Seminera
Lesona 66—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50, Tapany 2: Mampianatra sy mianatra amin’ny alalan’ny Fanahy


“Lesona 66—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50, Tapany 2: Mampianatra sy mianatra amin’ny alalan’ny Fanahy,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50, Tapany 2,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Lesona 66: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49–50

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50, Tapany 2

Mampianatra sy mianatra amin’ny alalan’ny Fanahy

fianarana ao an-dakilasy

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50 ny Mpamonjy dia nampianatra fa ny Olomasina dia tsy maintsy mampianatra sy mianatra ny filazantsara amin’ny alalan’ny Fanahin’ny Fahamarinana. Amin’ny maha-ilay Mpampianatra Lehibe Azy dia i Jesoa Kristy no ohatra tonga lafatra amin’ny fampianarana amin’ny alalan’ny Fanahy. Ny mpikamban’ny Fiangonan’ny Mpamonjy rehetra dia hanana fahafahana hampianatra sy hianatra amin’ny alalan’ny Fanahy mandritra ny fiainany. Ity lesona ity dia afaka manome fahafahana an’ireo mpianatra hizatra hampianatra sy hianatra amin’ny alalan’ny Fanahin’ny Fahamarinana.

Sahanasa fianarana azo atao

I Jesoa no mpampianatra ny filazantsara tonga lafatra

Hanombohana ny fotoam-pianarana dia hevero ny hanampy ny mpianatra hieritreritra hoe karazana mpampianatra toy ny ahoana ny Mpamonjy. Ny fomba iray ahafahanao manao izany dia amin’ny alalan’ny fanoratana ny lohateny hoe Toetra ho an’ny fampianarana sy fianarana mahomby eny amin’ny solaitrabe. Eo ambanin’ilay lohateny, dia mamoròna tsanganana telo ka ny voalohany asiana lohateny hoe Jesoa Kristy.

Asao ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ireo toetra izay nahatonga an’i Jesoa Kristy ho mpampianatra ny filazantsara tonga lafatra, ary tanisao eny amin’ny solaitrabe izany. Ny horonan-tsary “Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy miaraka amin’ny Loholona Uchtdorf” (53:34) manomboka eo amin’ny mari-potoana 19:01 ka hatramin’ny 20:06 dia afaka manampy ireo mpianatra hieritreritra ny maha-zava-dehibe ny fampianarana tahaka ny Mpamonjy.

53:34

Asao ny mpianatra hampihatra ireo toetran’ny fampianarana sy fianarana ny filazantsara tahaka ny an’i Kristy rehefa mizatra mampianatra sy mianatra izy ireo androany.

Vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Fiadidiana Voalohany ity mba hitadiavana ireo fahafahana mampianatra ny filazantsara azonao araraotina ankehitriny sy hararaotina any aoriana.

Tena tombontsoa lehibe ho anareo ny fampianarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy! Na manana antso manokana hampianatra ianao na tsia, dia mpampianatra ianao. Amin’ny maha-mpianatr’ilay Tompo Mpampianatra anao, dia i Jesoa Kristy izany, ianao dia manana fahafahana hizara ny fahazavany na aiza na aiza alehanao: ao an-tokantrano, any am-piangonana, rehefa manompo ny hafa, ary eo anivon’ireo namanao. Adidy masina ny mampianatra ny filazantsara. Ampahany manan-danja ao anatin’ny asan’ny Tompo izany, ary tena mahomby rehefa ataontsika araka ny fombany. (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy [2022], 1)

  • Nahoana no heverina ho “adidy masina” ny fampianarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy?

  • Inona no zavatra tsapanao momba ny fampianarana ny filazantsara?

Mampianatra sy mianatra amin’ny alalan’ny Fanahy isika

I Jesoa mampianatra ny Olomasina

Raha namorona tsanganana telo teny amin’ny solaitrabe ianao dia asio lohateny hoe Mpampianatra sy Mpianatra ny roa manaraka. Asao ireo mpianatra hampiditra ireo toetran’ny mpampianatra na mpianatra izay hitan’izy ireo ao amin’ireto andininy manaraka ireto.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:13–14, 17–22 mba hitadiavana ny fomba irin’ny Mpamonjy hampianarana ny filazantsarany.

  • Araka ny eritreritrao dia inona no dikan’ny hoe mampianatra sy mianatra amin’ny alalan’ny Fanahy?

  • Inona avy ireo fitahiana sasantsasany azontsika rehefa mampianatra sy mianatra amin’ny alalan’ny Fanahy isika?

