Seminera
Lesona 65—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50, Tapany 1: Misoroka ny fitaka


“Lesona 65—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50, Tapany 1: Misoroka ny fitaka,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50, Tapany 1,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Lesona 65: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49–50

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50, Tapany 1

Misoroka ny fitaka

olona iray mitsangana sy zana-tsipika manondro amin’ny lalana maro samifaha

Tao anatin’ny fahazotoan’izy ireo hiaina ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy dia voafitaka ireo olona niova fo tany am-boalohany sasantsasany tao Kirtland, Ohio ka nihevitra izy ireo fa avy tamin’ny Fanahy Masina ny fisehoana tsy mahazatra sasany nitranga izay tsy avy amin’ny Fanahy na dia tsy marina aza izany. Nanolotra fitarihana ny Tompo mba hanampiana azy ireo hanavaka ny zavatra avy Aminy sy ny tsy avy Aminy. Ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny fomba ahafahan’ny Tompo manampy azy ireo hamantatra fahamarinana sy hisoroka fitaka.

Sahanasa fianarana azo atao

Ilay saka mitsoriadria-tsoratra fotsy ny lamosiny

Hevero ny hizara ity tantara manaraka ity. Azonao atao ny mampiseho sarina mouffette eo am-panaovanao izany.

mouffette

Nizara izao tantara manaraka izao ny Loholona Gary E. Stevenson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

2:3
Loholona Gary E. Stevenson

I Dadatoa Grover [dia] nipetraka tany amin’ny trano iray tany ambanivohitra, lavitra ny tanan-dehibe. Nitombo fahanterana i Dadatoa Grover. Nieritreritra izahay fa tokony hihaona amin’ireo zanakay lahy izy mialoha ny hahafatesany. Koa, indray tolakandro, dia nanao dia lavitra tamin’ny alalan’ny fiara nankany amin’ny tranony izahay. Niara-nipetraka nifampitsidika izahay ary nampahafantatra azy tamin’ireo zanakay lahy. Tsy lasa lavitra akory ny resaka dia naniry ny hivoaka sy hilalao tany ivelany ireo zanakay roalahy zandriny indrindra, angamba dimy sy enina taona tamin’izay.

Raha nandre ny fangatahan’izy ireo i Dadatoa Grover, dia niondrika izy ka nibanjina ny endrik’izy ireo. … Hoy izy tamin’izy ireo tamin’ny feony hentitra, “Mitandrema fa misy mouffettes marobe any ivelany any.” Raha nandre izany izaho sy i Lisa dia tena gaga tokoa, natahotra izahay sao hitsifotra fofona maimbo amin’izy ireo ny mouffette iray! Tsy ela dia nivoaka nilalao tany ivelany ireo ankizilahy rehefa nanohy ny fitsidihanay izahay.

Taty aoriana rehefa tao anaty fiara handeha hody izahay dia nanontany an’ireo ankizilahy aho hoe, “Nahita mouffette ve ianareo?” Namaly ny iray tamin’izy ireo hoe, “Tsia, tsy nahita izahay, fa nahita saka mainty iray izay mitsoriadria-tsoratra fotsy ny lamosiny!” (Gary E. Stevenson, “Aza mamitaka ahy,” Liahona, nôv. 2019, 93)

  • Nahoana araka ny eritreritrao no tsy fantatr’ireo ankizy ilay mouffette?

  • Inona no loza ateraky ny tsy fahafantarana ny tena toetran’ny zavatra iray?

  • Inona no ifandraisan’ity tantara ity amin’izay tian’i Satana hinoantsika momba azy?

    Hevero ny hanasa ny mpianatra hiara-hiasa amin’ny mpianatra iray hafa ka hanoratra ny famaritana ny teny hoe fitaka. Rehefa nanana fotoana ampy nanoratana ny mpianatra dia afaka mangataka ny sasany amin’izy ireo ianao mba hizara ny famaritana hitany amin’ny iray kilasy. Raha manampy dia zarao ny famaritana hita ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina: “Ao amin’ny soratra masina, ny hoe mamitaka dia midika hoe mitarika olona iray hino zavatra tsy marina” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fitaka, Fanangolena, Lainga,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

    Hevero ny hitanisa eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ny mpianatra amin’ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona avy ireo fomba sasany ezahan’i Satana hamitahana ny zatovo ankehitriny?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no tena mahomby indraindray ireo fitak’i Satana?

