Raha niresaka tamin’ny mpikamban’ny Fiangonana nandritra ny valanaretina niseho maneran-tany ny Filoha Russell M. Nelson dia nilaza hoe, “Fantatry ny Raintsika fa rehefa manemitra antsika manodidina ny tebiteby sy ny tahotra, dia ny mihaino ny Zanany no hanampy antsika indrindra” (“Henoy Izy,” Liahona, mey 2020). Mba hampitoniana ny tahotra sy ny fiahiahian’ny Olomasina tany am-piandohan’ny taona 1831, dia nanasa azy ireo ny Tompo hihaino ny feony sy hino ny anarany. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra kokoa ilay asa nanirahana an’i Jesoa Kristy sy ny toetran’i Jesoa Kristy rehefa mahatakatra ny sasany amin’ireo anarana fiantsoana Azy sy anaram-boninahitra nomena Azy izy ireo.
Sahanasa fianarana azo atao
Ny dikan’ny anarana
Vakio ity teny manaraka nambaran’ny Loholona Jonathan S. Schmitt ao amin’ny Fitopololahy ity:
Fomba tsotra iray ahafantarantsika ny olona iray ny fianarana ny mombamomba ny anarany. …
Nahafantatra sy niantso ny olona tamin’ny anarany i Jesoa. Hoy ny Tompo tamin’i Isiraely fahiny, “Aza matahotra hianao, fa efa nanavotra anao Aho, Efa niantso ny anaranao Aho; Ahy hianao” [Isaia 43:1; nampiana fanamafisana]. …
Tahaka ny ahafantaran’i Jesoa antsika tsirairay amin’ny anarantsika, dia fomba iray ahafahantsika mahafantatra tsara kokoa an’i Jesoa ny fianarana ny mombamomba ireo anarany maro. … Ireo anaran’i Jesoa dia anarana fiantsoana izay manampy antsika hahatakatra ny asa nanirahana Azy, ny tanjony, ary ny toetrany. Rehefa mahafantatra ireo anarana maron’i Jesoa isika dia ho takatsika kokoa ny asa masina nanirahana Azy sy ny toetrany tsy misy fitiavan-tena. Ny fahafantarana ireo anarany maro dia manentana antsika ho tonga tahaka Azy kokoa. (Jonathan S. Schmitt, “Dia ny mahafantatra Anao,” Liahona, nôv. 2022)
Inona avy ireo anarana fiantsoana an’i Jesoa Kristy na anaram-boninahitra nomena Azy izay mampianatra anao bebe kokoa momba ny toetrany sy ny asa nanirahana Azy?
Nahoana no mety hampitombo ny fanirianao hanaraka Azy ny fahatakarana bebe kokoa ny momba anarana fiantsoana Azy sy ny anaram-boninahitra nomena Azy?
Ampiasao ity fanombanana manaraka ity mba hanombantombanana ny fanirianao sy ny ezaka ataonao mba hahatakarana kokoa ny momba ny Mpamonjy.
1 = mahalana; 2 = indraindray; 3 = matetika
Maniry ny hahatakatra kokoa ny asa masin’i Jesoa Kristy aho.
Rehefa mandalina ny soratra masina aho dia mitady amin’ny nahim-po ireo anarana fiantsoana an’i Jesoa Kristy sy ireo anaram-boninahitra nomena Azy.
Zava-dehibe amiko ny mahafantatra ny toetran’i Jesoa mba hahafahako manaraka azy tsara kokoa.
Rehefa mianatra kokoa momba ny Mpamonjy ianao amin’ny alalan’ny fandalinana ireo anarana fiantsoana Azy sy ireo anaram-boninahitra nomena Azy, dia angataho ao anatin’ny vavaka ny Rainao any An-danitra hanampy anao hampitombo ny fanirianao hanaraka ny Zanany.
Araka ireo andininy ireo dia ahoana no hanatanterahan’i Jesoa Kristy ny anjara asany amin’ny maha-Mpisolovavantsika eo amin’ny Ray Azy?
Inona ny zavatra azontsika ianarana mikasika ny toetran’ny Mpamonjy avy amin’ireo andininy ireo?
I Jesoa no Mpisolovavantsika eo amin’ny Ray Azy (jereo ny 1 Jaona 2:1; F&F 29:5; 32:3; 45:3; 110:4). Ny teny hoe mpisolovava dia midika hoe “olona iray izay miangavy ho an’ny hafa.” Misy teny hafa mifandray amin’izany ampiasaina ao amin’ny soratra masina, toy ny hoe mpanelanelana na mpanalalana (jereo ihany koa ny 1 Timoty 2:5; 2 Nefia 2:28; F&F 76:69). …
… Ny fahatakarana Azy amin’ny maha-mpisolovava sy mpanelanelana ary mpanalalana antsika amin’ny Ray dia manome toky antsika ny amin’ny fahatakarany an-tsaina sy ny fahamarinany ary ny famindrampony tsy manam-paharoa. (jereo ny Almà 7:12). (Russell M. Nelson, “Jesus the Christ—Our Master and More” [Fampaherezam-panahy tao amin’ny Oniversite Brigham Young, 2 feb. 1992], 4, speeches.byu.edu)
Inona no tsapanao rehefa miezaka maka sary an-tsaina ny Mpamonjy mitalaho ho anao sy miaro anao ianao?
Nahoana no manamafy orina ny fahavononanao hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana ny fahafantarana fa miaro anao i Jesoa Kristy?
Misafidiana anarana na anaram-boninahitra iray ao amin’ny fandalinanao izay tianao hianarana kokoa. Ampiasao ireo loharanom-pahalalana izay azonao ampiasaina, toy ny Application Médiathèque de l’Évangile sy ny fanampiana amin’ny fandalinana soratra masina, mba hianarana ny zavatra ampianarin’ilay anarana na anaram-boninahitra momba an’i Jesoa Kristy. Azonao atao ihany koa ny mandalina ny tenin’ireo mpaminanin’ny andro farany mba hianarana misimisy kokoa. Rehefa vitanao izany fandalinana izany, dia valio ireto fanontaniana manaraka ireto:
Inona no zavatra nianaranao na tsapanao androany ka nampitombo ny fitiavanao sy ny fanirianao hanaraka ny Mpamonjy?
Amin’ny fomba ahoana no mety hitahian’ny fanohizana ny fandalinana sy ny fianarana kokoa momba ny anaran’i Jesoa Kristy ny fiainanao?