Ireo famantarana mialoha ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany
Ireo famantarana rehetra manodidina antsika dia mijoro ho vavolombelona fa efa akaiky ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany. Ny famantarana sasany dia be voninahitra, fa ny hafa kosa tena mahakivy. Ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hahatakatra kokoa ny fomba ahafahantsika mahita fiadanana rehefa mandinika ireo famantarana izay hialoha ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany isika.
Sahanasa fianarana azo atao
Mari-pamantarana
Inona no mampitovy ireo mari-pamantarana ireo amin’ireo famantarana izay hialoha ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany?
Inona no fahatsapana anananao rehefa mieritreritra ireo famantarana ny Fiaviana Fanindroany?
Nahoana araka ny eritreritrao no tian’ny Mpamonjy ho fantatsika ny momba ireo famantarana ireo?
Rehefa mandalina ianao androany, dia eritrereto ny fomba ahafahan’ny fahafantarana ireo famantarana ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany ireo mitondra fiadanana sy fanantenana eo amin’ny fiainanao.
Ireo famantarana ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany
Hisy aretina sy horohoron-tany eo amin’ny tany. Ny ratsy fanahy dia hanamafy ny fony amin’ Andriamanitra, fa ny mpianatry ny Tompo kosa hitsangana eo amin’ny toerana masina.
Iza amin’ireo no tsapanao fa hitantsika ankehitriny?
Nahoana araka ny eritreritrao no samy tian’ny Mpamonjy ho fantatsika ireo famantarana mifono fanantenana sy ireo famantarana mampikorontana?
Nahoana no mety hampitombo ny finoanao an’i Jesoa ny fahafantaranao fa nahafantatra ireo antsipiriany momba ny androntsika ireo Izy?
Inona no mety ho azontsika atao manoloana ireo famantarana ny Fiaviana Fanindroany?
Ahoana no ahafahan’ny fahatakarana izany fahamarinana izany manampy antsika tsy hiahiahy eo anatrehan’ireo famantarana mialoha ny Fiaviana Fanindroany?
Nampianatra izao ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
19:11
Rahalahy sy ranabavy isany, nangatahina isika handalina ny tenin’ Andriamanitra sy hanaraka ny feon’ny Fanahy, mba hahafahantsika “[m]ahafantatra ireo famantarana ny fotoana sy ireo famantarana ny amin’ny fiavian’ny Zanak’olona” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:11].
Noho izany isika dia mahafantatra ireo olana misy eo amin’izao tontolo izao ary mahalala ireo fahasarotana amin’ny vaninandro misy antsika. Saingy tsy midika anefa izany fa tokony hamesatra ny tenantsika na ny hafa amin’ny tahotra lalandava isika. Ho solon’ny fifantohana amin’ny hasarotry ny olana mianjady amintsika, dia tsy tsaratsara kokoa ve ny mifantoka amin’ny halehibe sy hatsarana tsy manam-petra ary ny hery tanteraky ny Andriamanitsika, ny matoky Azy ary ny miomana amin’ny fo falifaly amin’ny fiverenan’i Jesoa Kristy?
Amin’ny maha-vahoakan’ny fanekempihavanany antsika dia tsy tokony ho raiki-tahotra isika noho ny mety ho fisian’ny zavatra ratsy mitranga. Afaka mandroso amim-pinoana sy amin’ny risi-po ary amim-pahavononana kosa isika, ary matoky an’ Andriamanitra eo am-piatrehantsika ireo olana sy eo am-pisokafan’ny lalana eo alohantsika. (Dieter F. Uchtdorf, “Ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra,” Liahona, mey 2017)
Inona no nisongadina taminao tamin’io fanambarana io?
Eo anatrehan’ireo korontana rehetra misy sy mbola hitranga eto amin’izao tontolo izao, inona no porofo hitanao fa i Jesoa Kristy no mifehy ny toe-draharaha?
Vakio ny fanoharana nampianarin’ny Mpamonjy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:36–38. Eritrereto hoe ahoana no ahafahan’ireo ravinkazo manampy antsika hahafantatra hoe hatraiza ny halaviran’ny fahavaratra.
5:10
Ahoana no mampitovy ny ravin’ilay hazo ao amin’io fanoharana io amin’ireo famantarana ny fotoana nomen’ny Mpamonjy antsika?
Ahoana no ahafahan’io fanoharana io manampy ireo izay miaina amin’ny andro farany mba tsy hiahiahy?
Alaivo sary an-tsaina hoe nisy namana iray nianatra momba ireo famantarana mampikorontan-tsaina izay hialoha ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany. Noho ny horohoron-tany vao haingana niseho teo akaiky teo, dia tsapany fa efa mitranga ireo famantarana sasany ireo, ary manahy ny amin’izay mbola ho avy izy. Manahy ny amin’ny fiantraikan’ireo zava-mitranga ireo eo amin’ny hoaviny izy.
Inona no soratra masina afaka manampy ny namanao hahatakatra kokoa ny hatsaran’ny Mpamonjy sy ireo zava-mitranga alohan’ny fiaviany?