Asao ny mpianatra hikatsaka fitaomam-panahy avy amin’ny Fanahy Masina mba hanampiana azy ireo hamantatra sy hosoroka ny fitaka.

Fitaka teo anivon’ireo Olomasina tany am-boalohany

Rehefa tonga tao Kirtland, Ohio, i Joseph Smith tamin’ny fiandohan’ny volana febroary 1831 dia nahatsikaritra izy fa “nisy fihevitra hafahafa sy fanahy sandoka izay niditra nisokosoko teo anivon’ireo” Olomasina (in History, 1838–1856 [Manuscript History of the Church], vol. A-1, 93, josephsmithpapers.org).

Noraketin’i John Whitmer izao manaraka izao momba io vanim-potoana io.

John Whitmer

Nahita fahitana ny sasany ary tsy afaka nanazava ny zavatra hitany, ny sasany dia nihambo ho nanana ny sabatr’i Labàna ka mahay mampiasa izany [tahaka ny miaramila mitaingin-tsoavaly], ny sasany dia nanao fihetsika toy ny Indiana manapaka volon-doha, ny sasany dia nikisakisaka teo amin’ny tany tamin’ny hafainganam-pandehan’ny bibilava. … Toy izany no nanajamban’ny devoly ny mason’ireo mpianatry ny Tompo tsara sy marin-toetra sasany. (John Whitmer, History, 1831–circa 1847, 26, josephsmithpapers.org)

Ny ahiahy momba ireo fihetsika ireo dia nitarika an’i Joseph Smith hanontany ny Tompo sy handray ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50. Nampitandrina ireo loholon’ny Fiangonana momba ireo fanahy sandoka sy ireo mpikambana mihitsy aza izay mamitaka ny hafa ny Tompo ao amin’ny andininy 1–9.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:1–3 mba hitadiavana ny iray amin’ireo fampitandremana nomen’ny Tompo.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no mampiasa fitaka i Satana mba hitarihana antsika hiala amin’i Jesoa Kristy?

Ampio ny mpianatra hahatakatra fa na dia tena kinga amin’ny famitahana aza i Satana dia nanome torohevitra tamim-pitiavana i Jesoa Kristy ao amin’ny andininy 10–35 mba hanampiana ny mpanara-dia Azy hamantatra ny fahamarinana sy hisoroka ny fitaka.

Hevero ny hampiseho na hanoratra eny amin’ny solaitrabe ity fehezan-teny miendrika sora-matevina izay misy banga ity. Azonao zaraina ho vondrona kely vistivitsy ny mpianatra ary ampiandraiketo ny iray amin’ireto andian-tsoratra masina manaraka ireto ny vondrona tsirairay. Afaka miomana hizara ny zavatra nianarany avy amin’ity sahanasa manaraka ity ny mpianatra.

Vakio ireto andininy manaraka ireto mba hitadiavana ny fomba hamenoanao ny banga ao amin’ity fahamarinana manaraka ity: Hanampy antsika hisoroka ny fitaka ny Tompo rehefa …

Rehefa ampy ny fotoana nomena dia asao ireo mpianatra mba hitanisa ireo zavatra hitan’izy ireo eny amin’ny solaitrabe eo ambanin’ilay fehezan-teny misy banga. Mety ho tafiditra ao anatin’ireo valiny ireto manaraka ireto: … mikatsaka ny hampianatra sy hianatra amin’ny alalan’ny Fanahin’ny Fahamarinana isika, … mikatsaka ny handray ny fahazavany isika, … mivavaka isika mba hahafantarana raha avy amin’ Andriamanitra na tsia ny fanahy iray. Alohan’ny ifanakalozana hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto miaraka amin’ny iray kilasy dia mety hanampy ireo mpianatra ny famaliana azy ireo ao anatin’ny diary fandalinany. Afaka manampy ny mpianatra hahatsapa ho matoky tena sy ho vonona kokoa hizara ny fanoratana ny eritreritra ao an-tsainy aloha. Mety hanana fanontaniana fanampiny momba ireo fahamarinana ireo ny mpianatra. Makà fotoana handinihana ny fanontanian’izy ireo. Ny mpiara-mianatra aminy dia mety afaka manome hevitra manan-danja ankoatra ny zavatra azonao zaraina.

sary famantarana ny fanofananaMba hanampiana ireo mpianatra handray andraikitra amin’ny fianarany dia jereo ny fanofanana mitondra ny lohateny hoe “Tohero ny fironana hamaly ny fanehoan-kevitra sy ny fanontaniana tsirairay ary asao ny iray kilasy hamaly.” Izany dia hita ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Ataovy izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana.

