“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46–48: Topimaso ankapobeny,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46–48,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46–48
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46–48
Topimaso ankapobeny
Fotoana fohy taorian’ny nivorian’ny Olomasina tany Kirtland, Ohio, tamin’ny 1831, dia nanomboka nipoitra ny fanontaniana mikasika ny fomba fanao sy fitondran-tena sasany ataon’ny mpikamban’ny Fiangonana sasany. Ny olona izay tsy mpikambana dia tsy navela nanatrika ny fivoriana fanasan’ny Tompo indraindray, ary ny mpikambana sasany dia nanomboka naneho endrika fanompoam-pivavahana tsy mahazatra, ary nilaza fa nahazo fanomezam-pahasoavana ara-panahy. Ny Tompo dia nanambara fahamarinana manan-danja tamin’ny Mpaminany Joseph Smith mba hanitsiana ireo fitondran-tena ireo sy hampianarana ireo Olomasina mikasika ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy.
Miomana hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilaina homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:1–6
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ireo mpianatra hanatsara ny ezaka ataon’izy ireo amin’ny famoronana tontolo ahitana fandraisana mahafinaritra mandritra ny fivorian’ny Fiangonana.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ombam-bavaka olona iray ao amin’ny sampana misy azy, na ny paroasy misy azy, na ny kilasiny ao am-piangonana izay mety mila ny fanampiany mba hahatsapa ho voaray tsara kokoa.
-
Sary: Ilay famantarana hoe “Tongasoa ny vahiny”
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:7–33, Tapany 1
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ireo mpianatra hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra azy ireo rehefa mianatra ny antony anomezany antsika fanomezam-pahasoavana ara-panahy izy ireo.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra fotoana izay nanomezan’ny Fanahy Masina fitaomam-panahy azy ireo mba hieritreritra, na hilaza, na hanao zavatra izay nitahy ny fiainan’izy ireo na ny fiainan’ny hafa. Angataho izy ireo handinika ny zavatra nampianarin’io zavatra niainany io azy ireo momba ny fitiavan’ny Ray any An-danitra ny zanany.
-
Horonan-tsary: “Tia ahy ny Ray any An-danitra” (3:37)
-
Votoatiny haseho: Famaritana ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy
-
Taratasy zaraina: “Avy amin’ Andriamanitra ireo fanomezam-pahasoavana ireo”
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:7–33, Tapany 2
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ireo mpianatra ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa rehefa mikatsaka ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy izy ireo.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hifantoka amin’ny ezaka ataony mba ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy mandritra ny andro mialoha ity lesona ity. Amporisiho izy ireo hamantatra ireo tanjaky ny tena manokana sy ny fahalemen’ny tena manokana izay hitan’izy ireo eo amin’ny ezaka ataon’izy ireo. Omena fahafahana hitady fomba hanamafisana ny fahalemeny izy ireo ato amin’ity lesona ity.
-
Horonan-tsary: “Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy” (11:33; jereo manomboka eo amin’ny mari-potoana 9:44 hatramin’ny 10:26)
-
Votoatiny haseho: Lisitry ny dingana tokony harahin’ny mpianatra any amin’ny faran’ny lesona