Ny Ray any An-danitra dia manome fanomezam-pahasoavana ara-panahy an’ireo mpikamban’ny Fiangonana mahatoky. Ireo fanomezam-pahasoavana ireo dia manome fahafahana antsika ho tonga tahaka ny Mpamonjy kokoa sy hitahy ireo manodidina antsika. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra azy ireo rehefa mianatra ny antony anomezany antsika fanomezam-pahasoavana ara-panahy izy ireo.
Sahanasa fianarana azo atao
Porofon’ny fitiavan’ny Ray any An-danitra
Fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy
Ireo fitahiana sy fahafaha-manao omen’ Andriamanitra antsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina dia antsoina hoe fanomezam-pahasoavana ara-panahy.
Inona no fantatrao momba ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy sy ny tanjony?
Ireo vao niova fo tany am-piandohana tao amin’ny Fiangonana tao Kirtland dia nientanentana tamin’ilay fampanantenana fa afaka mahazo fanomezam-pahasoavana ara-panahy izy ireo. Na izany aza, ny sasany dia diso fandray ny fomba nisehoan’ireo fanomezam-pahasoavana ireo.
Ny Olomasina sasany tao Kirtland dia nitondra ny finoan’izy ireo tamin’ny fomba tafahoatra, nifalifaly tamin’ny zavatra noraisiny ho fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy. Olona maro no nilaza fa manana fahitana izay tsy azony hazavaina. Ny hafa kosa nino fa ny Fanahy Masina no nahatonga azy ireo hikisakisaka amin’ny tany. Nitsambikina nanodidina ny efitrano ny lehilahy iray na nitsambikina avy teo amin’ny tohin’ny valin-drihana isaky ny nihevitra izy fa nahatsapa ny Fanahy. Ny iray hafa kosa nanao fihetsika toy ny babakoto.
Rehefa nahita izany fihetsika izany ireo niova fo sasany dia nanjary kivy ka niala tao amin’ilay fiangonana vaovao. (Saints, 1:112)
Inona avy ireo fanontaniana na tsy fahatakarana sasany mety hananan’ny olona momba ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy amin’izao androntsika izao?
Nanambara fahamarinana momba ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy ny Tompo
Nikatsaka fitarihana avy any an-danitra mikasika ny fomba hanampiana ny Olomasina tao Kirtland ny Mpaminany Joseph Smith. Ao anatin’ny fanambarana voarain’ny Mpaminany dia nampianatra fitsipika izay hanampy ny Olomasina tsy ho voafitaka ny Tompo, ary hanampy azy ireo hahatakatra ireo tena fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy.
Nahoana ny Ray any An-danitra no manome fanomezam-pahasoavana ara-panahy ho an’ireo zanany?
Ahoana no ahafahan’ny fahafantarana ny tanjon’ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy manampy antsika hamantatra azy ireo eo amin’ny fiainantsika?
Fahatakarana kokoa ny momba ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy
Mahafantatra ny maha-samihafa ny asa fanompoana (andininy 15): Io fanomezam-pahasoavana io dia afaka manampy ireo mpitarika hahafantatra ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahin’ny hafa sy ny fomba ahafahan’izy ireo manampy amin’ny asa fanompoana isan-karazany.
Mahafantatra ny maha-samihafa ny asa(andininy 16): Io fanomezam-pahasoavana io dia manampy ny tsirairay hamaritra raha avy amin’ Andriamanitra ny fampianarana na fitaomana iray na avy amin’ny loharano hafa.
Fanomezam-pahasoavan’ny faminaniana (andininy 22): “Ny fijoroana ho vavolombelon’i Jesoa dia fanahin’ny faminaniana” (Apokalypsy 19:10). Ny fanambarana ho an’ny tena manokana no loharanon’ny fijoroana ho vavolombelona, ary ny fijoroana ho vavolombelona dia ahafahan’ny olona iray maminany na mijoro ho vavolombelona momba ny asan’ Andriamanitra.
Ny famantarana ireo fanahy (andininy 23): Io fanomezam-pahasoavana io dia manome fahafahana ny olona iray hamantatra ny tena fikasana marina ananan’ny hafa sy ny zavatra miafina mandrisika azy ireo. Io fanomezam-pahasoavana io dia manampy ny olona iray hamantatra ireo faharatsiana miafina sy hahita ny tsara ao amin’ny hafa.
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:13–26 ary fantaro ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy samihafa omen’ Andriamanitra ny zanany. Mba hahatakarana kokoa ny fomba ahafahan’ireo fanomezam-pahasoavana ireo hitondra soa ho an’ireo zanak’ Andriamanitra, dia ampifanaraho amin’ny toe-javatra mifanaraka aminy ny andininy tsirairay.
Teo am-pihainoana ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ny hafa, dia tsy nahazo antoka loatra i Samantha hoe afaka ny hanatevin-daharana azy ireo amin’ny filazana fa fantany fa marina ny Fiangonana. Saingy ny fihainoana ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo dia mampitombo ny finoany ny Mpamonjy. Izany finoana izany dia manentana azy hanohy hiaina amim-pahatokiana.
Nasaina hanatrika fety iray i Lucy. Na dia tsy nisy nanome antsipiriany momba izany aza dia nahatsapa ho tsy nahazo aina izy hanatrika izany. Nolaviny tamim-pahalalam-pomba ilay fanasana, ary na dia sarotra aza izany, dia tsapany fa nety ny nataony.
Rehefa niezaka niaina ny filazantsara sy nivavaka tsy tapaka ary nandalina ny soratra masina i Robert dia nanjary fantany fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy azy.
Rehefa marary i Mark dia fantany fa afaka mangataka tsodranon’ny fisoronana amin-drainy izy. Imbetsaka no dia nitondra fiadanana sy hery fanampiny ho azy ireo tsodrano ireo.
Nisy lahatsoratra iray tao amin’ny tambajotran-tserasera nahatonga ny iray tamin’ireo naman’i Alice hanana ahiahy momba ny finoany. Rehefa nizara ilay lahatsoratra tamin’i Alice izy, dia fantatr’i Alice fa tsy avy amin’ Andriamanitra ilay fampahalalana.
Nasaina nampianatra ny kilasin’ny Zatovovavy i Judie. Rehefa nikatsaka ny fanampian’ny Ray any An-danitra izy dia nahatsapa ho notarihina tao anatin’ny fiomanany ary afaka nampianatra lesona iray mitondra fankaherezana.
Rahavavy Erickson dia voantso hanao asa fitoriana any amin’ny firenena hafa. Rehefa nikatsaka ny fanampian’ Andriamanitra izy ary niezaka nianatra ilay fiteny dia hitany fa afaka nahatakatra ny hafa sy nizara ny fijoroana ho vavolombelona nananany tamin-kery.
Inona no nianaranao mikasika ny fomba itahian’ny Ray any An-danitra ny zanany amin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy?
Inona avy ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy izay nomen’ny Ray any An-danitra anao?