Ampio ny mpianatra hamantatra fitsipika iray toy ny hoe rehefa mampianatra sy mianatra amin’ny alalan’ny Fanahy isika dia mifankahazo ka samy mahazo fankaherezana sy miara-mifaly. Azonao atao ny mampahatsiahy ny mpianatra fa ny hoe mahazo fankaherezana dia midika hoe ampatanjahana na aorina.

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny dikan’ny hoe mampianatra sy mianatra amin’ny alalan’ny Fanahy dia azonao atao ny manome andinin-tsoratra masina vitsivitsy toy ny Almà 31:5; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:14; 88:118, 122; ary 130:18–19. Asao ny mpianatra hiara-hiasa amin’ny namana na ao anaty vondrona kely mba hamantatra ny fomba ampianarantsika sy ianarantsika amin’ny alalan’ny Fanahy. Ampidiro ao amin’ny tsanganana “Mpampianatra” sy “Mpianatra” eny amin’ny solaitrabe ireo hevitra ireo.

ChurchofJesusChrist.org Mety ho tian’ny mpianatra ny mandre anao mizara ny fomba nitahiana anao tamin’ny fihainoana azy ireo sy fianarana avy tamin’izy ireo nandritra ny seminera.

1:20
  • Oviana ianao no niaina ireo fitahiana ireo tamin’ny naha-mpampianatra na mpianatra ny filazantsara anao?

  • Inona no azontsika atao ao amin’ny kilasin’ny seminera mba hahazoana antoka fa afaka mahazo ireo fitahiana ireo ny tsirairay?

Afaka mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy isika

Asao ny mpianatra hanomana lesona fohy momba ny filazantsara mba hampianarina. Azon’ny mpianatra atao ny manomana irery na miaraka amina mpiara-mianatra iray. Asao ny mpianatra handinika ombam-bavaka ny zavatra ilain’ny mpiara-mianatra aminy ary hamantatra hafatra na lohahevitra iray izay afaka mamaly ireo filana ireo.

Tafiditra ao anatin’ny sasantsasany amin’ireo lesona azo isafidianana:

sary famantarana ny taratasy zarainaNy taratasy zaraina etsy ambany dia afaka manampy ireo mpianatra hanomana ny lesony. Rehefa miomana hampianatra izy ireo dia azonao atao ny mampahatsiahy ny mpianatra ny toetoetran’ireo mpampianatra sy mpianatra izay notanisainy teny amin’ny solaitrabe. Azonao atao ny manasa azy ireo hikatsaka ny ho mpianatra tsara ny filazantsara rehefa mizara ny lesony ireo mpiara-mianatra aminy. Rehefa nomena fotoana ampy tsara hiomanana izy ireo dia asao ireo mpianatra hampianatra ny hafany amin’ny namana iray na ao anaty vondrona kely. Raha ilaina dia azonao atao ny manasa mpianatra vitsivitsy izay mazoto hampianatra ny hafany amin’ny iray kilasy.

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Mamoròna lesona fohy momba ny filazantsara mba hanampiana ny hafa hianatra momba an’i Jesoa Kristy. Mitadiava fitaomam-panahy avy amin’ny Fanahy Masina rehefa manomana sy mampianatra ny lesonao ianao. Ity rindran-damin’ny lesona manaraka ity dia afaka manampy anao hiomana hampianatra.

  • Lohahevitry ny lesona sy/na andinin-tsoratra masina:

  • Ny fahamarinana na fitsipika fototra izay hampianariko:

  • Ny fomba hampifantohako ity lesona ity amin’i Jesoa Kristy:

  • Fanontaniana hapetrako:

  • Ahoana no fomba nahatsapako ny herin’ity fahamarinana ity teo amin’ny fiainako (fijoroana ho vavolombelona):

  • Inona no zavatra asaiko hataon’ny mpianatra:

Mianatra ireo fahamarinan’ny filazantsara amin’ny alalan’ny Fanahy isika

Aorian’ilay sahanasa dia asao ny mpianatra hanombana ny traikefa amin’ny fampianarana sy fianarana. Azonao atao ny mijery ireo lisitra eny amin’ny solaitrabe ary mifanakalo hevitra momba ny fomba niezahan’ireo mpianatra mba hampihatra ireo toetra ireo. Azon’izy ireo valina ao amin’ny diary fandalinany ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona no tsikaritrao momba ny fampianarana araka ny fomban’ny Mpamonjy nandritra io sahanasa io? Inona no tsikaritrao momba ny fianarana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina?

  • Taorian’ilay sahanasa, dia inona no tsapanao momba ny fahaizanao mampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy?

Derao ny mpianatra amin’ny ezaka ataon’izy ireo hampianatra sy hianatra amin’ny alalan’ny Fanahy. Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hanohy hampihatra ny zavatra nianarany rehefa mampianatra sy mandalina ny filazantsara izy ireo.