Ho tonga eto an-tany indray i Jesoa Kristy “[h]itafy hery sy voninahitra lehibe,” mba hanatanteraka ireo fampanantenana izay nataony (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:44; jereo koa ny andininy 16). Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45, ny Mpamonjy dia mampianatra amim-pitiavana ny fomba ahafahantsika miomana ho amin’ny Fiaviany Fanindroany. Ny tanjon’ity lesona ity dia ny hanampy ireo mpianatra hiomana ho amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany.
Sahanasa fianarana azo atao
Miomana amin’ireo zava-mitranga manan-danja
Mieritrereta zava-mitranga, na asa, na andraikitra eo amin’ny fiainanao izay mitaky fiomanana. Rehefa manao izany ianao dia eritrereto ny zavatra iray niainanao rehefa tsy niomana ianao sy ny zavatra iray niainanao rehefa niomana ianao.
Ahoana no fiantraikan’ny fiomananao teo amin’ny zavatra tsapanao rehefa nanakaiky ilay zavatra hatao? Inona no fiantraikan’izany tamin’ny vokatra azo?
Ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany dia ho fisehoan-javatra tsy mitovy amin’ny zavatra efa niainantsika hatrizay. Ny fiomanantsika amin’io zavatra hitranga io dia afaka mamaritra ny zavatra tsapantsika eo am-piandrasantsika ny fiverenany , ary izany no hamaritra ny zavatra hiainantsika rehefa miverina Izy.
Inona no fantatrao momba ireo zavatra hitranga mialoha ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany?
Raha eo anatrehan’ny zavatra fantatrao mikasika ny Fiaviany Fanindroany, nahoana ianao no te hiomana ho amin’izany?
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:44 sy ity teny manaraka nambaran’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, mba hitadiavana izay ho endriky ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany.
Tsy misy zavatra manosika ahy hiresaka an’i Kristy mihoatra noho ny fakana sary an-tsaina ny fiverenany. Na dia tsy fantatsika aza hoe rahoviana Izy no ho tonga, dia ho mahavariana tokoa ny zavatra hitranga amin’ny fiverenany! Ho avy eo amin’ny rahon’ny lanitra amin’ny halehibeny sy ny voninahitra Izy miaraka amin’ny anjeliny masina rehetra. Tsy anjely vitsy fotsiny fa ny anjeliny masina rehetra. (Neil L. Andersen, “Miresaka an’i Kristy isika,” Liahona, nôv. 2020)
Afaka mamporisika anao hiomana ho amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany amin’ny fomba ahoana ny fahatakarana ny endrika hisehoan’izany?
Amin’ny alalan’ny fampiasana an’io mari-drefy io, aiza no hanombananao ny haavon’ny fahatokianao an’ireto fanambarana manaraka ireto?
Fantatro ny fomba hiomanana ho amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany.
Mahatsapa aho fa vonona tsara amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany.
Miomana ho amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany
Mifidiana iray amin’ireo fizarana roa avy amin’ilay taratasy zaraina. Soraty ao ambadiky ny taratasy zaraina ny fomba manokana roa na telo ahafahan’ny zatovo mampihatra ireo fampianarana ato amin’ity fizarana ity eo amin’ny fiainan’izy ireo.
Misafidiana zavatra atao iray izay heverinao fa hahasoa anao mba hampiharina eo amin’ny fiainanao.
Inona no azonao atao mba hampiharana izany zavatra atao izany eo amin’ny fiainanao?
Ahoana no hanampian’ny fanaovana izany anao hiomana ho amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany?