Lesona 69—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 57: Ny fomba anorenan’ny Tompo an’i Ziona
“Lesona 69—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 57: Ny fomba anorenan’ny Tompo an’i Ziona,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana(2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 57,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Lesona 69: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51–57
Rehefa nanambara misimisy kokoa momba an’i Ziona tamin’ny Mpaminany Joseph Smith ny Tompo dia tsindrin-daona sy nientanentana ny Olomasina ny ho anisan’ny ao anatin’ny fiarahamonina toy izany. Rehefa nambara ny toerana hanorenana an’i Ziona, dia nanome toromarika olona vitsivitsy ny Tompo mba hanomboka hanorina ilay fiarahamonina. Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hanana faniriana kokoa ho lasa vahoakan’ny Tompo amin’ny alalan’ny fanorenana an’i Ziona.
Sahanasa fianarana azo atao
Ziona
Alaivo sary an-tsaina hoe nanana fahafahana hiaina eo akaikin’i Jesoa Kristy ianao.
Inona avy ireo toetra ananany izay hahatonga ny fiainana eo akaikiny hahafinaritra?
Alaivo sary an-tsaina izao hoe manao ahoana izany miaina ao anatin’ny fiarahamonina feno olona izay miezaka manaraka ny fampianaran’i Jesoa Kristy sy ny ohatra nasehony izany. Ohatra iray amin’ny fiarahamonina toy izany ny nitranga tamin’ny vaninandron’ny Testamenta Taloha tamin’ny vahoakan’i Enoka.
Vakio ny Mosesy 7:18 mba hitadiavana ny toetran’ireo olona ireo.
Inona avy ireo olana atrehintsika ankehitriny ka ho voavaha na hihena ao anatin’ny fiarahamonina toy izany?
Inona araka ny eritreritrao no nilaina nataon’ireo olona ireo vao tonga teo amin’io toerana io izy ireo?
Makà fotoana kely hieritreretana ny fomba mety hitahiana ny fiainanao noho ny fiainanao amin’ny fomba mitovy kokoa amin’ny an’i Kristy tahaka ny vahoakan’i Ziona. Mandritra ny fandalinana androany dia mitadiava fampianarana izay afaka manampy anao hahatakatra kokoa ny zavatra azonao atao mba hanorenana an’i Ziona manodidina anao.
Ny tanànan’i Ziona
Fotoana fohy taorian’ny nandrindrana ny Fiangonana dia maro tamin’ireo Olomasina no lasa nientanentana momba ny fananganana fiarahamonin’i Ziona iray tahaka ny an’ny vahoakan’i Enoka. Nampanantena ny Tompo fa hisy tanànan’i Ziona haorina amin’ny andro farany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:65–71; Mosesy 7:62).
Tamin’ny jona 1831, dia nandidy an’i Joseph Smith sy ny andiana loholona iray ny Tompo mba hanao dia tokony ho 1287 km avy any Ohio mankany Missouri, izay toerana hanaovany fihaonambe sy hamantarany momba ny tany lovany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. 52:1–2, 5). Ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 57 dia voaray tamin’ny fotoana nahatongavan’i Joseph Smith sy ireo loholona tao Missouri tamin’ny jolay 1831.
Taiza no nanambaran’ny Tompo fa hanorenana ny tanànan’i Ziona?
Inona no takatrao momba ny maha-zava-dehibe ny tempoly noho ny fanampiana avy amin’ny andininy 3?
Manorina ny tanànan’i Ziona
Ao amin’ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 57 dia nanome torolalana olona vitsivitsy ny Tompo mba hanomboka hanorina an’i Ziona.