Seminera
Lesona 70—Fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana 4: Fampiharana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy


“Lesona 70—Fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana 4: Fampiharana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)

“Fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana 4,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Lesona 70: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51–57

Fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana 4

Fampiharana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy

Ny fifehezana fotopampianarana dia afaka manampy ireo mpianatra hanorina ny fototry ny fiainan’izy ireo amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Ity lesona ity dia hanome fahafahana ireo mpianatra mba hanao fanazaran-tena hifehezana ireo andinin-tsoratra masina sy fotopampianarana ampianarin’ireo andinin-tsoratra masina ireo. Hianatra sy hampihatra ireo fitsipika masin’ny fahazoana fahalalana ara-panahy ihany koa ireo mpianatra.

Sahanasa fianarana azo atao

Famerenana fifehezana fotopampianarana: Ampiharo

Ireto fanontaniana manaraka ireto dia azo ampiasaina mba hanampiana ireo mpianatra hanao fanazaran-tena hianatra ny fomba fampiharana ireo fampianarana ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana eo amin’ny toe-javatra tena misy amin’ny fiainana. Raha ilaina dia afaka mamorona fanontaniana izay mifandray amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay nianaran’ireo mpianatra hatreto ianao.

Asao ireo mpianatra hisafidy fanontaniana iray tian’izy ireo hifantohana.

  • Raha olona tsara aho, moa ve manan-danja ny fiangonana izay idirako?

  • Ahoana no ahafahako mahafantatra fa mahazo fanambarana ho an’ny tena manokana aho?

  • Nahoana aho no tokony hizara ny filazantsara amin’ireo namako sy ny fianakaviako?

  • Nahoana aho no tokony handray anjara amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany?

  • Ahoana no ahafahako manamafy orina ny fifandraisako amin’i Jesoa Kristy?

Azon’ny mpianatra atao ny manao ity sahanasa manaraka ity ao anatina vondrona kely na miaraka amin’ny iray kilasy.

Anisan’ny fahaiza-manao azontsika ianarana ny fomba fampiharana ireo andinin-tsoratra masina amin’ny toe-javatra tena misy amin’ny fiainana. Misafidiana andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray ho an’ny fanontaniana tsirairay etsy ambony izay mety hanampy olona amin’ny olana ananan’izy ireo. Raha hijery ny lisitr’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina dia jereo ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023).

Makà antoka fa takatry ny mpianatra fa andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mihoatra ny iray no ampiasaina hamaliana ny fanontaniana tsirairay.

Rehefa avy nomena fotoana ampy ireo mpianatra hamantarana ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana azo ampiharina amin’ireo rafi-tantara nosafidiny, dia ifanakalozy hevitra ny zavatra hitan’izy ireo amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto:

  • Andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana inona no tsapanao fa azo ampiharina amin’ilay rafi-tantara nifantohanao?

  • Ahoana no ahafahan’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ireo manampy amin’izany rafi-tantara izany?

Hevero ny hangataka mpianatra vitsivitsy hizara ny andinin-tsoratra masina izay nosafidiny sy ny fahatsapany mikasika ny mety hahafahan’izany manampy olona iray manana io fanontaniana io.

Manaova drafitra mba tsy hihoatra ny 10–15 minitra ny fanaovana ity sahanasa ity mba hahafahana manana fotoana ampy hanaovana fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana any aoriandriana ao amin’ny lesona.

Misy hevitra fanampiny momba ny fomba hanampiana ireo mpianatra hampihatra ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ireo fitaovana ao amin’ny hoe “Sahanasa famerenana fifehezana fotopampianarana” ao amin’ny tovana.

Mianatra sy mampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy

Ho an’ny ambin’ny lesona dia mifantoha amin’ny fanampiana ireo mpianatra hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amin’ny toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana. Mialoha ny hamoronana ity rafi-tantara etsy ambany ity dia mety hanampy ny manasa ny mpianatra hanao famerenana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Ireo sahanasa famerenana naroso dia tafiditra ao amin’ny tovana ao amin’ny “Sahanasa famerenana fifehezana fotopampianarana.” Ny famariparitana ireo fitsipika dia hita ao amin’ny andiam-pehezan-teny 5–12 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana.

Mamorona rafi-tantara

Mba hanampiana ny mpianatra hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy dia hevero ny hamorona rafi-tantara iray miaraka amin’ny iray kilasy momba ny olona iray izay manana olana momba ny fanambadiana na ny fanorenana fianakaviana.

Azonao asaina ireo mpianatra hitanisa eo amin’ny solaitrabe ireo zavatra inoana mety efa henony momba ny fanambadiana sy ny fianakaviana. Asao ireo mpianatra hisafidy zavatra iray avy amin’ilay lisitra izay tsapan’izy ireo fa manan-danja mba hanampiana amin’ny famoronana ilay rafi-tantara. Angataho ireo mpianatra hisafidy anarana iray ho an’ilay olona manana ilay olana ao amin’ilay rafi-tantara ary ampio antsipiriany izany mandrapahatongan’izany ho toy ny toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana sy toe-javatra manan-danja izay mety atrehin’izy ireo na atrehin’ny olona iray fantatr’izy ireo.

