Tamin’ny taona 1831, noho ny fanenjehana sy ny fanakorontanana, ny Olomasina sasany dia nanomboka nanaraka fomba fanao tsy mamela afa-tsy ny mpikamban’ny Fiangonana hanatrika ny fotoam-pivavahana. Niahiahy ny amin’izany sy ny zavatra hafa i Joseph Smith ka nivavaka mba hahazo fitarihana ary nandray ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46. Ao amin’io fanambarana io dia nandidy ny mpikamban’ny Fiangonana ny Mpamonjy handray ireo rehetra izay “mikatsaka fatratra ny fanjakana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:5) ka tonga hanatrika fotoam-pivavahana. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hanatsara ny ezaka ataon’izy ireo eo amin’ny famoronana tontolo ahitana fandraisana mahafinaritra mandritra ireo fivorian’ny Fiangonana.
Sahanasa fianarana azo atao
Mandray ny rehetra
Eritrereto hoe nahoana araka ny hevitrao io famantarana io no hita matetika eo amin’ny trano fivorian’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.
Nahoana ny fahatsapana ho voaray tsara ao am-piangonana no manampy amin’ny zavatra iainan’ny olona iray mandritra ny fotoam-pivavahana?
Hevero ny hampiseho ireto fanontaniana manaraka ireto ary asao ny mpianatra hanombana mangina ny tenany amin’ny mari-drefy 1 (Tsy mbola niseho velively izany) hatramin’ny 5 (Miseho mandrakariva izany). Afaka mirakitra ny valinteniny ao amin’ny diary fandalinany izy ireo.
Mahatsapa ho voaray tsara ve ianao ao amin’ny paroasy, na sampana, na seminera misy anao?
Impiry ianao no miezaka hahafantatra tsara kokoa ny hafa ao amin’ny fiangonana?
Moa ve mahatsapa ianao fa hahatsapa ho voaray tsara mandritra ireo fotoam-pivavahana any am-piangonana ny namanao sy ireo mpiara-monina hafa aminao?
Rehefa mandalina ianao androany, dia tadiavo ireo fampianaran’ny Mpamonjy izay azonao ampiasaina mba hanampiana anao sy ny hafa hahatsapa ho voaray tsara ao am-piangonana.
Ny torolalan’ny Tompo momba ny fandraisana ny hafa
Ity famintinana manaraka ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra ny sahan-kevitr’ireo andininy izay hohalalininy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46.
Tamin’ny 1831 dia nisy olana mikasika ireo mpikambana sasantsasany izay nanda tsy hamela ireo olona tsy mpikambana ao amin’ny Fiangonana hanatrika ireo fotoam-pivavahana ao amin’ny Fiangonana. Izany fomba fanao izany dia vokatry ny fanakorontanan’ny fahavalon’ny Fiangonana ny fotoam-pivavahana. Rehefa avy nivavaka i Joseph Smith mba hahazo fitarihana, dia nanambara fampianarana manan-danja mikasika ny fomba tokony hitarihan’ny Olomasina ny fivoriany ny Tompo.
Inona no ianaranao avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny fomba tian’ny Tompo hitondrantsika ny hafa mandritra ireo fivoriam-piangonana?
Mety hahita fahamarinana mitovitovy amin’ity manaraka ity ny mpianatra: Nandidy antsika ny Tompo handray ny olona rehetra mandritra ireo fivoriam-piangonantsika.
Mba hanamafisana ny maha-zava-dehibe an’io fahamarinana io dia mety hanampy ny manendry mpianatra hamaky ny 3 Nefia 18:22–25. Azonao atao koa ny mangataka ny mpianatra hamaky ny andiam-pehezanteny eo ambanin’ny lohateny hoe “Raiso ho toy ny zanak’ Andriamanitra ny olona rehetra” ao amin’ny fizarana “Tiavo Andriamanitra, tiavo ny namanao” ao amin’ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy ([2022], 12).
Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ho an’ny Mpamonjy ny fandraisana ny hafa ao amin’ny Fiangonany?
