Seminera
Lesona 67—Tombano ny fianaranao 4: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41–50


“Lesona 67—Tombano ny fianaranao 4: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41–50,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)

“Tombano ny fianaranao 4,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Lesona 67: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49–50

Tombano ny fianaranao 4

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41–50

tanora mijery sarintany iray

Ny fanomezana fotoana ny mpianatra hanombanana ny fivoarany ara-panahy dia afaka manampy azy ireo hanakaiky kokoa ny Mpamonjy sy hiezaka ho tonga tahaka Azy kokoa. Afaka mahita ny fandrosoana vitany sy ireo lafin-javatra azony hatsaraina ihany koa izy ireo. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatsiaro sy hanombantombana ny fomba nanampian’ny zavatra niainan’izy ireo tamin’ny fandalinana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana azy ireo hitombo ara-panahy.

Sahanasa fianarana azo atao

Tombano ireo mari-pamantarana ara-panahy anananao

Ity manaraka ity dia afaka manomana ireo mpianatra hampitaha ireo mari-pamantarana hita maso amin’ireo porofo maneho ny fivoarany ara-panahy. Azon’izy ireo atao ny mamita io sahanasa io samirery na miaraka amin’ny iray kilasy amin’ny alalan’ny fanaovana sarintany iray eny amin’ny solaitrabe.

Mifidiana toerana iray eo an-toerana ary manaova sarintany avy amin’ny toerana misy anao ankehitriny mankany amin’io toerana io. Ampidiro ny mari-pamantarana izay hanampy olona iray hahafantatra fa eo amin’ny lalana tokony ho izy izy ireo.

  • Inona avy ireo mari-pamantarana nampidirinao? Nahoana?

  • Inona no anjara asan’ny mari-pamantarana amin’ny fanampiana anao hahita ny toerana tianao haleha?

    Raha nanao sarintany eny amin’ny solaitrabe ianao dia azonao soloina amin’ny andian-teny hoe “Tonga tahaka an’i Jesoa Kristy” ilay toerana tianao hahatongavana tany am-piandohana. Rehefa mamaly ilay fanontaniana manaraka ny mpianatra dia azonao atao ny manolo ireo mari-pamantarana sasany amin’ny valinteny omen’ny mpianatra.

    Mieritrereta fomba iray hanampiana ny mpianatra hieritreritra momba ny fiainany manokana. Azonao atao ny milaza zavatra toy izao manaraka izao amin’ny alalan’ny teninao manokana.

  • Raha toa ka ny hahatongavana ho tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa no tianao hahatongavana dia inona no mety ho mari-pamantarana ara-panahy sasany izay afaka manampy anao hahafantatra fa manaraka ny lalana mizotra mankany ianao?

Ny fahafahana mahita mazava tsara ny fandrosoantsika dia mitaky fisaintsainana sy fitarihana avy amin’ny Fanahy Masina. Makà fotoana kely hamantarana ny fivoarana sasany vitanao amin’ny alalan’ny fitadiavana ireo mari-pamantarana ara-panahy misy eo amin’ny fiainanao. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia tadiavo ireo porofo mampiseho fa tonga tahaka an’i Jesoa Kristy kokoaianao rehefa nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana tao anatin’izay herinandro vitsivitsy lasa izay.

Azonao atao ny manome fotoana ny mpianatra hisaintsainana sy hieritreretana samirery. Rehefa avy nomena fotoana ampy izy ireo dia asao ireo mpianatra hizara izay zavatra hitany.

Azonao atao koa ny mampiasa ireto sahanasa manaraka ireto mba hanampiana ireo mpianatra hisaintsaina ny fivoaran’izy ireo ara-panahy tao anatin’izay herinandro vitsivitsy lasa izay. Ireo sahanasa fanombantombanana ato amin’ity lesona ity dia mifanohy amin’ireo leson’ny seminera teo aloha. Raha toa ka nasiana fanamboarana na tsy nampianarina ireo lesona ireo dia ilaina amboarina koa ireo sahanasa fanombantombanana mba hahitana taratra ny zavatra niainan’ny mpianatrao.

Amin’ny alalan’ireo sahanasa tsirairay dia azonao atao ny manantitrantitra amin’ny mpianatra fa ny fanombantombanana ny fianarany amin’ny alalan’ny fanarahana ireo fomba ireo dia mety ho toy ny fametrahana mari-pamantarana amin’ny dia holalovana izay manamarina fa mizotra mankany amin’ny lalana tokony ho izy izy ireo. Fantaro tsara ireo mpianatra izay mety tsy mahatsapa fa mandroso na mbola tsy nahita fiovana tsara teo amin’ny fiainany, ary mieritrereta fomba hampaherezana azy ireo amin’ny ezaka ataony.

Mahatsapa faniriana bebe kokoa hiaina fiainana feno fanolorantena

Ity sahanasa ity dia afaka manampy ireo mpianatra hisaintsaina ny fanirian’izy ireo hiaina fiainana feno fanolorantena tahaka ny nananan’ny Mpamonjy. Ity sahanasa ity dia mifampiankina amin’ny zavatra nianaran’ireo mpianatra mikasika ny fiainana feno fanolorantena tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:29–42. Ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto dia afaka manampy ny mpianatra hanao famerenana ny fahatakarany ny lalàn’ny fanokanana.

  • Inona no zavatra tadidinao momba ny lalàn’ny fanokanana?

  • Inona avy ireo andininy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42 izay afaka manampy antsika hahatakatra kokoa io lalàna io?