  • Inona no dikan’io fampianarana io?

  • Ahoana no ahafahan’io fampianarana io manampy anao hahazo ny fanampian’ny Tompo mba hisorohana amin’ny fitak’i Satana?

Rehefa mifanakalo hevitra momba ny fanontaniana teo aloha ianareo dia mety hanampy ny misarika ny sain’ireo mpianatra amin’ilay lisitra eny amin’ny solaitrabe izay maneho ireo fomba ezahin’i Satana hamitahana ny zatovo. Afaka manamarika ny fomba anampian’ilay fampianaran’ny Mpamonjy nosafidiny mba hiatrehana ny iray na ny maromaro amin’ireo fitaka iray na maromaro izay voatanisa ny mpianatra.

Fomba iray mazava hisorohana ny fitaka

Namarana tamin’ny fanomezan-toky feno fitiavana ny Tompo fa noho Izy dia tsy tokony hatahotra isika. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:40–44 mba hitadiavana ny zavatra nianaranao momba ny Mpamonjy.

  • Inona no manan-danja aminao momba ny Mpamonjy ao amin’ireo andininy ireo?

  • Ahoana no ahafahan’izany fahalalana momba Azy izany manampy antsika ao anatin’ity tontolo feno fitaka ity?

  • Ahoana no nahafantaranao na ninoanao ireo fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy ireo?

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra izao manaraka izao mikasika ny fomba ahafahantsika manasa ny fanampian’ny Tompo mba hisorohana ny fitaka:

5:49
Filoha Russell M. Nelson

Manintona sy maro dia maro ireo feo sy faneren’izao tontolo izao. Saingy maro loatra amin’ireo no mamitaka sy manangoly ary afaka ny hanala antsika tsy ho eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Mba hisorohana ny ratram-po izay manaraka an’izany dia miangavy anareo aho anio mba hanohitra ny fandrik’izao tontolo izao amin’ny alalan’ny fanokanana fotoana ho an’ny Tompo eo amin’ny fiainanareo—isan’andro isan’andro.

Raha tonga avy amin’ny tambajotran-tserasera na ny haino vaky jery hafa ny ankabeazan’ny fampahalalana azonao dia hihena ny fahafahanao mihaino ny bitsiky ny Fanahy. Ary raha toa koa ianao ka tsy mikatsaka ny Tompo amin’ny alalan’ny vavaka sy fandalinana ny filazantsara isan’andro dia mamela ny tenanao ho lasa marefo amina filôzôfia izay mety ho mahaliana saingy tsy marina ianao. Na dia ny Olomasina izay mahatoky raha ny mahazatra aza dia mety ho tafiala an-dalana noho ny antsoantso tsy tapaka ataon’ny tarik’i Babylona.

Ry rahalahiko sy anabaviko, miangavy anareo aho mba hanokana fotoana ho an’ny Tompo! Ataovy mafy orina sy tsy tontan’ny ela amin’ny alalan’ny fanaovana ireo zavatra izay mamela ny Fanahy Masina hiaraka aminareo mandrakariva ny fototra ara-panahinareo manokana. (Russell M. Nelson, “Manokàna fotoana ho an’ny Tompo,” Liahona, nôv. 2021, 120)

  • Inona no hevi-baovao fanampiny hitanao izay afaka manampy anao hisoroka ny fitaka?

Hevero ny hanome fotoana ny mpianatra hizara zavatra nianarany na tsapany fa tokony hataony mba hisorohana ny fitaka. Asao izy ireo hanohy hitady fomba hamantarana fahamarinana masina sy hisorohana fitaka. Azonao atao ny mizara ny fahatokianao ny fanirian’ny Tompo sy ny fahaizany manampy ireo mpianatra hanao izany.