Lesona 57—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:29–39: Natokana ho an’ny Tompo
“Lesona 57—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:29–39: Natokana ho an’ny Tompo,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:29–39,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Lesona 57: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41–44
Nisy vondrona mpikamban’ny Fiangonana nipetraka tao amin’ny toeram-pambolena sy fiompian’i Isaac sy i Lucy Morley, izay nanana faniriana lehibe hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy hifampikarakara. Tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith no nanambaran’ny Tompo ny lalàn’ny fanokanana, mba hanampiana ny Olomasina hikarakara ny mahantra. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hampitombo ny faniriany hiaina ny lalàn’ny fanokanana.
Sahanasa fianarana azo atao
“Ianareo no tanako”
Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, izay tao amin’ny Fiadidiana Voalohany tamin’izany, dia nizara izao manaraka izao:
Nisy tantara iray notantaraina izay nilaza fa nandritra ny fanjerana baomba tany amin’ny tanàna iray tamin’ny Ady Lehibe faha-II, dia niharan’ny fahasimbana goavana ny sarivongana lehiben’i Jesoa Kristy iray. Rehefa hitan’ny mponina teo amin’ilay tanàna tao anatin’ny korontan-javatra rava ilay sarivongana dia nitomany izy ireo satria marika tian’izy ireo fatratra izay maneho ny finoany sy ny fisian’ Andriamanitra eo amin’ny fiainany izany.
Afaka nanamboatra ny ankamaroan’ny simba tamin’ilay sarivongana ihany ireo manam-pahaizana, saingy tena simba ny tanany ka tsy azo naverina tamin’ny laoniny. Nisy olona sasany nanoro hevitra mba haka mpanao sary sokitra hanao tanana vaovao, nefa ny hafa dia naniry ny hamelana izany amin’izao, mba ho mpampahatsiahy mandrakizay ny loza nateraky ny ady. Tamin’ny farany dia nijanona tanteraka tsy nisy tanana ilay sarivongana. Kanefa nasian’ireo mponina teo amin’ilay tanàna soratra tsotra iray teo amin’ny fototr’ilay sarivongan’i Jesoa Kristy izay manao hoe: “Ianareo no tanako.” (Dieter F. Uchtdorf, “Ianareo no tanako,” Liahona, mey 2010)
Inona no nisongadina taminao tamin’io tantara io?
Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika ho tanan’i Jesoa Kristy?
Ny lalàn’ny fanokanana
Tany am-piandohan’ny taona 1831 dia nifindra monina tany Ohio ireo mpikamban’ny Fiangonana nipetraka tany New York. Maro tamin’ireo Olomasina ireo no nahantra ary namela ny ankamaroan’ny fananany. Tany Ohio dia nisy vondrona lehibe iray nahitana mpikambana vaovao nipetraka tao amin’ny toeram-pambolena sy fiompian’i Isaac sy i Lucy Morley. Nanangana vondrona iombonana iray izy ireo izay nantsoina hoe “ilay Fianakaviana.” Ny iray amin’ireo zavatra inoana niombonan’izy ireo dia ny hoe an’ny mpikambana rehetra tao amin’ny vondrona ny fananan’ny tena manokana rehetra. Niresaka momba ny zavatra nataon’izy ireo ny Tompo rehefa nanambara ny lalàny tamin’i Joseph Smith Izy. Ankoatra ireo lalàna hafa, ny Tompo dia nanambara ireo fitsipiky ny lalàn’ny fanokanana. Ny fianarana sy ny fiainana ireo fitsipika ireo dia fomba iray ahafahan’ny Olomasina ho tanan’ny Tompo.
Ny manokana dia midika hoe fanokanana zavatra iray ho masina, natolotra ho an’ny tanjona masina. (D. Todd Christofferson, “Reflections on a Consecrated Life,” Liahona, Nov. 2010, 16)
Nangataka ny Olomasina tany Ohio ny Tompo mba hanokana ny fananany ho Azy amin’ny alalan’ny fanomezana izany ho an’ny Fiangonany.
Inona avy ireo ohatra sasantsasany izay maneho ny fampiasana ny fotoanao sy ny talentanao ary ny fitahiana azonao avy amin’ Andriamanitra mba hanampiana ny hafa?
Ahoana no fomba ahafahantsika mikarakara ny zavatra ilain’ny mahantra?
Inona no fantatrao momba an’i Jesoa Kristy, izay mety hanosika anao hanokana ny fotoanao sy ny talentanao ary ny fanananao ho Azy?
Nahoana araka ny eritreritrao no tian’ny Mpamonjy isika hanompo Azy amin’ny alalan’ny fanompoana ny olona sahirana? (Mba hahitana hevi-baovao fanampiny dia azonao atao ny mijery ny iray na maromaro amin’ireto andinin-tsoratra masina ireto: Jakoba 2:17–19; Môzià 4:21–25; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:24–27; 104:14–17.)
Nahoana araka ny eritreritrao no mahatonga antsika hitovy kokoa amin’i Kristy ny fanampiantsika ny sahirana?
Mety hanampy ny mampahafantatra ny mpianatra fa ao anatin’ny fanafiana masina any amin’ny tempoly, dia manao fanekempihavanana ny mpikambana fa hitandrina ny lalàn’ny fanokanana amin’ny alalan’ny fanokanana “ny fotoan’izy ireo, ny talentany, ary ny zavatra rehetra izay nitahian’ny Tompo azy ireo mba hananganana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto an-tany” (Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 27.2, ChurchofJesusChrist.org).
Raha toa ka nanao ny sarin’ny tanany tao anatin’ny diary fandalinany ireo mpianatra dia azonao atao ny mangataka azy ireo mba hameno izany mandritra ity sahanasa manaraka ity.
Makà fotoana kely hanombantombanana ny fanirianao ho tanan’ny Tompo. Ny fisaintsainana sy ny fanoratana ao amin’ny diary dia fomba iray ahafahanao miezaka mandre ny feon’ny Mpamonjy sy ny zavatra asainy ataonao. Azonao atao ny mandinika ny iray na maromaro amin’ireto manaraka ireto sy manoratra ny momba izany:
Hevero ny hampiseho ireto fehezan-teny tari-dalana manaraka ireto mba hosaintsainin’ny mpianatra sy hosoratan’izy ireo ny momba azy.
Teny izay mamaritra ny fahatsapanao momba ny fiainana ny lalàn’ny fanokanana
Fomba tianao hizarana izay nomen’ny Tompo anao mba hanampiana ny hafa
Izay olana rehetra anananao mikasika ny fiainana ny lalàn’ny fanokanana sy ny fomba ahafahanao mitodika amin’ny Tompo mba handresena izany
Azonao atao ny mangataka ny mpianatra hizara ny eritreriny amin’ny iray kilasy sy any an-trano miaraka amin’ny fianakaviany. Azonao atao ihany koa ny mizara ny eritreritrao sy ny fijoroana ho vavolombelona anananao.