  • Inona avy ireo ohatra sasantsasany maneho ny zavatra azon’ny tanora atao mba hiainana ny lalàn’ny fanokanana ankehitriny?

    Ny andininy sasantsasany mety holazain’ny mpianatra dia ny andininy 29–38. Raha toa ka tsy manonona ny iray amin’ireo ny mpianatra dia mety ho tsara raha asaina mamaky ireo andininy sy mizara ny zavatra hitany izy ireo. Mandritra ny lesona mikasika ny lalàn’ny fanokanana dia mety ho nanoratra ny hoe “Ny tanany” ny mpianatra na nametraka ny dian-tanany tao amin’ny diariny. Mety ho nanombantombana ny faniriany mba ho toy ny tanan’ny Tompo eo amin’ny fifandraisany amin’ny hafa izy ireo. Raha nanao izany ny mpianatra dia azonao atao ny manasa azy ireo hitady io zavatra nampidiriny tao amin’ny diary fandalinany io ary hijery ny fomba namaliany izany. Ireto fanontaniana manaraka ireto dia afaka manampy ny mpianatra hanombantombana ny fiovan’ny fahatsapany mikasika ny lalàn’ny fanokanana. Afaka mamaly ao anatin’ny diary fandalinany ny mpianatra.

  • Inona no tsapanao momba ny fanokanana ny fotoanao sy ny talentanao ary ny zavatra hafa nomen’ny Tompo anao mba hanorenana ny fanjakany ka tafiditra ao anatin’izany ny fanampiana ireo izay sahirana?

  • Manao ahoana ny fihetseham-ponao raha oharina amin’ny tamin’ny fotoana nandalinanao ny lalàn’ny fanokanana herinandro vitsivitsy lasa izay? Inona araka ny eritreritrao no nisy fiantraikany teo amin’ny zavatra tsapanao?

Rehefa nomena fotoana hieritreretana ireo mpianatra dia azonao atao ny midera azy ireo noho ny fanombantombanany tamin-kitsimpo ny zavatra tsapany. Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hizara ny zavatra nianarany na hitany avy tamin’ity sahanasa ity. Hevero ny hanampy ny mpianatra hisaintsaina ny mety ho fiantraikan’ny fiainana feno fanolorantena eo amin’ny fiainany afaka herintaona na dimy taona na folo taona. Azonao atao ihany koa ny mizara ireo fomba nitahiana anao tamin’ny ezaka nataonao hanana fiainana feno fanolorantena, sy ny fomba nanampian’izany anao ho tonga tahaka an’i Kristy kokoa.

Amporisiho ny mpianatra hikatsaka fanambarana mikasika ny fomba ahafahan’izy ireo ho vonona kokoa hanao izay rehetra azony atao mba hanampiana ireo izay sahirana sy hanorenana ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany ankehitriny.

Fankatoavana ny didin’ Andriamanitra

Mba hanampiana ny mpianatra hanombantombana ny ezaka nataony tato ho ato hankatò ny didin’ Andriamanitra dia asao izy ireo hamerina hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ka hitady ireo didy izay nianarany vao haingana. Azonao atao ny mamporisika azy ireo hitanisa eny amin’ny solaitrabe ireo didy sasany nambara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:18–52.

  • Nahoana no azo ampitahaina amin’ny mari-pamantarana ara-panahy eo amin’ny diantsika mba ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa ny fankatoavantsika ny didy?

Raha nametraka tanjona ny hitandrina tsara kokoa ireo didy ny mpianatra tao amin’ireo lesona teo aloha, dia afaka manampy azy ireo hisaintsaina ny tanjony ity teny famporisihana manaraka ao anatin’ny diarin’izy ireo ity.

Saintsaino ny didy iray izay tsapanao vao haingana fa nanentanan’ny Fanahy Masina anao ny hifantohana aminy.

  • Ahoana no hamariparitanao ny ezaka ataonao amin’ny fitandremana io didy io?

  • Inona no fitahiana nomen’ny Tompo anao noho ny ezaka izay nataonao?

  • Moa ve ianao mahatsaoa fa afaka manao tsaratsara kokoa ianao? Inona no hataonao?

  • Moa ve misy didy iray hafa izay tsapanao fa anentanan’ny Fanahy Masina ny hifantohanao aminy? Inona no hataonao?

Hazavao ireo anjara asan’ny Fanahy Masina

Ity asa fampiharana ity dia afaka manampy ireo mpianatra hanazava ny zavatra nianarany momba ny Fanahy Masina tamin’ny fandalinany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Azonao atao ny manoratra ny hoe “Anjara asan’ny Fanahy Masina” eny amin’ny solaitrabe. Angataho ny mpianatra hanao ny lisitr’ireo anjara asan’ny Fanahy Masina isan-karazany miaraka amin’ny soratra masina iray manohana izany raha azo atao. Ifanakalozy hevitra ny antony maha-zava-dehibe ny hanatontonsan’ny Fanahy Masina ireo anjara asa ireo.

Ireto ambany ireto dia anjara asa sasantsasany sahanin’ny Fanahy Masina. Azon’ny mpianatra atao ny mamaky ireo andinin-tsoratra masina mifandray amin’izany ary avy eo mitady toe-javatra iray izay tena hanampy ny olona iray ao anatin’izany ny fahatakarana ny anjara asa manokana iray sahanin’ny Fanahy Masina. Avy eo dia asao ireo mpianatra hampiasa ny soratra masina mba hanazavana ny anjara asan’ny Fanahy Masina mba hanampiana ilay olona ao anatin’ilay toe-javatra.