Seminera
Lesona 54: Tombano ny fianaranao 3: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20–40


“Tombano ny fianaranao 3: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20–40,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Tombano ny fianaranao 3,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Lesona 54: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 37–40

Tombano ny fianaranao 3

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20–40

Jesoa mijery zaza iray mipetraka eo akaikiny

Ny fisaintsainana sy ny fanombanana ny fianarantsika ara-panahy dia afaka manampy antsika hanakaiky kokoa ny Mpamonjy. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatsiaro sy hanombantombana ny fomba nanampian’ny zavatra niainan’izy ireo tamin’ny fandalinana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana azy ireo hitombo ara-panahy.

Sahanasa fianarana azo atao

Fitomboana ara-batana sy ara-panahy

Hevero ny hampiseho fampitahana mifanila amin’ireo sary mampiseho fitomboana.

Mba handrefesana ny fitomboana sy ny fiovana ary ny fandrosoana dia matetika ny olona no mampiasa sary mba hanaovana fampitahana mifanila.

  • Ahoana no ahafahan’ny sarin’ny tenantsika manampy antsika hamantatra ireo fomba mety ho niovantsika na nitomboantsika?

  • Inona avy ireo fomba hafa ahafantarana ny fitomboantsika?

Mba hanampiana ireo mpianatra hisaintsaina sy hifanakalo hevitra momba ny fitomboana ara-panahy dia azonao atao ny mampiseho ny sarin’i Jesoa sy ny ankizy iray, tahaka ilay hita tany am-piandohan’ity lesona ity.

Eritrereto izay mety holazainao amin’ny ankizy iray momba ny fahafahany mitombo sy ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy bebe kokoa.

  • Inona avy ireo fomba ahafahan’ny olona iray mahafantatra ny fomba hahatongavany bebe kokoa ho tahaka ny Mpamonjy? (Jereo ny Lioka 2:52; jereo koa ny Almà 5:14.)

Asao ny mpianatra hitady fanampiana avy amin’ny Fanahy Masina rehefa misaintsaina ny fitomboany. Angataho izy ireo hanoratra ao amin’ny diariny mikasika ireo fomba sasany izay ahatsapany fa mihamitovy kokoa amin’i Jesoa Kristy izy ireo. Azonao atao ny mamporisika ny mpianatra hieritreritra ireo toetran’ny Mpamonjy izay nianarany tao amin’ny fandalinany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Amporisiho ireo mpianatra hijery ireo fanamarihana ao amin’ny diariny na ny soratra masiny izay nasiany marika momba ny Mpamonjy tato anatin’ny herinandro vitsivitsy. Angataho izy ireo mba hisaintsaina hoe iza amin’ireo toetran’i Jesoa Kristy no hitany bebe kokoa ao amin’ny tenany (na dia amin’ny fomba kely aza izany).

Ny mpianatra sasany dia mety tsy hahafantatra ny fitomboany. Ampahatsiahivo ny mpianatra fa matetika no sarotra ny mahatsikaritra ny fitomboana, indrindra amin’ny tenany, saingy tsy midika akory izany fa tsy mitombo izy ireo. Amin’ity lesona ity ny mpianatra dia hanana fahafahana hanazava ny tanjon’ny fanasan’ny Tompo, hisaintsaina ny fanirian’izy ireo hanaraka ny mpaminany ary hamerina hijery ny drafitr’izy ireo hizarana ny filazantsara. Ny fandalinan’ny iray kilasy momba ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20–40 dia manantitrantitra ireo fahamarinana hafa ankoatra ireo izay hita ao amin’ireto sahanasa atao manaraka ireto. Raha izany no izy, dia azonao atao ny mampifanaraka ireo asa atao mba hampidirana ireo fahamarinana ireo.

Manazava ny tanjon’ny fanasan’ny Tompo

Omeo fahafahana ny mpianatra hanazava ny tanjon’ny fanasan’ny Tompo. Mba hanomanana azy ireo dia azonao atao ny manasa azy ireo hamerina hijery ny zavatra nianarany momba ny fanasan’ny Tompo tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:75–79; 27:1–2). Azon’izy ireo atao koa ny mamerina mijery ireo naoty izay noraketiny tao amin’ny diary fandalinany.

Azonao atao ny mampiditra rafi-tantara tahaka izao manaraka izao, ary angataho ny mpianatra mba hanazava ny tanjon’ny fanasan’ny Tompo amin’ny alalan’ny fampiasana ny iray amin’ireto fomba manaraka ireto entina hamaliana: filalaovana an-tsehatra, famoronana infografika na famelabelarana, na fanoratana ao anaty diary.

Nanasa namana iray hiaraka aminy any am-piangonana i Isaac ny alahady. Koa satria mbola tsy nanatrika fivoriana fanasan’ny Tompo mihitsy ny namany, dia te hanazava antsipiriany manan-danja vitsivitsy i Isaac alohan’io andro io.

  • Inona, araka ny eritreritrao, no tokony hozarain’i Isaac momba ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo?

Azonao atao ny mampiseho ireto bitsika manaraka ireto mba hanampiana ireo mpianatra hanomana ny eritreriny, ary avelao izy ireo hijoro ho vavolombelona.

Misafidiana tsipiriany roa na telo momba ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo izay mety hifantohanao. Mampiasà andinin-tsoratra masina iray na maromaro mba hanampy anao hanazava sy hijoro ho vavolombelona.

