Seminera
Lesona 63—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:7–33, Tapany 2: “Katsahonareo fatratra tokoa ny fanomezam-pahasoavana tsara indrindra”


“Lesona 63—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:7–33, Tapany 2: “Katsahonareo fatratra tokoa ny fanomezam-pahasoavana tsara indrindra,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:7–33, Tapany 2,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Lesona 63: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46–48

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:7–33, Tapany 2

“Katsahonareo fatratra tokoa ny fanomezam-pahasoavana tsara indrindra”

fandalinana soratra masina

Rehefa miezaka ny ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy isika dia mety ho kivy noho ny fahalementsika. Noho i Jesoa Kristy, dia afaka mandray ny Fanahy Masina sy ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy isika mba hanampiana antsika ho tonga kokoa tahaka ny Mpamonjy kokoa. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa rehefa mikatsaka ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy izy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Mikatsaka ny ho tonga tahaka an’ Andriamanitra

Azonao atao ny manomboka ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fanasana ireo mpianatra hieritreritra ireo fahalemena na tsy fahatanterahana izay mety hiteraka fahasorenana na hanakana antsika tsy ho tonga tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Asao ny mpianatra maromaro hanoratra ny valintenin’izy ireo eny amin’ny solaitrabe.

Alaivo sary an-tsaina hoe miaiky ny olona iray fa miaina ireo fahalemena sasany voatanisa eny amin’ny solaitrabe ka mieritreritra hoe, “Tsy afaka mandresy ireo zavatra ireo aho. Efa ohatr’izao mihitsy aho.”

  • Inona no fantatrao momba an’i Jesoa Kristy izay hanampy io olona io ny hahatakatra azy?

Fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy

Iray amin’ireo fomba ahafahan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy manampy antsika handresy ny fahalementsika ny fanomezana antsika fanomezam-pahasoavana ara-panahy.

  • Inona no fantatrao na tadidinao momba ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy?

Mety hamaly amin’ny alalan’ny fahamarinana nianarany avy tamin’ny lesona teo aloha ny mpianatra (“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:7–33, Tapany 1”). Raha toa ka tsy nampianatra ity lesona ity ianao dia azonao atao ny mianatra izany mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy rehefa ilaina izany.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:8 ary asongadino ny fanasan’ny Mpamonjy mifandray amin’ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy.

Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe mikatsaka fanomezam-pahasoavana ara-panahy?

  • Ahoana no mety hanampian’ny fikatsahana fanomezam-pahasoavana ara-panahy antsika amin’ny ezaka ataontsika mba ho tonga tahaka an’ Andriamanitra?

Ny Rahalahy Tad R. Callister, Filohan’ny Sekoly Alahady maneran-tany teo aloha, dia nanazava ny fomba anampian’ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy ireo antsika ho tonga tahaka an’ Andriamanitrakokoa:

2:3

Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy

Mampianatra antsika ny fomba hanampian’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy antsika mba handresy ireo zavatra manakana ny fivoarantsika Rahalahy Callister.

Ny Rahalahy Tad R. Callister

Noho ny Sorompanavotan’i Kristy, dia afaka ny handray ny fanomezana ny Fanahy Masina isika sy ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy miaraka amin’izany. Ireo fanomezana ireo dia toetra araka an’ Andriamanitra. Noho izany, isaky ny mandray fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy isika, dia lasa mitovy kokoa amin’ Andriamanitra. Tsy ananana ahiahy fa izany no antony anentanan’ny soratra masina antsika matetika ny mba hikatsaka ireo fanomezam-pahasoavana ireo.

Nampianatra ny Filoha George Q. Cannon hoe: “Tsy misy olona tokony hiteny hoe, -Tsy vitako ny mifehy tena tsy manao izany satria efa toetra voajanahary ato amiko izany.- Tsy voamarina ny amin’izany izy. Izany no antony nampanantenain’ Andriamanitra ny … hanome fanomezam-pahasoavana izay hanaisotra [ireny fahalementsika ireny]. … Raha misy manana tsy fahalavorariana amintsika dia andraikitsika ny mivavaka mba hahazo izay fanomezam-pahasoavana hahatonga antsika ho tonga lafatra.” (Tad R. Callister, “Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy,” Liahona, mey 2019)

  • Inona no ianaranao avy amin’io teny nambara momba ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy io?

    Ampio ny mpianatra hahatakatra fa manasa antsika hikatsaka ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ny Ray any An-danitra mba hahafahantsika ho tonga tahaka Azy kokoa.

  • Inona avy ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy azon’ny olona iray katsahina mba handresena ireo fahalemena voalaza tany am-piandohan’ny lesona?

Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hanoratra fanomezam-pahasoavana ara-panahy eo akaikin’ny fahalemena mifanaraka amin’izany eny amin’ny solaitrabe. Ohatra, raha nosoratana teny amin’ny solaitrabe ny hoe fahatezerana dia mety hilaza nyfanomezam-pahasoavan’ny faharetana ny mpianatra. Raha toa ka nanoratra hoe tsy ampy fahatokian-tena ny mpianatra, dia afaka mikatsaka ny fanomezam-pahasoavan’ny herim-po na finoana izy ireo.