Inona avy ireo olana amin’izao androntsika izao izay mety hampananosarotra ny fahatsapan’ny olona iray ho voaray tsara ao amin’ireo fivoriam-piangonana?
Inona avy ireo zavatra manokana azontsika atao mba hanampiana ny hafa hahatsapa ho voaray tsara mandritra ireo fivoriam-piangonana?
ChurchofJesusChrist.org
1:39
Manasa ny hafa ho "tonga sy hijanona"
Rehefa mahatsapa ho voaray tsara ny olona ato am-piangonana dia te hijanona ho azy. Ity horonan-tsary ity dia maneho fomba tsotra sy mandeha ho azy hanampiana ireo mpitsidika ny Fiangonana tsy hahatsapa tena ho vahiny.
Ohatra tamin’ny fandraisana ny rehetra i Jesoa Kristy
Ny Mpamonjy no ohatra tonga lafatra amin’ny fanasana sy fandraisana ny olona rehetra. Mitadiava ohatra iray na maromaro ao amin’ny soratra masina mikasika ny fandraisan’i Jesoa sy ny fitiavany ny olon-drehetra.
Raha mila fitarihana fanampiny ny mpianatra dia azonao atao ny manondro andinin-tsoratra masina toy ny Matio 9:9–13; 19:13–15; Lioka 19:1–10; na ny 3 Nefia 11:12–15. Hevero ny hanasa ny mpianatra hizara ny zavatra hitany sy hifanakalo hevitra momba ny valinteniny amin’ireto fanontaniana manaraka ireto. Azonao atao ny manasa ireo mpianatra mba hanoratra ao amin’ny diary fandalinany miaraka amina hevitra mikasika ny fomba ahafahan’izy ireo manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy.
Antitrantero ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy: Mba hahazoana fanampiana bebe kokoa amin’ny fanasana ireo mpianatra hijery ny fomba nanehoan’ny Mpamonjy ohatra momba ny zavatra nianarany, dia jereo ny fanofanana mitondra ny lohateny hoe “Antitrantero ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy,” izay hita ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Mifantoka amin’i Jesoa Kristy.
Ireto fanontaniana manaraka ireto dia azo ampiasaina mba hanampiana ny mpianatra hizara ny zavatra nianarany sy tsapany.
Rehefa nandalina ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy ianao dia inona ny fiovana nentin’ny fitiavany ho an’ireo olona nifaneraserany?
Inona no zavatra nianaranao momba ny Mpamonjy avy amin’ny zavatra nohalalininao ka azonao ezahina hotahafina eo amin’ny fiainanao manokana?
Hevero ny hanasa ny mpianatra hisaintsaina sy hizara ny zavatra niainany izay nahafahan’izy ireo nahita ny lanjan’ny fanampiana ny hafa hahatsapa ho voaray tsara ao amin’ireo fivoriam-piangonantsika. Azonao atao koa ny mizara zavatra niainana teo amin’ny fiainanao manokana.
Mampihatra ny fampianaran’ny Mpamonjy
Manaova drafitra hampiharana ny didin’ny Mpamonjy mba hanampy ny rehetra hahatsapa ho voaray tsara ao amin’ireo fivoriam-piangonana. Raketo ao amin’ny diary fandalinanao ny drafitrao. Diniho ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanampiana anao amin’ny drafitra ataonao:
Inona avy ireo fomba manokana vitsivitsy azonao ampiharana ny torohevitry ny Mpamonjy izay nohalalininao androany?
Inona no azonao atao mba hahatsapanao fa voaray tsara kokoa ny tenanao any am-piangonana?
Hevero ny hanasa ny mpianatra hanao izay ezaka tsara indrindra vitany eo amin’ny fandraisana andraikitra eo anatrehan’ireo bitsika mety azony sy ny drafitra nataony androany. Amporisiho ireo mpianatra hiezaka ny hahatsapa ny zavatra ilain’ireo izay manodidina azy ireo. Mety ho tsara ny manasa ireo mpianatra hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra niainany tamin’ny fandraisana ny hafa mandritra ny lesona iray manaraka.