Seminera
Lesona 64—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49: Tendrin’ Andriamanitra ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray


“Lesona 64—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49: Tendrin’ Andriamanitra ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Lesona 64: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49–50

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49

Tendrin’ Andriamanitra ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray

mpivady vao mandinika ny tempoly

Maro ireo hevitra sy fomban-drazana diso izay nisy rehefa nanomboka nivelatra ny Famerenana amin’ny laoniny. Nanitsy tamim-pitiavana ireo hevi-diso sy nanazava ireo fotopampianarana manan-danja amin’ny famonjena antsika toy ny fanambadiana sy ny fianakaviana ny Mpamonjy. Ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fanambadiana sy ny fianakaviana ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra.

Sahanasa fianarana azo atao

Ny tanjon’ny tany

tany

Hanombohana ny fotoam-pianarana dia mampisehoa sary izay mampita ny zavatra tianao momba ny tany. Avy eo dia ametraho fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto ny mpianatra:

  • Inona no tianao momba ny tany?

  • Iza no namorona ny tany? (jereo ny Mosesy 1:33; Abrahama 3:22–24).

  • Inona avy ireo antony sasany namoronan’i Jesoa Kristy ny tany?

Azo inoana fa hanana valiny maro samihafa amin’ilay fanontaniana farany ny mpianatra. Ankasitraho sy isaory izy ireo amin’ny valinteniny. Raha toa ka tsy miresaka momba ny fanambadiana na ny fianakaviana ny mpianatra dia lazao fa ny Filoha Russell M. Nelson dia nanome antony fanampiny momba ny nahariana ny tany. Zarao ity teny nambara manaraka ity. Rehefa avy novakina ilay teny nambara dia hevero ny hanasa ny mpianatra hizara ny eritreriny momba izany. Amporisiho izy ireo hitady porofo izay manohana io fanambarana io mandritra ny lesona.

Filoha Russell M. Nelson

Raha fintinina amin’ny teny tsotra dia nohariana mba hisian’ny fianakaviana ny tany. (Russell M. Nelson, “The Creation,” Ensign, mey 2000, 85)

“Tendrin’ Andriamanitra ny fanambadiana”

Ity lesona ity dia hifantoka amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:15–17 sy amin’ny fotopampianaran’ny fanambadiana sy ny fianakaviana. Raha toa ka mahasoa ireo mpianatra ny fifanakalozan-kevitra momba ireo lohahevitra hafa hita ao amin’ilay fizarana dia ampiasao ny ampahany amin’ny “Sahanasa fianarana fanampiny” ato amin’ity lesona ity.

Fotoana fohy taorian’ny nanombohan’ny Olomasina nanorim-ponenana tao Kirtland, Ohio, dia naniry ny mpikambana vaovao iray nantsoina hoe Leman Copley ny mba hitorian’ireo misiônera ny filazantsara amin’ilay vondron’olona mpivavaka nisy azy teo aloha izay antsoina hoe ny Shakers. Nino ny Shakers fa efa nitranga ny Fiaviana Fanindroany ary niseho tamin’ny endriky ny vehivavy iray antsoina hoe Ann Lee i Kristy. Nolavin’izy ireo ny fanambadiana ary nandrara ny fihinanana hena ny Shakers sasany. Nangataka fanazavana tamin’ny Tompo ny Mpaminany Joseph Smith ary nandray ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49. Nandidy an’i Sidney Rigdon sy i Parley P. Pratt ary i Leman Copley ny Tompo mba hitondra ny fanambarana any amin’ireo Shakers ary hitory ny fahamarinana amin’izy ireo.

sary famantarana ny fifehezana fotopampianarana Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:15–17 dia andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanasa ny mpianatra hanisy marika amin’ny fomba miavaka ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mba ho mora aminy ny mahita ny toerana misy azy ireo.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:15–17 mba hitadiavana ny fampianaran’i Jesoa Kristy momba ny fanambadiana sy ny fianakaviana.

  • Inona no fanontaniana anananao momba ireo andininy ireo?

  • Ahoana no mety hamintinantsika ny fampianaran’ny Mpamonjy avy amin’ireo andininy ireo?

    Hevero ny hanome fotoana kely ny mpianatra hieritreretana teny famintinana. Asao avy eo ny sasany amin’izy ireo mba hitanisa ny teny nambaran’izy ireo eny amin’ny solaitrabe. Mba hahombiazan’ny mpianatra dia mety mila manampy amin’ny fanazavana ireo andian-teny sasany avy ao amin’ireo andininy ireo ianao. Ampio izy ireo hamantatra fahamarinana tahaka ny hoe tendrin’ Andriamanitra ny fanambadian’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray ary nodidina mba ho iray sy hanan-janaka ny mpivady.

  • Nahoana no zava-dehibe ny hahatakaran’ireo Shakers sy ny olona hafa ireo fahamarinana ireo tamin’ny andron’i Joseph Smith?

    Azonao atao ny manamarika fa ny Shakers dia nino ny fijanonana ho tokan-tena tanteraka na ny tsy firotsahana ao anatin’ny fanambadiana sy ny firaisana ara-nofo. Avy eo dia afaka mifanakalo hevitra momba ny finoana iraisana amin’izao androntsika izao ianareo izay mahatonga ny olona handa ny fanambadiana. Azonao ampiasaina ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto na izy roa.

  • Inona avy ireo zavatra inoana arak’izao tontolo izao izay mahatonga ny olona handa ny fanambadiana amin’izao androntsika izao?