Mba hanampiana ny mpianatra amin’ity sahanasa ity, dia azonao atao ny manasa azy ireo hamerina hijery ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:13–25. Azonao atao koa ny mampiasa ny teny nambaran’ny Rahalahy Callister mba hampahatsiahivana ireo mpianatra fa ireo toetra tahaka ny an’i Kristy, toy ireo izay voatanisa ao amin’ny Môrônia 7:45 na Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:5–6, dia azo raisina ho fanomezam-pahasoavana ara-panahy ihany koa. Ampahatsiahivo ny mpianatra fa misy fanomezam-pahasoavana ara-panahy hafa tsy voatanisa ao amin’ny soratra masina.

Saintsaino ny ezaka ataonao mba ho tonga tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no fahalemena na tsy fahalavorariana tianao horesena?

  • Inona avy ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy azonao tadiavina mba handresena izany fahalemena izany?

Ahoana no fomba hikatsahantsika fanomezam-pahasoavana ara-panahy?

Amporisiho ireo mpianatra hampiasa ireto sahanasa fandalinana manaraka ireto mba hitadiavana ireo fomba ahafahan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy manampy azy ireo eo am-pikatsahan’izy ireo ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy voatanisa ao amin’ny diariny.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:7–10, 30–33. Mitadiava fitarihana izay hanampy anao hikatsaka fanomezam-pahasoavana ara-panahy.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no afaka manampy anao amin’ny ezaka ataonao hikatsaka fanomezam-pahasoavana ara-panahy ireo fihetsika hitanao?

Mety hanampy ny mampahatsiahy ny mpianatra fa ny fikatsahana fanomezam-pahasoavana ara-panahy dia dingana atao mandritra ny fiainana, ary ny Tompo dia manome azy ireo araka ny sitrapony sy ny fotoanany (jereo ny Môrônia 10:17).

Ny Loholona Mervyn B. Arnold, izay tao amin’ny Fitopololahy teo aloha, dia nizara fomba iray hafa ahafahantsika mikatsaka fanomezam-pahasoavana ara-panahy avy amin’ Andriamanitra:

Loholona Mervyn B. Arnold

Rehefa mikatsaka ny hahazo fanomezam-pahasoavana ara-panahy isika dia afaka mandalina ireo ohatra nasehon’ny Mpamonjy sy ny fampianarany izay mahakasika izany fanomezana manokana izany ary avy eo miezaka ny mampiditra ireo fampianarana ireo eo amin’ny fiainantsika. (Mervyn B. Arnold, “Messages from the Doctrine and Covenants: Seek Ye the Best Gifts,” Ensign, mar. 2005, 66)

Mba hanampiana ny mpianatra hiomana hampihatra ny torohevitra avy amin’ilay teny nambara teo aloha, dia azonao atao ny manasa azy ireo hieritreritra fanomezam-pahasoavana ara-panahy iray ary hamolavola maodely ho an’ny iray kilasy mba hahatakarana ny fampianaran’ny Loholona Arnold. Ohatra, raha misafidy ny fanomezam-pahasoavan’ny herim-po ny mpianatra dia azonao atao ny manontany hoe:

  • Ahoana no nanehoan’i Jesoa Kristy herim-po nandritra ny fiainany? (Jereo ny Matio 26:47–56.)

  • Inona no nampianarin’ny Mpamonjy antsika momba ny herim-po ao amin’ny soratra masina? (Jereo ny Josoa 1:9.)

  • Inona no azon’ny olona atao mba hampiharana ny fampiasana herim-po eo amin’ny fiainany?

  • Inona no fihetsika azon’ny olona iray atao mba hanasana ny fanampian’ny Mpamonjy rehefa mikatsaka ny fanomezam-pahasoavan’ny herim-po izy ireo?

Aorian’io fifanakalozan-kevitra io dia asehoy ireto torolalana manaraka ireto ary asao ny mpianatra handalina samirery ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy iray.

Jereo ao amin’ny diarinao ilay fanomezam-pahasoavana nosoratanao izay tianao hokatsahina. Vitao ireto dingana manaraka ireto:

  1. Tadiavo ao amin’ny soratra masina ny ohatra iray maneho ny Mpamonjy mampiseho izany fanomezam-pahasoavana izany.

  2. Mitadiava andinin-tsoratra masina izay mirakitra fampianarana fanampiny momba izany fanomezam-pahasoavana izany.

  3. Mitanisà zavatra roa na telo azonao atao mba hampiharana ny fampiasana izany fanomezam-pahasoavana izany eo amin’ny fiainanao.

  4. Manorata zavatra izay hataonao mba hanasana ny fanampian’ny Mpamonjy rehefa manohy mikatsaka izany fanomezam-pahasoavana izany ianao. Raha ilaina, dia jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:7–10, 30–33.

Azonao atao ny mamarana amin’ny fanasana ireo mpianatra hizara ny fanomezam-pahasoavana katsahin’izy ireo sy ny zavatra nianarany avy amin’ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy. Ampitandremo izy ireo mba tsy hizara ireo fahalemena izay ezahin’izy ireo horesena izay mety mahakasika loatra ny tenany manokana ka tsy tokony horesahina. Amporisiho ny mpianatra handray andraikitra amim-pahatokiana eo anatrehan’ny fahatsapana azony ary hanohy hanasa ny fanampian’ny Ray any An-danitra rehefa mikatsaka fanomezam-pahasoavana ara-panahy izy ireo.