Ity manaraka ity dia ohatrana rafi-tantara:

Nisara-panambadiana ny ray aman-drenin’i Troy fony izy mbola kely. Mifandray tsara amin’ny rainy sy ny reniny izy, saingy toa tsapany ho toy ny naniry ny tsy ho nivady mihitsy ny ray aman-dreniny. Nahita tsy fitovian-kevitra maro sy adin-tsaina lehibe izy. Manontany tena izy raha tena ilaina tokoa ny fanambadiana. Tsy matoky loatra izy fa hanana faniriana ny hanambady indray andro any.

Faritra fanaovana fifanakalozan-kevitra

Fomba iray azon’ny mpianatra ampiasana ilay rafi-tantara mba hampiharana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy ny famantarana ireo olana sy ny fiarahana mikaroka vahaolana. Azo apetraka manerana ny efitrano ireto fanontaniana mitarika fifanakalozan-kevitra manaraka ireto. Azonao arindra ho vondrona kely kokoa ireo mpianatra mba hiresahana ireo fanontaniana eo amin’ny faritra tsirairay avy.

Rehefa ampy ny fotoana nolanina teo amina faritra iray, dia azonao ampifamadihana ireo vondrona mba hahafahan’ny mpianatra tsirairay manao fanazaran-tena mampihatra ireo fitsipika telon’ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Mety hanampy ny fanamboarana ireo fanontaniana ifanakalozan-kevitra natolotra izay mifototra amin’ny rafi-tantara noforonin’ny mpianatra izany.

Faritra 1

Ireo olana: Inona no fomba fijery mety hampisy fiantraikany eo amin’ny zavatra tsapan’io olona io momba ny fanambadiana sy ny fianakaviana? Nahoana, araka ny hevitrao, no mety ho sarotra ny hanana fomba fijery mibanjina ny mandrakizay amin’io toe-javatra io?

Fomba azo anampiana: Inona no tianao ho takatr’io olona io momba ny drafitry ny famonjena an’ny Ray any An-danitra? Ahoana no ahafahan’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay mamaha ireo olana hitanao?

Avereno jerena ny andiam-pehezan-teny 8–10 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana, ary mitadiava fehezan-teny milaza fahamarinana fanampiny izay afaka manampy.

Faritra 2

Ireo olana: Taiza no mety nahitan’io olona io an’ireo hevitra ireo? Nahoana ireo filôzôfia ireo no mety tena handresy lahatra?

Fomba azo anampiana: Nahoana no zava-dehibe ny miantehitra amin’ireo loharanom-pahalalana notendren’ Andriamanitra rehefa mikatsaka fampahalalana momba ny fanambadiana sy fianakaviana? Mitadiava soratra masina iray na roa na tenin’ny mpaminany izay afaka manampy amin’io rafi-tantara io.

Avereno jerena ny andiam-pehezan-teny 11–12 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana, ary mitadiava fehezan-teny milaza fahamarinana fanampiny izay afaka manampy.

Ho an’ny faritra 2 dia hevero ny hanolotra karatra na taratasy azo apetaka an’ireo mpianatra mba hanoratana ilay soratra masina na tenin’ny mpaminany izay hitany ary asaivo apetrany eny amin’ny solaitrabe izany. Rehefa avy nandalo teny amin’ny faritra rehetra miisa telo ny mpianatra, dia azonao atao ny mangataka mpianatra vitsivitsy hizara ny antony ahafahan’ny soratra masina na ny tenin’ny mpaminany izay nosafidiny manampy ilay olona ao amin’ilay rafi-tantara.

Raha mila fanampiana ireo mpianatra amin’ny fikarohana soratra masina dia azonao atao ny mitanisa andinin-tsoratra masina toy ny Genesisy 1:28; 2:24; 1 Korintiana 11:11; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:22–25; 49:15–17; 131:1–4 eny amin’ny solaitrabe.

Faritra 3

Ireo olana: Inona no mety hampananosarotra ny fanaovana asa amim-pinoana ho an’io olona io?

Fomba azo anampiana: Inona no zavatra hanasanao an’io olona io mba hataony mba hanaovana asa amim-pinoana? Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ireo zavatra atao ireo mampitombo ny fahatokian’io olona io an’i Jesoa Kristy rehefa miatrika ireo olana ireo izy?

Avereno jerena ny andiam-pehezan-teny 5–7 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana, ary mitadiava fehezan-teny milaza fahamarinana fanampiny izay afaka manampy.

Ny zavatra izay nianaranao

Ireto fanontaniana manaraka ireto dia azo ampiasaina ao anaty fifanakalozan-kevitra na ao anatin’ny diarin’ny sahanasa:

  • Raha avy amin’ny zavatra nianaranao androany, inona no hozarainao amin’ny olona iray izay nanana fanontaniana momba ny fotopampianaran’ny Ray any An-danitra momba ny fanambadiana sy ny fianakaviana?

  • Inona no nianaranao momba ny fahazoana fahalalana ara-panahy ka afaka manampy olona iray hamaly fanontaniana momba ny filazantsara?

Azonao ampahatsiahivina ireo mpianatra fa zava-miseho mahazatra ny fananana fanontaniana momba ny filazantsara. Azonao zaraina ny fahatsapanao momba ny herin’ny fampiasana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy mba hamaliana ireo fanontaniana na hiatrehana ireo olana an’ny tena manokana.