Seminera
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41–44: Topimaso ankapobeny


“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41–44: Topimaso ankapobeny,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41–44,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41–44

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41–44

Topimaso ankapobeny

Nampianatra ny Tompo fa finaritra Izy amin’ny fitahiana izay mihaino Azy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41:1). Rehefa namaly sy nivavaka tamim-pinoana ireo Olomasina dia nanambara ny lalàny sy ny didiny Izy, anisan’izany ny lalàn’ny fanokanana.

sary famantarana ny fanofanana Ampio ny mpianatra hamantatra ny fitaomam-panahy avy amin’ny Tompo: Asao ireo mpianatra hamantatra ireo fahamarinana ao amin’ny soratra masina izay mampianatra ny fomba ahafahan’ny Mpamonjy manova ny fiainan’izy ireo sy manolotra fanasitranana, ary manome hery azy ireo. Raha mila fanazavana fanampiny momba ny fomba nanaovan’ny Mpamonjy izany dia jereo ny “Ampio ny mpianatra hamantatra ny fitiavan’ny Tompo sy ny heriny ary ny famindrampony eo amin’ny fiainan’izy ireo,” ao amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy. Misy ohatra iray amin’ny fomba ahafahanao mampihatra izany ao amin’ny lesona amin’ity herinandro ity mitondra ny lohateny hoe: “Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41.”

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilaina homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41

Tanjon’ny lesona: Hanampy ireo mpianatra hatoky fa hitahy azy ireo ny Tompo rehefa mihaino sy mankatò Azy izy ireo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Angataho ny mpianatra haka fotoana kely hieritreretana hoe hatraiza ny fatokian’izy ireo fa hitahy azy ireo ny Tompo raha mandre sy mihaino Azy izy ireo. Azon’izy ireo atao koa ny mieritreritra ny antony mahatonga azy ireo manana izany fahatsapana izany.

  • Horonan-tsary:We Walk by Faith” (16:24; jereo manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 7:30 ka hatramin’ny 12:38)

  • Fitaovana: Taratasy kely roa ho an’ny mpianatra tsirairay

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42

Tanjon’ny lesona: Hanampy ireo mpianatra haneho ny fitiavany ny Tompo, amin’ny alalan’ny fankatoavana ny didiny.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ny fotoana farany nankatoavan’izy ireo ny iray amin’ireo didin’ Andriamanitra, ary hisaintsaina ny antony nisafidianan’izy ireo ny hankatò.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:29–39

Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hampitombo ny faniriany hiaina ny lalàn’ny fanokanana.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina hoe nahoana ny fikarakarana ireo olona sahirana, anisan’izany ny mahantra, no manampy antsika ho tahaka an’i Jesoa Kristy.

  • Horonan-tsary:Vous êtes mes mains” (17:22; jereo manomboka eo amin’ny minitra faha-0:00 hatramin’ny faha-2:27)

  • Fitaovana ilaina omanina: Lovia baolina; zavatra kely azo tsapain-tanana ho an’ny mpianatra tsirairay toy ny vatomamy na vola madinika