  • Vavaka atao hanamasinana ny mofo sy ny rano

  • Ny zavatra ampanantenaintsika ny Ray any An-danitra

  • Ny zavatra ampanantenain’ny Ray any An-danitra antsika

  • Ny fihetsika asehontsika rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo

  • Ny fifantohana amin’i Jesoa Kristy

  • Ny zavatra niainanao manokana

Aorian’ny famalian’ny mpianatra ilay rafi-tantara, dia azonao atao ny manasa azy ireo hisaintsaina sy hizara ny fomba ahafahan’ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo manampy azy ireo hahita ny fomba hahatongavan’izy ireo ho tahaka an’i Jesoa Kristy bebe kokoa.

Mahatsapa faniriana bebe kokoa hanaraka ny mpaminany velona

Tao anatin’ny lesona vao haingana dia mety ho nanana fahafahana handalina ny maha zava-dehibe ny fanarahana ny mpaminany amin’izao androntsika izao ny mpianatra. Ity sahanasa fianarana ity dia hanome fahafahana ireo mpianatra hisaintsaina ny fiantraikan’ny fanirian’izy ireo hanaraka ny mpaminany velona nandritra ny fandalinany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.

Azonao atao ny mampahatsiahy ny mpianatra ity fanombantombanan-tena manaraka tao amin’ny lesona teo aloha ity (jereo ny lesona momba ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21).

Tao anatin’ny lesona teo aloha ianao dia nasaina hieritreritra torohevitra avy tamin’ireo mpaminany sy apôstôly izay mety ho sarotra ny fanarahana azy. Andramo ary tadidio hoe inona ilay izy. Azonao atao ny mijery ny diary fandalinanao mba hahitana ny zavatra noraketinao.

Omeo minitra vitsivitsy ny mpianatra hijerena ny diary fandalinany raha toa ka nanao fanamarihana tao anatin’izany izy ireo.

  • Inona avy ireo soratra masina nohalalinintsika vao haingana izay manantitrantitra ny maha zava-dehibe ny fanarahana ny mpaminany?

    Ny sasany amin’ireo soratra masina mety homen’ny mpianatra dia mety hahitana ny Joseph Smith—Tantara 1:21–35; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:38–39; 21:4–6. Omeo fotoana ahafahana mizara izay hitany ireo mpianatra. Ny famelana ny mpianatra hanao izany ao anatin’ny vondrona kely dia afaka manome fahafahana ny mpianatra bebe kokoa hizara ny zavatra manan-danja amin’izy ireo.

    Asao ny mpianatra hirakitra ny valintenin’izy ireo amin’ny iray na maromaro amin’ireto fanontaniana manaraka ireto. Avelao ny mpianatra hisafidy ny fomba firaketan’izy manokana an-tsoratra ireo fahatsapana ireo. Rehefa avy nomena fotoana ampy tsara ireo mpianatra, dia asao ny mpianatra vitsivitsy izay manolo-tena mba hizara ny eritreriny. Na dia mety tsy ho tsara aza ny zavatra tsapan’ireo mpianatra amin’izao fotoana izao momba ny fanarahana ny mpaminany, dia azonao atao ny mamporisika azy ireo hanao zavatra araka ny faniriana faran’izay kely indrindra sy hikatsaka ny fitahian’ny Tompo amin’ny alalan’ny fanarahana ireo mpaminaniny.

  • Inona no tsapanao amin’izao fotoana izao momba ny fanarahana ny mpaminany nofinidin’ny Tompo? Inona, araka ny eritreritrao, no tena nisy fiantraikany tamin’ny fahatsapanao mikasika ny fanarahana ireo mpaminanin’ny Tompo?

  • Ahoana, araka ny eritreritrao, no ahafahan’ny fanarahana ny mpaminany manampy anao ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy bebe kokoa?

Mizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny hafa

Ampio ny mpianatra hieritreritra ny zavatra nianarany avy tamin’ny fandalinany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana mikasika ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hijery ireo fizarana na andininy manokana izay nifantohan’izy ireo rehefa nandalina izy ireo. Mety ho tafiditra amin’izany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18 sy ny fizarana 30–36.

Nanana fahafahana hanao drafitra hizarana ny filazantsara amin’olona iray ny mpianatra rehefa nandalina ny “Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–36, Fizarana 2.” Eritrereto ny hanara-maso io drafitra io amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana toy izao manaraka izao (afaka mifanakalo hevitra momba ireo fanontaniana ireo ao anatin’ny vondrona kely ihany koa ny mpianatra):

  • Inona no nataonao vao haingana mba hizarana ny filazantsara amin’olona iray? Nandeha tsara ve izany, araka ny fahatsapanao?

  • Inona avy ireo sakana natrehinao rehefa niezaka nizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tamin’ny fomba mandeha ho azy sy mahazatra ianao?

  • Inona no ianaranao momba ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy?

Iaraho midinika ny ezaka ataonao amin’ny fizarana ny filazantsaran’ny Mpamonjy. Azon’ny mpianatra atao ny mifanakalo hevitra momba ireo zavatra izay nandeha tsara na ireo olana nananany. Ity fifanakalozan-kevitra ity dia afaka manome fahafahana ny mpianatra hifanampy hizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Azonao atao koa ny manampy ireo mpianatra hieritreritra ny fomba nitomboany rehefa niezaka niresaka tamin’ny hafa momba ny Mpamonjy sy ny filazantsarany izy ireo.