  • Inona no porofo hitanao maneho an’i Satana izay miezaka manova na mandrava ny fahamasinan’ny fanambadiana sy ny fianakaviana ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra?

sary famantarana ny taratasy zarainaIty taratasy zaraina manaraka ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra kokoa ny fampianaran’ny Mpamonjy momba ny fanambadiana sy ny fianakaviana. Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hikatsaka fijoroana ho vavolombelona ara-panahy momba ny maha-zava-dehibe ny fanambadiana sy ny fianakaviana rehefa mandalina izy ireo. Azonao zaraina roa ny iray kilasy ary asaivo mandalina fizarana iray avy ao amin’ilay taratasy zaraina ireo vondrona tsirairay. Rehefa avy nomena fotoana ampy dia ampiaraho tsiroaroa ny mpianatra tsirairay avy amin’ny vondron’ny andaniny sy ny mpianatra tsirairay avy amin’ny vondron’ny ankilany. Asao izy ireo hifampizara ny zavatra nianarany sy hiresaka momba ireo fanontaniana momba ilay fifanakalozan-kevitra.

Tendrin’ Andriamanitra ny fanambadiana sy ny fianakaviana

Fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray

Fandalinana:

Vakio ny Marka 10:6–9; 1 Korintiana 11:11; ary ity teny nambara manaraka ity izay nataon’ny Rahavavy Bonnie L. Oscarson, Filohan’ny Zatovovavy maneran-tany teo aloha. Mitadiava fampianarana momba ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray.

Filoha Bonnie L. Oscarson

Ampianarina antsika ao amin’ny soratra masina hoe: “Kanefa ao amin’ny Tompo tsy misy vehivavy raha tsy misy lehilahy, ary tsy misy lehilahy raha tsy misy vehivavy.” [1 Korintiana 11:11]. Mba hahatratraran’ny olona rehetra na iza na iza ny fahafenoan’ireo fitahian’ny fisoronana dia tsy maintsy misy lehilahy iray sy vehivavy iray mpivady nofehezina ao amin’ny tranon’ny Tompo, miara-miasa amim-pahamarinana sy mijanona ho mahatoky amin’ny fanekempihavanana nataon’izy ireo. Izany no drafitry ny Tompo ho an’ireo zanany, ka tsy misy ady hevitra na fitsikerana ataon’ny olona, na betsaka toy ny ahoana aza, ka ho afaka hanova izay nambaran’ny Tompo. … Aoka isika mba ho mpiaro ny fanambadiana araka ny fomba namaritan’ny Tompo izany sady manohy maneho fitiavana sy fangorahana amin’ireo izay tsy mitovy hevitra amintsika. (Bonnie L. Oscarson, “,Mpiaro ilay fanambarana momba ny fianakaviana,” Liahona, mey 2015)

Ifanakalozy hevitra ny hoe:

  • Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny fanambadiana eo amin’ny vehivavy iray sy ny lehilahy iray ny fanatanterahana “ny drafitry ny Mpahary ho an’ny anjara mandrakizain’ireo zanany”? (“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” ChurchofJesusChrist.org).

  • Ahoana no ahafahantsika maneho fangorahana amin’ireo izay manana fomba fijery hafa nefa mbola miaro ny fotopampianaran’ny Mpamonjy momba ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray?

“Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany.”

Fandalinana:

Vakio ny Genesisy 1:27–28; Salamo 127:3; Marka 10:13–14; ary ity teny manaraka ity izay nambaran’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Tadiavo ny fampianaran’ny Tompo momba ny zanaka.

Loholona Neil L. Andersen

Rehefa mijery ny mason’ny zanaka iray isika, dia mahita zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra izay nijoro niaraka tamintsika tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana.

Tena voninahitra lehibe ho an’ny mpivady izay afaka manan-janaka ny manome vatana ara-nofo ho an’ireo fanahy zanak’ Andriamanitra ireo. Mino ny fianakaviana isika ary mino ny zanaka.

Rehefa ateraky ny mpivady ny zaza iray, dia manatanteraka ny ampahan’ny drafitry ny Raintsika any An-danitra izy ireo, dia ny hitondra zanaka ho ety an-tany. Hoy ny Tompo: “Fa indro, izao no asako sy voninahitro—ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” [Mosesy 1:39]. Mialoha ny tsy fahafatesana, dia tsy maintsy misy ny fiainana an-tany. (Neil L. Andersen, “Ireo zanaka,” Liahona, nôv. 2011)

Ifanakalozy hevitra ny hoe:

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fijerena ny zanaka sy ny fianakaviana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay manampy ny mpivady iray hanao ho laharam-pahamehana ny sasany amin’ireo fanapahan-kevitr’izy ireo?

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy mikasika ny fomba itondrantsika sy ifaneraserantsika amin’ny zanaka?

Omeo fotoana ny mpianatra hanazavana ny anjara asan’ny fanambadiana sy ny fianakaviana ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra. Afaka misafidy ny iray amin’ireo zavatra inoan’izao tontolo izao momba ny fanambadiana noresahina teo aloha izy ireo ary mampiasa ny fotopampianaran’ny Mpamonjy izay nampianarina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:15–17 mba hanitsiana izany zavatra inoana izany.

Azonao atao ny mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny nitahian’ny fotopampianaran’ny Mpamonjy momba ny fanambadiana sy ny fianakaviana ny fiainanao. Afaka mizara zavatra niainana sy fijoroana ho vavolombelona ihany koa ny mpianatra.

Hevero ny hanasa ny mpianatra hirakitra ireo zavatra tsapany mikasika ny maha-zava-dehibe ny fanambadiana sy ny fianakaviana ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra.