Seminera
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49–50: Topimaso ankapobeny


“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49–50: Topimaso ankapobeny,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana(2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49–50,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49–50

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49–50

Topimaso ankapobeny

Rehefa voaorina sy nihanivelatra ny Fiangonana tao Ohio dia nanambara ny teniny tamin’ny Mpaminany Joseph Smith ny Mpamonjy mba hanitsiana ireo zavatra inoana sy fomba fanao izay diso. Tao amin’ny fanambarana iray natolotra ho an’ny vondrom-pivavahana iray nantsoina hoe Shakers dia nampianatra ny fotopampianarany momba ny fanambadiana sy ny fianakaviana ary fomba fanao hafa ny Tompo. Notsindriny ihany koa fa mpikamban’ny Fiangonana maro no voafitaky ny fihevitra hafahafa sy fanahy sandoka. Nampianatra azy ireo ny fomba fanavahana ny marina amin’ny diso Izy ary ny fomba fioeranana eo amin’ilay vatolampiny.

sary famantarana ny fanofanana Ampio ny mpianatra handray andraikitra amin’ny zavatra ianarany: Fomba iray hanampiana azy ireo ho mpandray anjara mavitrika ny famporisihana azy ireo hametraka fanontaniana sy ny fanasana ireo mpianatra hafa hamaly ireo fanontaniana ireo. Mba hahitana fampahalalana bebe kokoa momba ny fomba nanaovan’ny Mpamonjy izany dia jereo ny fizarana “Ny Mpamonjy dia nanampy ny hafa ho tompon’andraikitry ny fianaran’izy ireo” ao amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy. Afaka mahita ohatra iray momba ny fomba hanaovana izany ianao ao amin’ny lesona amin’ity herinandro ity mitondra ny lohateny hoe “Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50, Tapany 1.”

Miomana hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilaina homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fanambadiana sy ny fianakaviana ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ny fahatsapany manokana momba ny fanambadiana sy ny fianakaviana. Angataho ny mpianatra hisaintsaina ny antony maha-manan-danja ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra araka ny eritreritr’izy ireo.

  • Taratasy zaraina:Tendrin’ Andriamanitra ny fanambadiana sy ny fianakaviana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50, Tapany 1

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny fomba ahafahan’ny Tompo manampy azy ireo hamantatra fahamarinana sy hisoroka fitaka.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hangataka amin’ny Ray any An-danitra mba hanampy azy ireo hamantatra fahamarinana sy hisoroka fitaka.

  • Sary: Sarina mouffette iray

  • Horonan-tsary:Aza mamitaka ahy” (15:04) manomboka eo amin’ny mari-potoana 1:56 ka hatramin’ny 3:15; “Manokàna fotoana ho an’ny Tompo” (5:37) manomboka eo amin’ny mari-potoana 1:00 ka hatramin’ny 2:29

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50, Tapany 2

Tanjon’ny lesona: Mba hanomezana ireo mpianatra fahafahana hizatra hampianatra sy hianatra amin’ny alalan’ny Fanahin’ny Fahamarinana.