Miangona amin’ny fomba maro ny.mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Ny fotoana voalohany niangonan’ny mpikamban’ny Fiangonana ho iray dia nitranga tamin’ny Tompo nandidy ny vahoakany mba hiangona “any Ohio” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 37:1). Nanao sorona be ireo mpikamban’ny Fiangonana tao New York sy ireo faritra hafa mba hiangona tany Ohio. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra ny antony andidian’ny Tompo ny vahoakany mba hiangona.
Sahanasa fianarana azo atao
“[Mandehana] any Ohio”
Inona no azon’izany ampianarina anay momba ny herin’ny fiangonana? Momba ny herin’ny fiangonana any amin’ny Mpamonjy?
Nahoana, araka ny eritreritrao, ny Mpamonjy no mandidy ny vahoakany hiangona?
Inona avy no fitahiana ilainao eo amin’ny fiainanao izay mety tonga noho ny fiangonana miaraka amin’ireo mpikambana hafa ao amin’ny Fiangonana?
Inona avy ireo toerana sasany iangonantsika ankehitriny mba hahatsapana ny herin’ny Mpamonjy?
Maro ireo olona tao Ohio no namaly ny hafatry ny famerenana amin’ny laoniny ary niditra ho mpikamban’ny Fiangonan’ny Mpamonjy. Anisan’izy ireo i Sidney Rigdon. I Sydney sy i Phebe vadiny dia nahatakatra fa raha toa ka nanaiky ny Bokin’i Môrmôna izy ireo ka niditra ho mpikamban’ny Fiangonana dia hamoy ny tranony sy ny fivelomany izy ireo. Nodinihin’izy ireo tsara ombam-bavaka ilay resaka ary natao batisa izy ireo. Mpikambana maro tao amin’ny fivavahan’i Rigdon ihany koa no niditra ho mpikamban’ny Fangonana.
Tao New York dia mpikambanan’ny Fiangonana maro be no niatrika fanenjehana goavana. Tamin’ny toe-javatra sasany dia nandrahona ny ain’ireo mpikamban’ny Fiangonana ny fahavalony ary nivory tamin’ny toerana mangina mba hikonona ny famongorana azy ireo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:13, 28–29). Rehefa tonga tao New York i Sidney Rigdon mba hihaona tamin’i Joseph Smith dia nitatitra ny fomba nanekena ny filazantsaran’ny Mpamonjy tao Ohio izy. Nahazo fanambarana miaraka amin’ny toromarika izay afaka nanampy ireo Olomasina tao New York tamin’ny fahasarotana izay natrehany i Joseph Smith.
Ahoana no mety ho fihetsika nasehon’ny mpikamban’ny Fiangonana manoloana io didy io? Nahoana?
Inona no fantatrao momba ny Mpamonjy izay afaka manampy anao hanao asa am-pinoana rehefa toa sarotra ny hankatò ny didiny?
Fotoana fohy taorian’ny nandidiana mba handehanana tany Ohio dia niangona hanatanteraka fihaonambe ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana ary niresaka momba ilay dia. Ny fankatoavana ilay didy dia nidika hoe avela ny fananana, sy ny fianakaviana koa ho an’ny Olomasina sasany. Naharay ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38 i Joseph Smith tamin’io fihaonambe io. (Jereo ny Olomasina: Ny tantaran’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, boky 1, Ny fanevan’ny fahamarinana, 1815–1846 [2018], 109–11.)
Ahoana no mety hitahian’ny Tompo ireo mpikamban’ny Fiangonana noho ny fiangonany tao Ohio?
Inona no antony sasany mahatonga ny Mpamonjy handidy ny vahoakany mba hiangona?
Inona ireo fomba sasany iarovan’ny Mpamonjy antsika sy anamafisany orina antsika ara-panahy rehefa mankatò ny didiny mba hiangona isika?
Ny sampana Fayette
I Lucy Mack Smith no nitarika ny sampana Fayette. Nandeha sambo nanaraka ny Lakandrano Erie izy ireo ary niampita ny Farihy Erie. Rehefa tonga teo amin’ilay farihy izy ireo dia nanakana ny fandrosoan’izy ireo ny vaingan-dranomandry teo amin’ny seranana. Nangatsiaka sy noana ireo Olomasina kivy ary nanomboka nifamaly izy ireo. Nihiaka tamin’izy ireo i Lucy hoe:
“Aiza ny finoanareo? Aiza ny fatokisanareo an’ Andriamanitra? Raha ianareo rehetra ireo no manandratra ny fanirianareo ho any an-danitra, mba ho vaky ny ranomandry sy mba ho afaka isika, raha mbola velona koa ny Tompo, dia ho tanteraka izany.”
Avy hatrany dia nahare feon-kotroka i Lucy. Vaky ilay ranomandry teo amin’ny seranana mba hahafahan’ny sambon’izy ireo mandalo. Niara-nivavaka ireo Olomasina nankasitraka. Nandeha soa aman-tsara tany Kirtland, Ohio, izy ireo (jereo ny Olomasina, 1:121–23).
Ny sampana Colesville
I Newel Knight no nitarika ny sampana Colesville. Raha mbola tany an-tany lavitra i Newel dia nianjera ka tapaka soroka i Electa Peck nenitoany. Niezaka nanafaka ny fanaintanany ny mpandidy iray ary nilaza fa fahagagana raha ho afaka manao dia lavitra izy ao anatin’ny herinandro vitsivitsy. Nanonofy i Electa fa niverina i Newel ary nametraka ny tanany taminy dia sitrana izy. Rehefa niverina i Newel dia nahare ny zava-nitranga tamin’ny nenitoany ary nandeha nijery azy. Nangataka ny nenitoany mba homeny tsodrano. Nanatona ny fandriana i Newel, niteny mafy ny fanaintainana tamin’ny anaran’i Jesoa Kristy, ary nandidy an’i Electa mba ho sitrana. Ny ampitso marainan’io dia nifoha i Electa, niankanjo, ary nanohy ny dia. (Jereo ny Newel Knight, The Rise of the Latter-day Saints: The Journals and Histories of Newel Knight, ed. Michael Hubbard MacKay and William G. Hartley [2019], 32–33.)
Inona no ampianarin’ireo tantara ireo anao momba ny fomba ahafahan’ny Mpamonjy miaro antsika sy manamafy orina antsika ara-panahy rehefa miangona any Aminy isika?
Tamin’ny fomba ahoana no efa nitahiana anao manokana tamin’ny fanekena ny fanasan’ny Mpamonjy mba hiangona any Aminy?
Ny fiangonantsika manokana
Amin’ny fomba ahoana, araka ny eritreritrao, no anasan’ny Mpamonjy anao mba hiangona any Aminy?
Nanao sorona ny fiompiany sy famboleny ireo Olomasina mba hankatoavana ny didin’ny Tompo mba hiangona (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:37). Inona no sorona takin’ny Tompo amintsika mba handraisana ireo fitahiana avy amin’ny fiangonana?
Inona no nianaranao momba ny Mpamonjy izay hanampy anao hanaiky ny fanasany mba hiangona any Aminy?