangaroy ary avy eo mifidiana sasantsasany na manasà mpianatra iray hanao izany. Azonao atao ny mamaky ohatra iray isaky ny mandeha ary manontany raha toa ka vonona ny hizara ny antony nisafidianany izany ohatra izany ilay mpianatra nanoratra izany. Anontanio ny fomba mety hampitomboan’ilay ohatra ny fatokisan’ny mpianatra fa hitahy azy ireo ny Tompo rehefa mihaino Azy izy ireo. Rehefa mizara ny mpianatra dia isaory izy ireo noho ny ezaka ataony ary ezaho ampiana izy ireo hahatsapa ny maha zava-dehibe ny fizarana ny eritreriny sy ny zavatra iainany ao an-dakilasy.

Hamaranana ity lesona ity, dia raketo an-tsoratra ny eritreritrao sy ny fahatsapanao momba ny fitahian’ny Tompo antsika rehefa mihaino Azy isika. Matoky ve ianao fa hitahy anao Izy? Inona no ataonao mba hampitomboana ny fatokisanao?

Asao ny mpianatra hizara ny zavatra nianarany sy tsapany nandritra ny fotoam-pianarana anio. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa hitahy antsika ny Tompo rehefa mankatò Azy isika.