“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 37–40: Topimaso ankapobeny,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 37–40,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 37–40
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 37–40
Topimaso ankapobeny
Raha neken’ny maro tao Ohio ny hafatry ny filazantsaran’ny Mpamonjy, dia niaina fanenjehana mafy ireo mpikamban’ny Fiangonana tao New York. Tao anatin’ny fanambarana iray nomena ny Mpaminany Joseph Smith dia nandidy ny mpikamban’ny Fiangonana ny Tompo mba hiangona tao Ohio. Nanome toromarika an’ireo Olomasiny ny Tompo mba hifampitondra toy ny tenany avy sy hiray hina. Nanao fanekena ny hankatò izay handidian’ny Tompo tamin’ny alalan’i Joseph Smith i James Covel, mpitoriteny metôdista iray. Saingy rehefa avy naharay ny didy hatao batisa sy hiangona miaraka amin’ireo Olomasina tao Ohio izy dia nolaviny ilay fanambarana.
Miomana hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilaina omanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 37; 38:1–9, 28–33
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny antony andidian’ny Tompo ny vahoakany mba hiangona.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hikatsaka fitaoman’ny fanahy avy amin’ny Ray any An-danitra rehefa ao an-dakilasy mba hitarika azy eo amin’ny fiainany manokana.
-
Fitaovana: Andiana tapa-kazo kely sy tapa-kazo lehibe iray
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:15–27, 34–42
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra ho lasa tahaka ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fanomezana lanja ny hafa sy ny fikatsahana ny firaisan-kina.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hieritreritra ireo vondrona izay misy azy ireo ka hanontany olona iray ao amin’izany vondrona izany hoe inona no tsapan’izy ireo fa ilaina mba hampiray hina. Afaka miresaka amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana, na mpitarika ao amin’ny kôlejy na kilasy, na mpampianatra, na mpanazatra ireo mpianatra.
-
Fitaovana: Tapa-taratasy miloko mba hanampiana ny mpianatra hirindra ho vondrona
-
Horonan-tsary: “Iray ao amin’i Kristy” (4:48); “Manafoana ny fifandrafiana ny fiadanan’i Kristy” (12:39; jereo manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 4:49 hatramin’ny 6:32)
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39–40
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hanana faniriana hanao sy hitandrina fanekempihavanana amin’i Jesoa Kristy mba hahazoana ny heriny bebe kokoa.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba handinika ny fomba nitondran’ny fanaovana fanekempihavanana masina hery teo amin’ny fiainan’izy ireo. Raha ilaina dia afaka manasa olona iray ao amin’ny fianakaviana izy ireo, na namana, na mpitarika ao amin’ny Fiangonana mba hizara fitahiana izay avy tamin’ny fanaovana fanekempihavanana.
-
Fitaovana: Takamoa sy jiro
-
Horonan-tsary: “Mandresy izao tontolo izao ary mahita fitsaharana” (18:31; jereo manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 4:21 hatramin’ny 5:39)
Tombano ny fianaranao 3
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hahatsiaro sy hanombantombana ny fomba nanampian’ny zavatra niainan’izy ireo tamin’ny fandalinana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana hitombo ara-panahy.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hijery ny sarin’izy ireo tamin’ny mbola kely ary hieritreritra ny fitomboan’izy ireo sy ny fiovana teo amin’izy ireo. Azonao angatahina hitondra sary haseho ao amin’ny kilasy ireo mpianatra.
-
Fitaovana: Fampitahana sary izay maneho fitomboana