Tamin’ny lohataonan’ny taona 1831 dia nahazo fanambarana i Joseph Smith. Nandidy ny mpikambana tao amin’ny sampana tao Colesville, New York, ny Tompo mba hiorim-ponenana ao amin’ny faritr’i Thompson, Ohio, ary hanatanteraka ny fitantanan-draharahan’izy ireo amin’ny alalan’ny fiainana ny lalàn’ny fanokanana. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra ny fomba ahafahany manaraka ny torohevitry ny Tompo mba ho mahatoky, ho marina ary ho mpitantan-draharaha hendry.
Sahanasa fianarana azo atao
Fanehoana ny fitantanan-draharaha
Alaivo sary an-tsaina hoe nisy ray na reny nangataka ny zanany lahy na ny zanany vavy mba hiambina ny zandriny mandritra ny ora vitsivitsy tsy maha-eo ilay ray na reny.
Nahoana no tian’ny ray na reny be fitiavana iray hiaina izany andraikitra izany ny zanany hafa?
Inona araka ny eritreritrao no ho azon’ny ray na reny andrasana amin’ny zanany ao anatin’izany toe-javatra izany?
Ny Eveka Gérald Caussé ao amin’ny Episkôpà Mpiahy dia nizara ity famaritana ny teny hoe fitantanan-draharaha ity.
Ao amin’ny filazantsara, ny teny hoe fitantanan-draharaha dia manondro ireo andraikitra masina ara-panahy na ara-batana mba hikolokolo zavatra izay an’ Andriamanitra, izay maha-tompon’andraikitra antsika. (Gérald Caussé, “Ny adidintsika amin’ny fikolokoloana ny tany,” Liahona, nôv. 2022)
Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ireo fitantanan-draharaha sasantsasany sahaninao na izay zavatra nankinin’ny Tompo taminao. Eo am-pandalinanao anio dia mitadiava fahamarinana izay afaka manampy anao ho lasa mpitantan-draharaha tsara kokoa amin’ireo zavatra nosoratanao tao amin’ny lisitra nataonao.
Ny fitantanan-draharahan’ny Olomasina tany am-boalohany
Tamin’ny lohataonan’ny taona 1831 dia Olomasina maro no nanomboka tonga tao Ohio rehefa avy nifindra monina avy tany amin’ny faritra atsinanan’i Etazonia. Avy tany Colesville, New York, ny vondrona iray izay nahafoy zavatra maro be tokoa. Nomena torolalana hipetraka ao Thompson, Ohio io vondrona io ka hiaina ny lalàn’ny fanokanana. Ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51 dia mirakitra ny torolalan’ny Tompo ho an’ny Olomasina.
Inona no torohevitra avy amin’ireo andininy ireo izay mety ho nanampy ny Olomasina handresy ireo fahasahiranana natrehin’izy ireo tamin’ny fiainana ny lalàn’ny fanokanana?
Inona no fitahiana nampanantenain’ny Tompo ao amin’ny andininy 19 ho an’ireo mahatoky sy marina ary mpitantan-draharaha hendry?
Inona no ireo ohatra sasantsasany maneho ny fifaliana mety ho tsapantsika na ny fitahiana mety ho azontsika rehefa mahatoky amin’ny fitantanan-draharahantsika isika?
Ohatra maneho ireo mahatoky sy marina ary mpitantan-draharaha hendry
Sahanasa A: Ny ohatry nasehon’ny Mpamonjy
Ny Mpamonjy no ohatra tonga lafatra eo amin’ny hoe mahatoky sy marina ary mpitantan-draharaha hendry.
Saintsaino ny naha-mahatoky sy naha-marina ary naha-mpitantan-draharaha hendry ny Mpamonjy teo aminao.
Ahoana no nitondran’ny ezaka nataon’ny Mpamonjy fifaliana sy fitahiana ho anao?
Amin’ny fomba ahoana no mety hanosehan’ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy anao ho lasa mahatoky sy marina ary mpitantan-draharaha hendry?
Sahanasa B: Fitantanan-draharaha ankehitriny
Asaina hanaraka an’i Jesoa Kristy koa isika ka ho mahatoky sy ho marina ary ho mpitantan-draharaha hendry.
Mifidiana ohatra vitsivitsy amin’ireo fitantanan-draharaha omen’ny Tompo antsika izay voatanisa eny amin’ny solaitrabe (na ohatra iray hafa neritreretinao).
Farito ny zavatra azon’ny olona iray atao mba ho mahatoky sy marina ary mpitantan-draharaha hendry amin’ireo zavatra ireo. Azonao atao ny mampiditra ohatra efa hitanao na fomba niezahanao natao mba ho lasa mpitantan-draharaha tsara.
Nahoana ny Tompo no mety haniry olona amin’izao andro izao hiezaka ho mahatoky sy marina ary mpitantan-draharaha hendry araka izany fomba izany?
Ahoana no mety hitondran’ny ezaka ataon’izy ireo fifaliana sy fitahiana?
Ny zavatra izay nianaranao
Inona no nianaranao androany ka tianao hotsaroana momba ny fitantanan-draharaha?
Inona no azonao atao mba ho mahatoky sy marina ary mpitantan-draharaha hendry kokoa eo amin’ny lafiny iray amin’ny fiainanao?