“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51–57: Topimaso ankapobeny,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51–57,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51–57
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51–57
Topimaso ankapobeny
Tonga tao Thompson, Ohio ny vondron’ Olomasina iray, ary niezaka niaina ny lalàn’ny fanokanana izy ireo. I Leman Copley anefa dia niala tamin’ny fanekena nataony mba hanokana ny taniny ho an’ny Fiangonana, ka Olomasina maro no tsy nanana toerana nonenana noho izany. Ireo Olomasina ireo dia nanaraka fanambarana iray avy tamin’ny Tompo ary nifindra tany Missouri. Teo ambany fitarihan’ny Tompo dia nandeha tany Missouri i Joseph Smith sy ireo loholona hafa mba hanao fivoriambe. Tany dia nanambara ny Tompo fa tokony hanorina an’i Ziona tao Missouri izy ireo.
Miomana hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilainao homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny fomba ahafahany manaraka ny torohevitry ny Tompo mba ho mahatoky, marina ary mpitantan-draharaha hendry.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hieritreritra ireo andraikitra sasantsasany izay efa notanany nandritra ny naha-mpikambana azy tao amin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy. Angataho izy ireo hieritreritra ireo fitahiana izay efa azony tamin’ny alalan’ireo andraikitra ireo.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 57
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hanana faniriana kokoa ho lasa vahoakan’ny Tompo amin’ny alalan’ny fanorenana an’i Ziona.
-
Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ireo mpianatra hamaky ny Mosesy 7:18 ary hieritreritra momba ireo tombontsoan’ny fiainana ao anaty fiarahamonina tahaka ilay voaresaka ao amin’io andininy io.
-
Fitaovana haseho: Sarin’ny Mpamonjy sy sarin’i Enoka sy ny vahoakany
-
Horonan-tsary: “Maso hahita” (9:35) manomboka eo amin’ny mari-potoana 4:54 hatramin’ny 6:54.
Fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana 4
Tanjon’ny lesona: Mba hanomezana fahafahana ireo mpianatra hianatra hifehy ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo fotopampianarana izay ampianarin’ireo andinin-tsoratra masina ireo, ary hianatra sy hampihatra ireo fitsipika masin’ny fahazoana fahalalana ara-panahy.
-
Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ireo mpianatra hamerina hijery ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sasany izay nohalalininy tamin’ity taona ity. Hita ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023) ny lisitr’ireo andinin-tsoratra masina.
-
Fitaovana ho an’ny mpianatra: Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana