“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45: Topimaso ankapobeny,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45
Topimaso ankapobeny
Ireo famantarana rehetra manodidina antsika dia mijoro ho vavolombelona fa efa akaiky ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany. Ny sasany dia be voninahitra, fa ny hafa kosa tena mahakivy. Mba hampitony ny tahotra sy ny ahiahy izay tsapan’ny Olomasina maro tany am-piandohan’ny taona 1831, dia nanasa azy ireo ny Tompo mba hihaino ny feony sy hino ny anarany. Nampianatra ny fomba ahafahantsika miomana ho amin’ny Fiaviany Fanindroany Izy.
Miomana hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilaina homanina ho an’ny lesona tsirairay.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:1–8
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra kokoa ilay asa nanirahana an’i Jesoa Kristy sy ny toetrany, rehefa mahatakatra ny sasany amin’ireo anarana fiantsoana Azy sy ireo anaram-boninahitra nomena Azy izy ireo.
-
Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra mba hianatra momba ny fiavian’ny anaran’izy ireo na ny dikan’ny anaran’izy ireo, ary ho vonona hizara izay antsipiriany mety ho hitan’izy ireo.
-
Sary haseho: I Jesoa Kristy tao Getsemane
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:9–75, Tapany 1
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra kokoa ny fomba ahafahantsika mahita fiadanana rehefa mandinika ireo famantarana izay hialoha ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany isika.
-
Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hieritreritra ireo porofo hitany fa miaina amin’ny andro farany isika.
-
Fitaovana ilaina: Sahanasa fampifanarahana “Famantarana ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany”
-
Horonan-tsary: “Aza matahotra” (5:14)
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:9–75, Tapany 2
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ireo mpianatra hiomana ho amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany.
-
Fanomanana ny mpianatra: Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hamaky ny tonon’ny hira iray momba ny Fiaviana Fanindroany na hihira izany ho hira fanokafana. Angataho izy ireo hieritreritra ny antony maha-zava-dehibe ny fahavononan’izy ireo alohan’ny fiverenan’ny Mpamonjy. Safidy anankiray hafa ihany koa ny mihira ny “Que l’Esprit soit avec nous” (Cantiques, no. 78), ary mitady ny fomba ahafahan’ny Fanahy Masina manampy antsika mba hiomana ho amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany.
-
Taratasy zaraina: “Miomana ho amin’ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany”